Andron'ny fahaleovantena nilamindamina ny an'i Pakistana

Raha mahita ny fijaliana rehetra sy ny haizina mandrakotra ny fiainan'ny Pakistane tsotra amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga mihitsy raha nangingina ny andron'ny fahaleovantena (faha 14 Aogositra ) tamin'ity taona ity  ; Nihanona fotsiny tamin'ny zavatra toy ny hoe fampakaran-tsaina araka ny lalàna tamin'ny maraina ny fanehoam-pifaliana matroka sy ireo fotoan-dehiben'ny governemanta.

Namindràna toerana olona  manodidina ny 2 tapitrisa hatramin'izao ny tondra-drano tany Pakistana ary toa tsy hisy fijanonana mihitsy ny fanehoan-kery matanjaka ataon'ny zava-boahary. Misy rotsak'orana amin'izao fotoana izao ary misy tondra-drano hafa manakaiky  indray hanampy ny efa fijalian'ny Pakistane manerana ny firenena .

Sainam-pirenena Pakistane. Sary nalain'ny mpampiasa Flickr takebackpakistan. CC BY-NC-ND

Nampiasa fomba maro ireo mpitoraka bilaogy hanehoana ireo fihetseham-pony ho an'ny tanindrazany. Manamarika ireo fahombiazan'i Pakistana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Farrukh Zafar, mpitoraka bilaogy avy any Karachi :

Isaky ny Pakistane 40 , 39 no mitaraina amin'izao fotoana izao mikasika ny lalàna ratsin'i Pakistana sy ny fandaminana ny zava-misy, ny fahapotehana noho ny tondra-drano, ny fianjeran'ny fiaramanidina, ireo haavon'ny tsy fahaizan'ireo mpanao politikany, ireo hetsika tsy misy henatra mihitsy ataon'ny Filoha, ny fitontongan'ny fahavitrihan'ny ekipa mpanao cricket any Pakistana sy ny maro hafa . FA TSY ISAN'IZANY AHO .

…Ary dia tonga ny volana Aogositra ka ekipa iray avy amin'ny Lahore Grammar School (LGS) 55-Main Gulberg, fantatra kokoa amin'ny hoe LGS Kabana avy any Pakistana, no nandresy tamin'ny Fifaninanana NASA-affiliated Space Settlement Design natao tany Etazonian'i Amerika ! …

Misimisy kokoa ao amin'ny : ‘Efa niteny anao aho ny hanajanao an'i Pakistana

Manoratra ao amin'ny blaoginy i Xainab ao anaty rakitsorany mampalahelo kely, mikasika ny antony niovan'ny fankalazany ny andron'ny fahaleovantena:

Ahoana ary no hahafahantsika hankalaza ny fahaleovantena, manontany tena aho, raha tsy nisy na inona na inona nataontsika hahamendrika izany antsika ? Ahoana no hahafahantsika mifaly eo amin'ny tanindrazantsika raha miseho amintsika simba sy potika izy? Ahoana no hahafahantsika mifampiarahaba amin'izany raha toa ka Pakistane matin-kambo fotsiny isika ? Ahoana isika no ho afaka handeha hijery  hazavana nefa ny manodidina antsika toa tsy misy na inona na inona afa-tsy haizina? Ahoana no hahafahantsika hihirahira sy ho faly raha miaina ao anatin'ny tahotra lalandava isika noho ny loza ara-boajanahary mbola ho avy ?

Raha ny resaka mikasika ny fanantenana sy ny firaisan-kina amin'ity andron'ny fahaleovantena ity, manoratra ao amin'ny Pro-Pakistana.com i Sakina Younis :

Andao hanao izay tena faran'izay vitantsika ary hoporofointsika amin'izao tontolo izao fa tena taranaka marina avy amin'ny olona izay mahalala tsara ireo soatoavina avy amin'ny fihafiana, fanantenana, firahalahiana sy firaisan-kina, isika. Pakistane isika, miaina eo ambonina tany iray ary teraka tao anatin'ny finoana sy ny fijoroana amin'ny teny nomena. Ho antsika dia tsy fomba fijery vaovao ny hoe tolona .

Misimisy kokoa ao amin'ny : Yaum-e-Azadi 2010

Tsy hanampy ny fahakiviana sy ireo olana mahazo ny ankamaroan'ireo Pakistane ny hevitra ao ambadik'ity lahatsoratra ity. Hanamarika kokoa ireo olana rehetra manodidina ny Pakistane iray no tena hevitra, mbola matanjaka tsara ity firenena ity ahafahana miarina indray. Mbola manana fanantenana ny vahoaka . Mbola manana finoana ao anatiny ireo vahoaka. Nitsangana foana ary mbola hitsangana ihany koa izy ireo manoloana ity loza ara-boajanahary manjo ny firenena ity .

Tanin'ny tsy misy pentina indrindra i Pakistana , raha toa fotsiny ka tantanana sy entina araka ny tokony ho izy izy, tokony ho tsaratsara kokoa sy ho feno hafaliana kokoa ny andron'ny fahaleovantenantsika !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.