Isaky ny faharavatra, an'arivony ireo mpianatry ny kolejy avy any Rosia, Ukraine ary ireo firenena hafa Soviety taloha no tonga any Etazonia mba handray anjara amin'ny fandaharam-pianaranan'i Etazonia momba ny Asa sy Fitetezan-tany [EN]. Amin'ny alalan'ity lamin'asa fifanakalozana tohanan'ny Sampan'ny Fitondràna Amerikana ity [EN], afaka manararaotra mikarama ireo mpianatra avy amin'ireo firenena sasany amin'ny alàlan'ny fiasàna any amin'ireo trano fisakafoanana, hotely, toerana fakàn-drivotra ary fivarotana any Etazonia, ary koa mivezivezy manerana an'i Etazonia, mianatra momba ny kolotsainy, mifankahita amin'ny olona ary manatsara ny fahaizany teny Anglisy.
Malaza dia malaza io fandaharam-pianarana io. Araka ny mpandraharaha fitetezan-tany STAR [RUS], ireo avy amin'ny Rosia fotsiny no mpianatra 30000 no mandray anjara isan-taona amin'ny Asa sy Fitetezan-tany Amerikana. Ny Manakaiky ny 11000 ny isan'ireo mpandray anjara avy any Ukraine, araka ny notaterin'ny [RUS] Ekonomichna Pravda tamin'ny taon-dasa.
Ho an'ny ankamaroan'ireo tanora ireo, ny Asa sy Fitetezan-tany no fotoana voalohany hiainany samirery. Ho an'ny maro amin'izy ireo, io no fotoana voalohany hivoahany ny tanindrazany. Raha niditra tamina kolotsaina vaovao tanteraka niaraka tamin'ny vola zara raha nisy izy ireo, haingana no nahaizany namelo-tena, nitady asa ary toeram-ponenana. Aterineto dia lasa fitaovana manan-danja izay manampy ireo mpianatra hitady namana hiara-dia, hiketrika ny asa sy ny toeram-ponenana, ary hizarana ireo tantaran'ny fahavaratra iainany any am-pitan-dranomasina.
Ity manaraka ity ny nosoratan'ny mpitoraka blaogy [RUS] Tatsiana momba ny aliny voalohany tany Etazonia, iray amin'ireo blaogy naharesy tamin'ny fifaninanana fitoraham-blaogy [RUS] nataon'ny Asa sy Fitetezan-tany, nokarakarain'ny Foibem-pifanakalozana Iraisam-pirenena (IEC), iray amin'ireo fikambanana mitantana ny fandaharam-pianarana:
[…] Итак. 11 часов вечера, я одна, со мной все мои документы и деньги. И следуя указателям я нашла airtrain … Людей было мало, и поэтому почему то было еще страшнее … В airtraine я познакомилась с бразильским парнем, которому 30 лет. Он фотограф и был в Сан-Франциско… Он тоже в Нью-Йорк едет, и когда я сказала, что я впервые сдесь, начал мне все объяснять: как купить билет на поезд и так далее.)))
[…]
12 ночи. Где ночевать? Искать хостелл? Одной? Ночью?
Ужасно устала, хочу принять душ и спать…Бразильский парень, Цезар, прeделожил пойти в хостелл, куда он забронировал билеты. Но самое интересное, что мы очень долго с ним искали, где этот хостелл находится. … хотелось расплакаться! Как же я устала. Вышли на улицу. Пятница. Много людей. Все гуляют, отдыхают! И жутко страшно! Но оттого, что я с Цезаром, я не могу расплакаться и показать, что мне страшно!) Я же смелая, я же в свои 19 лет решилась на это, одна)
Наконец-то мы нашли этот хостелл, и оказалось, что для меня нет свободной кровати. Тогда Цезар предложил мне спать на его кровати, а он постелит себе на полу. Я была в шоке от того, насколько он благороден. Но все равно страшно!
[…]
Misasak'alina. Aiza aho no tokony handaniako ny aliko? Tokony hitady htely ve aho? Irery? Amin'ny alina? Tena trotraka tanteraka aho, te-hisasa dia hatory.
Ilay bandy Braziliana, Cesar, dia nanolo-tena ny hitondra ahy ho any amin'ilay hotely efa namandrihany efitra ho azy. Mahagaga fa nandritra ny fotoana ela no nitadiavanay ilay hotely. Saika nitomany aho. Tahaka ny inona ny harerahako. Nandeha teny an-dàlana izahay. Zoma. Olona marobe manodidina. Mifaly avokoa ny olon-drehetra! Dia matahotra mafy aho! Nefa satria aho niaraka tamin'i Cesar, tsy ho vitako ny hitomany sy hampiseho ny tahotro! Be herim-po aho, amin'ny taonako 19 dia nanana herim-po nanaovana izao aho, irery )
Farany dia hitanay ilay hotely, nefa hay tsy nisy fandriana malalaka ho ahy. Natolotr'i Cesar ho ahy ny fandriany dia nanao ladina an-tany izy… Tohina tamin'ny fahatsaram-panahiny aho. Nefa mbola natahotra ihany…
Araka ireo lalànan'ny fandaharam-pianarana Asa sy Fitetezam-paritra, ireo mpandray anjara dia tsy maintsy manana tolotr'asa mialoha avy amina mpampiasa Amerikana izay vao afaka mandeha any Etazonia. Nefa indraindray, noho ireo antony samihafa, very ny asan'ireo mpianatra tamin'ny voalohany ka tsy maintsy asa vaovao izy ireo, izay tsy mora velively. Indro ny nosoratan'ny mpitoraka blaogy taksosvova, mpaka sary manam-pahaizana iray hafa, momba ny fiainana any an-tanànan'i New York:
Сегодня с утра я поехал менять оставшиеся русские рубли… За 1800 рублей я получил $42. Теперь у меня хватит денег на безлимитную MetroCard на одну неделю. А метро для большого города – это все. Представляете, сегодня я сытый. Никогда не думал, что так буду радоваться еде. Нашел дешевое китайское кафе, где за $4.50 получаешь тарелку пластиковую, разделенную на 5 секций, в них можно положить любое блюдо. Я поел салат, яишницу, мясо и еще какие-то приколюхи. Потом сидел и получал удовольствие от заполненного желудка.
…кажется, что даже бомжи и бичи в НЙ никогда не унывают. Ходят веселые…сегодня вот в поезде чувак лет 50 ходил и просил денег. Я тоже неунывающий русский безработный. Продолжаю писать письма, заполнять анкеты, звонить…
…Toa tsy very fanantenana mihitsy na ireo tsy manan-kialofana any New York aza. Mirenireny an-kafaliana izy ireo… androany, ohatra, nisy lehilahy tokony 50 taona nangataka tany anaty fiaran-dàlam-by. Rosiana tsy an'asa tsy mivaky loha koa aho. Manohy manoratra taratasy aho, mameno ireo fangatahana, manao antso an-tariby…
Toa telo volana dia ampy ho an'ireo tanora ireo hizarana amin'ny tontolo iainana vaovao. Ireo lahatsoratra faramparany avy amin'ireo mpitoraka blaogin'ny Asa sy Fitetezan-tany dia mikasika indrindra ireo olona nifankahita tamin-dry zareo sy ireo traik'efa azo. Ilay mpitoraka blaogy YesNo avy any Novosibirsk dia manoratra ity [RUS] momba ny asany ao Walmart any Pittsburg, Pennsylvania, sy ireo mpiara-miasa aminy:
Я проработала только 3 недели…Уже привыкла и к самой работе, и к людям. Первую неделю каждый, с кем я работаю казался мне целой историей, … а теперь они мне кажутся обычными людьми. И мы говорим с ними на обычные темы, делаем обычные вещи. […]
В нашей команде работает около 20 человек. Конечно, рассказывть о каждом глупая и скучная затея. Но есть те, о которых я буду вспоминать и я знаю об этом уже сейчас.
[…]
Mike. … Когда он узнал, что мы … русские, у него тут же возникло целая куча вопросов: можно ли пить водку по утрам? какое у нас традиционное блюдо? холодно ли в Сибири? есть ли у нас черные? правда, что у нас плохие тюрьмы?… Но что самое хорошее в нем, так это то, что он не только спрашивает и выслушивает ответы, но и рассказывает мне об Америке. Точнее о Питтсбурге. Например, где самые лучшие пиццерии, в каком районе живут самые добрые люди, какое пиво самое вкусное и тому подобное…
[…]
Misy olona 20 ao amin'ny ekipanay. Mazava ho azy fa mandreraka sady manahirana ny hiresaka momba azy tsirairay. Nefa misy ireo olona tsy hohadinoiko, ary efa fantatro izany.
[…]
Mike… Raha vao fantany fa… Rosiana izahay, nanana fanontaniana maro ho anay izy: Mety ve ny misotro vodka amin'ny maraina? Inona no sakafo nentin-drazanay? Mangatsiaka ve any Siberia? Misy olona mainty hoditra ve any aminay? Marina ve fa ratsy ireo fonjanay? … Nefa ny tena tiako aminy dia tsy vitan'ny manontany sy mihaino izy, fa mitantara amiko momba an'i Amerika ihany koa. Indrindra momba an'i Pittsburgh. Ohatra hoe, aiza no misy ny toerana fihinana pizza tsara indrindra, faritra aiza no ahitàna olona mahafinaritra indrindra, inona no labiera tsara indrindra, sns.
[…]
Maro ireo mpitoraka blaogy no manasongadina fa ity fandaharam-pianarana ity ho azy ireo dia, indrindra indrindra, fanararaotana hahazoana traikefa, fhetseham-po sy hevi-baovao. Ekaterina Bayutina avy any Lugansk dia nanoratra ity [RUS] tamin'izy niverina tany Ukraine:
Прилетев в Украину и поразмышляв над всем случившимся, я поняла, что США – та страна, где такие студенты, как мы с вами, становятся взрослей на пару лет после пройдённых трудностей, становятся самостоятельней и сильней. В памяти остаются самые тёплые и яркие моменты, увиденное ещё долго будет сниться чудесными картинками, а приобретённый опыт всегда пригодиться в жизни.