Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy

Croissant madinika avy amin'ny Fernwoodian

Ireo mpanaraka ny mpitoraka blaogy Maraokana Ahmed, izay manoratra ao amin'ny Alash? [Ar] (Nahoana?), dia nahafantatra ny fitiavany ny “zavakanton'ny zava-dratsy [Avy amin'ny mpandika: raha ny heviny hafa dia midika zava-betaveta ny hoe satyre] “. Tamin'ny voalohandohan'ity volana ity dia namoaka lahatsoratra mikasika ilay voalaza ho fanambarana nataon'ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy [Ar] momba ireo fepetra nifanesy mba “hamporisihana” ireo Silamo Frantsay hanaraka ny Ramadany- Fifadian-kanina amin'ny fomba Frantsay amin'ity taona ity.

Manoratra ny Sarkozy vinavinainy ity mpitoraka blaogy:

اخواني المواطنين، المسلم الفرنسي هو فرنسي قبل أن يكون مسلما وعليه فإن قهوة الصباح مع الهلالية (كرواصون) تقليد فرنسي عريق لا يجب التخلي عليه. لذا وانطلاقا من فتاوى الأزهر حول فقه الأقليات فانه يجوز للمسلم الفرنسي الصائم ان يبدأ صباحه بقهوة مع هلالية كغيره من أبناء الشعب الفرنسي على الساعة الثامنة قبل انطلاق العمل.

Ry vahoakan'ny aterineto,

Ny Silamo Frantsay dia Frantsay alohan'ny maha Silamo azy. Noho izany, ny fomban-drazana Frantsay mikasika ny fihinanana ny mofo “croissant” sy kafe amin'ny sakafo maraina dia tsy tokony hajanona [mandritry ny volan'ny Fifadian-kanina]. Ary raha mifototra amin'ireo fatwas (didim-pinoana) napetraky ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar sy ny jurisprudence-n'izy ireo mikasika ireo [Silamo] vitsy an'isa, azon'ireo Silamo Frantsay mifady hanina ny manomboka ny tontolo androny amin'ny kafe sy ny croissant tahaka ny ataon'ireo vahoaka Frantsay hafa rehetra, amin'ny 8 ora maraina alohan'ny handehanana hiasa.

Manohy ny resaka amin'ny famporisihana ireo Silamo hanaraka ny marika maha Silamo naoriny ny Sarkozy an'i Ahmed:

اخواني المواطنين، اللغة الفرنسية تجمعنا والمسلم الفرنسي كغيره من المواطنين يجب أن يقرأ كتابه المقدس (القرآن) باللغة الفرنسية. لذا أدعوا كل إمام فرنسي ان يقرأ القرآن باللغة الفرنسية، ويصلي باللغة الفرنسية وهذه ضرورة ليصبح الاسلام دينا فرنسيا.

Ry vahoakan'ny aterineto,

Mizara ny teny Frantsay isika, noho izany ny Silamo Frantsay, tahaka ireo vahoaka Frantsay ao aminy, dia tokony hamaky ny boky masiny (ny Korany) amin'ny teny Frantsay. Noho izany dia manasa ireo imam rehetra aty Frantsa hamaky ny Korany sy hivavaka amin'ny teny Frantsay aho amin'izay ho lasa fivavahana Frantsay iray ny fivavahana Silamo.

Ilay nanomboka tahaka ny vazivazy dia toa lasa mandehandeha manerana ireo blaogy sy sehatra fiadian-kevitra amin'ny aterineto any Afovoany Atsinanana . Ny fahitana ny lahatsorany ho tahaka ny tantara milaza ny zava-misy, izay tsy manonona ny loharano, ilay mpitoraka blaogy dia nanavao ny lahatsoratra niandohany ka nanoratany fanoherana sy fampitandremana fa “ity lahatsoratra ity dia tantara fanakianana zavatra tsy nitranga. Ny tanjona dia ny niresahana mikasika ny fifandraisana misy eo amin'i Sarkozy […] sy ireo Silamo vitsy an'isa any Frantsa.”

Nipoitra tao amin'ny CNNArabic.com mihitsy aza ilay “tantara” [Ar]. Mitsikera i Ahmed:

وزاد الطين بلة حين نشر موقع سي إن إن العربي مقتطفا من التدوينة دون التوضيح بأنه مقال ساخر. وأصبحت بعض المواقع “الجادة” تنقل القصة وتضيف إليها “حسبما أورد موقع سي إن إن”. وهذا أمر خطير جدا!!!!!

Ary mba hahatonga ireo zava-misy ho ratsiratsy kokoa, ny vohikala CNN Arabic dia namoaka fintina mikasika ity lahatsoratra tamin'ny blaogy ity kanefa tsy nanamarika tao amin'izany fa fanesoana fotsiny ihany ilay lahatsoratra. Amin'izao ireo vohikala “matotra” sasany dia manohy ny “tantara” ka milaza fa “ny vohikala CNN” [no loharano voalohany], izay tena mampidi-doza!!!!!

Ny vondrona Ejiptiana iray, the Muslim Brotherhood [Ar] namoaka lahatsoratra tao amin'ny vohikalany [Ar] ary manameloka izay antsoiny hoe “famelezana ny finoana Silamo,” miantso ireo “manam-pahalalana sy mpahay lalàna  Arabo sy Silamo mba hanohitra ireo fanaovana tsinontsinona ireo, ary hanenjika an'i Sarkozy amin'ny fanimbazimbany ny fahalalaham-pinoana.”

Maro ireo blaogy, ireo vohikala mpamoaka vaovao amin'ny aterineto sy ireo sehatra fiadian-kevitra no toa nandray ihany koa ny lahatsoratr'i Ahmed ho tena marina. Ohatra iray ao anatin'ny maro ny Basratouna.com [Ar], sehatra Irakiana fiadian-kevitra amin'ny aterineto izay namoaka izao:

أصدر العلامة «ساركوزي» مفتي الديار الباريسية فتواه السوبر مودرن حيث أجاز سماحته لمسلمي فرنسا بتناول القهوة مع الكرواسون في الساعات الأولى من صباح أيام شهر رمضان المبارك حتى لا تنقص مواطنتهم شهرا كاملا عن بقية المواطنين الفرنسيين!

Maître Sarkozy, ny Mufti [Avy amin'ny mpandika: ny tampom-pahalalana eo amin'ny finoana Silamo ka manolotsaina ireo mpitsara] ao Paris, dia namoaka fatwa tena maoderina, mamela ireo Silamo Frantsay hihinana croissant sy kafe amin'ireo ora maraindraina mandritra ny volana masin'ny Fifadian-kanina, mba tsy hampihen-danja ny maha mponina azy ireo … !

Amin'izao dia toa manohy ity tantara ity koa ny gazety an-tsoratra. Ny gazety Jordaniana Adustour dia namoaka lahatsoratra [Ar] iray tao amin'ny pejy farany izay mitondra ny lohateny hoe: “Fifadian-kanina Frantsay amin'ny fomba Sarkozy.” Ny gazety Maraokana mivoaka isanandro al-Alam dia mamoaka ny tantara ao amin'ny pejy voalohany [Ar] amin'ny lohateny hoe : “Manolotra fomba Frantsay amin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana mandritra ny volana masin'ny Fifadian-kanina ny Filoha Sarkozy.” Ny gazety Kaoetiana al-Dar koa dia namoaka lahatsoratra iray teo amin'ny andalana misy ny “Fahamarinana”[Ar] izay mitondra ny lohateny hoe: “Rehefa mampivoatra ny fifadian-kanina ny Filoha Sarkozy.”

Na dia niteny aza i Ahmed fa tohina  tamin'ny fakana ny teniny tsy ara-dalàna sy ny fanovàna ny esony tany am-boalohany, dia niteny kosa izy fa tsy manohitra ny fahalalahana miteny. Na dia izany aza, nandefa “toro-hevitra vitsivitsy ihany” Ahmed [Ar] ho an'ireo izay namoaka ireo vaovao sy ny fampahalalana izany tany anaty aterineto. Manoratra izy:

1- إقرأ الخبر أو المقال مرتين على الأقل قبل أن تعيد نشره
2- أذكر المصدر وأضف رابطا له
3- أخبر القراء عن المعلومات الخاطئة التي قد تكون نشرتها

وكل ذلك يمكن جمعه في كلمة واحدة: الأمانة

1 – Vakio fara-faharatsiny indroa aloha ireo vaovao na lahatsoratra alohan'ny hanindrianao ny famoahana
2 – Mariho ny loharano ary asio rohy mankany amin'izany
3 – Ampahafantaro an'ireo mpamaky ireo fahadisoana mety hitranga

Amin'ny teny hafa: Mba marina.

Sarin'ny The Fernwoodian hitanao ao amin'ny Flickr ary nampiasàna ny Creative Commons Attribution 2.0 Generic.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.