India: Fanarahamaso ny fandikàna lalàm-pifamoivoizana amin'ny alalan'ny Facebook

Ny Lalao Commonwealth hatao ao Delhi atsy ho atsy dia eritreretina hitondra zavatra maro ho an'ny tanàna: mpanao fanatanjahan-tena, mpizaha tany ary ny tsy mahafaly loatra dia ny fitohanan'ny fiara. Mba hifehezana kokoa ny zava-misy, ny Mpitandro ny Fifamoivoizana any Delhi (DTP) dia nanomboka nampiasa  Facebook mba hanangonana vaovao momba ireo tsy fanarahana ny lalàm-pifamoivoizana. Nisy akony lehibe teo anivon'ny  haino aman-jery fototra, ny mpampiasa ny valan-tserasera ary ny olona amin'ny ankapobeny any India ilay tetik'asa.

Ny nanintona indrindra amin'ny ampiasan'ny DTP ny Facebook dia azo lazaina hoe noho izy iray amin'ny fanapahan-kevitry ny fitondrana saro-tadiavina hampiasa zavatra toy izao any India. Miparitaka any amin'ny fiaraha-monina Indiana ny kolikoly, manomboka any amin'ireo mpitandro fifamoivoizana mangataka 100 Roupies hatramin'ireo fisolokiana vola an'arivo tapitrisany maro. Eritreretina ho mpanao kolikoly ny governemanta sy ireo mpikambana ao aminy, ary ambany dia ambany ny fahafahan'ireo olom-pirenena mifehy ny governemanta. Saika tsy misy intsony ny fangaraharàna any amin'ireo sampan'ny governemanta, ary matetika dia aboraka ny mombamomba ireo mijoro vavolombelona mahita kolikoly, izay mamela azy ireny ho tratran'ny fandrahonana ary mety ho faty mihitsy aza. Vao haingana teo izao no nisy mafana fo tao amin'ny mpitaky ny zo hanome/hahalala vaovao novonoina. Mandray anjara amin'ny fanaotsaronana ny marina ny sampan-draharaham-panjakana amin'ny tsy famaliana ny olan'ireo olom-pirenena fa mitahiry ny fomba fiasany ho tsiambaratelo, ka mampijalijaly ireo izay mahasahy miady amin'ny kolikoly. Amina tontolo iainana toa izany, na inona na inona fomba ampiasaina hanatsarana ny fiaraha-miasan'ny olom-pirenena anjara amin'ny governemanta dia tsy maintsy hisy fiantraikany izany.

Ny fepetra noraisin'ny DTP dia mikendry ny hanampy ny fitandroana fifamoivoizana mandritra ireo Lalao Commonwealth ho avy amin'ny alalan'ny fampirisihana ireo olom-pirenena hitatitra ireo olana sy hamoaka ao amin'ny Facebook ireo sary mampiseho tsy fanarahana ny lalàm-pifamoivoizana. Avy eo ny DTP manenjika ireny tsy fanarahan-dalàna ireny. An-jatony maro ireo olona voatàna araka ireo tatitra sy sary, anisan'izany ireo mpitandro filaminana. Manana kaonty Twitter ihany koa ny DTP (@dtptraffic), izay ampiasaina hanomezana fanampim-baovao mivantana tsy an-kiato momba ny fizotry ny fifamoivoizana, sy hampitandremana ny olona ny amin'ny fikatsoana sy fitohanana mbamin'ny lozam-pifamoivoizana.

Tsy ny rehetra no mankasitraka: eo ireo olona sasany manontany ny momba ny maha-ara-dalàna ity fepetra, milaza izany ho ohatra fifampitsikilovan'ireo samy olom-pirenena ireo ary manontany ny mety hisian'ny fanamboamboarana ny sary mivoaka.  Saingy raha jerena ny isan'ireo olona manaraka ny kaontin'ny DTP ao amin'ny Twitter, ‘mitia’ ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ary manoratra lahatsoratra blaogy dia hita ny fahombiazan'ity fepetra ity.

Manararaotra ny fironana amin'ny haino aman-jery sosialy ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny sy ny Sampan'ny Paositra, ka nanokatra ireo kaonty Facebook sy Twitter azy manokana. Ny DTP aloha hatramin'izao dia nametra ny fampiasàny ireo valan-tserasera amin'ny fanamarihana ireo olana mitranga amin'ny fifamoivoizana ihany. Nefa ny fepetran-dry zareo dia manokatra ny làlana hidirana teknolojia bebe kokoa sy fepetra toa izany any aoriana — mety hoe hampiasa ny valan-tserasera mihitsy aza hanaovana tatitra momba ireo kolikoly any amin'ny hery Fitandrovana Fifamoivoizana.

Azo alaina avy amin'ireo tetik'asan'ny fiaraha-monina sivily maro ireo ohatra. RTI India dia vondron-tambajotran-tserasera mitatitra ary miasa amin'ireo olana momba ny kolikoly sy ny zo hahazo vaovao. Praja dia miasa amina tetik'asa ‘Open Data’ miaraka amin'ny Governemantan'i Karnataka mba hametrahana amin'ny aterineto ireo momba ny governemanta ho hitan'ny besinimaro. Kiirti dia sehatra olom-pirenena ‘one-stop’ ahafahan'ny olona mametraka fitarainana momba ireo olana sivika rehetra, ary miketrika ny hamahàna izany. Ny Accountability Initiative dia miasa amin'ny fihetezan'ireo andrim-panjakana, anisan'izany ny fikarohana ara-poto-kevitra, ny famoronana tatitra tsara kalitao kokoa, ary ny fitadiavana fomba hampisehoana ireo tatitra ireo amin'ny vahoaka. Na izany aza dia mbola vitsy ireo tetik'asa amin'ny aterineto vonona hifanandrina amin'ny olan'ny kolikoly sy hanampy ireo olom-pirenena handray anjara mivantana amin'ny governemanta.

Ohatra iray ihany ny fepetran'ny Mpitandro ny Fifamoivoizana any Delhi sy ny lazany, nefa izany dia manasongadina ny filàn'ny vahoaka mifandray amin'ny governemanta sy ny fanirian'izy ireo handray anjara amin'ny famahana ireo olàn'ny olom-pirenena any amin'ireo sehatra miankina amin'ny fanjakàna. Manokatra adihevitra lehibe kokoa mila fotopotorina koa izany: ahoana ny fomba hampasàn'ny governemanta ny teknolojia hitandrovana ny fangaraharàna sy ireo zavatra tokony tohizana lavidavitra kokoa. Ity tranga ity dia tokony hanaitra ireo olonamiasa amin'ny teknolojian'ny aterineto sy ny faherezam-po mba hjery ny fomba hanamoràna ny fandraisan'ny vahoaka anjara amin'ireo sehatry ny governemanta, hahazo vaovao ary hanao tatitra am-pilaminana ireo kolikoly. Tokony hampirisika azy ireo hampivoatra ireo sehatra afaka manampy ireo zavatra ireo koa izany. Miaraka amin'ny fanampian'ny teknolojia, mety hisy dika ny ihany ireo ireo lalàna hentitra miady amin'ny kolikoly any India, lalàna ho an'ny zo hahazo vaovao ary ny eritreritra demokrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.