Roanda: Miresaka momba ny fifidianana filoham-pirenena 2010 ireo mpitoraka blaogy

Natao tany Roanda tamin'ny 09 Aogositra 2010 lasa teo ny fifidianana filoham-pirenena Roandey . Mampibaribary ny fandresen’ ny Filoha Kagame ny santatry ny voka-pifidianana navoakan'ny Komity Nasionaly misahana ny Fifidianana.

Midika inona ho an'i Roanda ny fandresen'i Kagame ? Tamin'ny fomba nalalaka sy nadio ve iny fifidianana iny? Inona izao ireo zavatra tsy maintsy atrehan'i Roanda amin'izao fotoana izao raha vita iny ny fifidianana ? Ireo no lohahevitra sasany izay resahan'ireo mpitoraka bilaogy taorian'ny famoahana ireo santatry ny valim-pifidianana.

Milaza i Susan Thomson avy ao amin'ny Democracy Watch Rwanda 2010 fa tsy mahagaga intsony ny fahalanian'i Kagame tamin'ny fifidianana satria nampanginina ny mpanohitra:

Araka ny efa naminavinan'ireo namana sy ireo fahavalony, lany tamin'ny isa mazava be i Paul Kagame . Tsy mahagaga izany satria nampanginina ny mpanohitra. Milaza ny mpandinika sasany fa noho ny tsy namelàn'i Kagame, sy ny RPF miaraka aminy, ireo mpanohitra mba hisoratra anarana ho isan'ireo antoko ara-politika ara-dalàna,  ny ankamaroan'ny krizy atrehan'i Roanda dia ny fahosan'ny mpanohitra ara-politika. Tsy noheveriko hisy heviny lehibe izany satria kely ny vintana hisian'ny famindram-pahefana politika hatao amin'ny fomba demokratika. Nizarazara ny mpanohitra, tsy manana drafitra mazava na sehatr'asa miavaka, sady toa kely tohana avy amin'ireo andrarezina sy ireo tambanivohitra mitovy aminy (mbola tsy fantatsika izany aloha hatreto satria tsy mbola nisy nanontany ireo Roande ny hevitr'izy ireo mikasika izany ).

Miankina amin'ny ady  fahefana eo anivon'ireo antoko politika mitondra , the Rwandan Patriotic Front (RPF), ny tena ady atrehina marina ho an'i Roanda , hoy i Susan miaro ny heviny :

Ny tena resaka amin'izao fahavitan'ny fifidianana izao dia ny fahamaikana hiady fahefana ao anivon'ny RPF mpitantana. Tsy nahemotra mihitsy izany na inona antony na inona. Amin'ny ampahany ihany, azoko antoka, satria mbola mila manontany mivantana amin'ireo mpandray anjara fototra, ireo akademisiana mpandalina sy ny mpanao gazety. Isika dia miasa miaraka amin'ny resadresaka mivantana an-gazety, ary ny fihetsik'i Kagame amin'ireto fanomezana nataony ho an'ny vahoaka tamin'ireo lahateniny nandritra ny fampielezan-keviny sy nandritra ireo fihaonany tamin'ny mpanao gazety tany Kigali isam-bolana .

Ny zavatra tena fantatsika aloha dia nanohy nanamafy ny fahefana eo am-pelatanany ny RPF hatramin'ny nandraisany izany tamin'ny 1994. Tsy haintsika ireo hevitra ara-politika na ny fahefana fototr'ireo  izay niaraka petsa amin'i Kagame.

Ny nanilihan'i Kagame ireo miaramila manana ny maha-izy azy tao amin'ny RPF aloha no tena misongadina. Anisan'izany ireo miaramila tranainy maromaro izay niaraka tamin'i Kagame tany anaty akata, ary nandray anjara tsy am-pisalasalana tamin'ny namoronana ny RPF, mpihoko fahizany. Tafiditra ao anatin'izany, ankoatr'ireo hafa sasany, ny Jeneraly Sam Kaka sy ny Jeneraly Frank Rusagara. Tamin'ny 2001, tompon’ andraikitra niaraka tamin'i Kagame ihany koa ny Jeneraly Kayumba Nyamwasa, ary tamin'ny taona 2005, nogadraina ny lehiben'ny Fitsikilovana Ivelany, ny Kolonely Patrick Karegeya noho ny fanenjehana azy ho  tsy mandray baiko .

Fantatry ny olon-drehetra izany . Tonga tamin'ny fara-tampony ny fisamatsamahana tao amin'ny  RPF raha nitsoaka nanao sesitany tany Afrika Atsimo ny Jeneraly Kayumba. Fanampin'izany, nogadraina koa ireo jeneraly roa hafa (Karake sy Muhire) , nampangaina ho atidoha nikotrika ireo fanafihana tamin'ny grenady izay niseho tamin'ny lohataona . Fehiny, nitsoaka nanao sesitany na nogadraina ny ankamaroan'ireo lohandohany miaramila tranainy RPF tamin'ny taona 1994 (vitsy no nandeha nisotro ronono ary nesorina tamin'ireo andraikiny)  .

Efa nampoizina ny valim-pifidianana. Ny fanontaniana izao dia hoe hoatrinona no azon'i Kagame tamin'izany:

Tsy misy resaka mikasika ny hoe iza no mety handresy amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010 eo amin'ireo Roande any Roanda  sy ireo sakana vahiny raha nandeha namakivaky ireo faritany atsinanana izahay omaly tolakandro. Nanomboka ny filokàna raha nandalo ireo biraom-pifidianana efa nihidy izahay . Firy  no mety ho azon'ny Filoha Paul Kagame tamin'izany ?
Taorian'ny tamin'ny 5 ora hariva , nandre ny santatry ny valim-pifidianna telo avy amina biraom-pifidianana telo samihafa izahay. Mametraka ny fandresena eo amin'ny 96 % eo ho eo, ny marimaritra iraisana tao anaty fiara. Tena ekeko, manome 90% aho fa noho ny antony pragmatika ihany no andresen'i Kagame . Raha ny fahazoako azy, ary miangavy aho mba ahitsio raha diso, mila ny 5%n'ny fifidianana ireo antoko mpanohitra tsirairay raha te hanohy hahazo amin'ny kitapom-bolan'ny governemanta hanohizany ny mari-pisiany .
Raha marina ny santatry ny valim-pifidianana fa 93% lasan'i Kagame, tsy hitako loatra  ny ho dikan'izany ho an'ireo mpanohitra raha araka ny zava-misy .
Raha ny santatry ny valim-pifidianana navoakan'ny Komity Nasionaly misahana ny Fifidianana, nandresy tamin'ny 92.9 isan-jato ny Filoha Kagame. Nahazo 4.9% ny kandidà PSD Dr. Jean Damascene Ntawukuriryayo, 1.5¨% ho an'i Prosper Higiro avy amin'ny antoko Liberal (PL) ary 0.7% ho an'ny kandidà PPC, Dr Alvera Mukabaramba 0.7 %. link

Mitodika amin'ireo resaka tsy voatatitra mikasika ny fifidianana i Graham Holliday. Ny fotoam-pampielezan-kevitra no anombohany azy :

Fotoam-pampielezan-kevitra
Be dia be ny vahoaka tamin'ny fihaonana tamin'ny fampielezan-kevitra RPF . Karazana mpihaino telo no tanjon'ity fanehoan-kery ity . Ho an'ireo Roande, maneho ny hery sy ny lazan'ny RPF izany. Ho an'ireo vahiny mpanaramaso , tantara an-tsehatra mahafinaritra nataon'ny PR ho an'ireo antokon'ny fitondrana izany. Fanampin'izany, ary ny tena zava-dehibe raha ny fahitan'ny loharanom-baovao diplomatika tandrefana azy, naroso ho an'ireo ” mpifanandrina amin'i Roanda izay any ivelan'i Roanda” ity fampisehoana mahatsikaiky ho  fanohanana ity ”.

Ary tohizany ny resaka amin'izay antsoiny hoe “Rava ny masinina PR ao Roanda  ” :

Tsy ela loatra taorian'ny faran'ny taona 2009 raha tafaresaka tamiko ny tale-na ONG tandrefana (Fikambanana Tsy Miankina amin'ny fanjakana) iray momba ny fihodinana tsy mampinon'ny milina PR ao Roanda  “Fomba ahoana no ataon-dry zareo hanamoriana am-pahatokisana toy izao ny sambony, hoy izy nanontany. Hay, nahita ny faharendrehan'izany sambo izany ny taona 2010 . Tsy mazava izany raha ampy hanajanona ny onjan'ny fanaratsiana an-gazety ny fitambaran'ny ankamaroan'ny fahaiza-manaon ‘ireo matihanina, farafaharatsiny mandritry ny fotoana fohy. Ahoana no nisehoan'izany ary ny nisehoan'izany tao anatin'ny fotoana fohy”

Fanafihana amin'ny grenady, fitsoahana, famonoan'olona, ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ary ny famaizana ny antoko mpanohitra … ireo izany no mandrakotra lalandava ny ankabetsahan'ny tantaran'i Roanda. Tsy misy porofo ( raha ny fahalalahako azy) izay mampifandray an'ireo tranga ireo, nefa ny fandikan'ireo haino aman-jery tandrefana matetika dia mamela ireo mpamaky hihevitra fa misy ifandraisana ireo tranga sasany ireo ary misy ifandraisany amin'ny governemanta.

Ohatra, ny fitantarana iaraha-mahalala mikasika ny fampihantonana ny gazety Umuseso sy Umuvugizi mandritry ny enim-bolana dia  zavatra ratsy. Na izany aza, nisy nilaza tamiko ary itokisako fa nanamboatra foana tantara feno sy namorona  fitanisana  na ny Umuseso na ny Umuvugizi. Azo antoka, tena henjana mihitsy ny fandraràna mandritry ny 6 volana, fa mazava koa nefa fa tsy matihanina mihitsy ireo gazety ireo .

Tranga hafa iray ny an’ i Victoire Ingabire ao amin'ny antoko FDU-Inkingi Party izay tsy nahazo alalana ny hisoratra anarana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Notanana am-ponja izy ary nesorina taminy ny pasipaorony. Matetika ny fanehoan-kevitry ny haino aman-jery tandrefana no maneho izany ho fanakanan-dalana miharihary fa tsy mijery ireo zava-misy maro mety manimba zavatra. Nandà ny hilaza ampahibemaso ny fomba nahazoan'ny antokony vola i Ingabire ary Filohan'ny karazan'antoko-na zanaka ampielezana mampiahiahy anankiroa any Roanda ihany koa izy – ny RDR sy ny FDU.

Misy lesoka be dia be ny fifidianana ary nizarazara ny firenena . Mandroso sa mihemotra i Roanda ?:

Na izany na tsy izany, hita fa efa tototr'ireo fandikan-dalàna fototra amin'ny fitsipika ara-demokratika ny fifidianana, tena mahasosotra sy mahatohina ny mahita fa mbola tsy mahita marina loatra ny haino aman-jery iraisam-pirenena sasany raha mandroso na mihemotra i Roanda.

Nandrafitra sary novolivolena i Paul Kagame izay saika tsy misy azo kianina mihitsy hoy i Nkunda:

Namboly karazan-tsary izay saika tsy misy azo kianina mihitsy i Paul Kagame . Amin'ny lafiny iray, tompon'andraikitra amin'ny fanaovana kolikoly ny demokrasy ity sary ity. Mpanao gazety maro avy amin'ny tany miteny anglisy sy mpanoratra maro izay tonga voalohany tany Roanda no nanao toy izany teo ambany fiarovan'ny RPF. Tompon'andraikitry ny haino aman-jery / PR foana i Kagame hatramin'izay (sy hatramin'izao) . Fantany hatrany am-boalohany fa tsy handresy ny ady mihitsy izy raha tsy misy ny fanampiana avy amin'ireo. Nentina tamin'ireo toerana saro-pady nitrangana heloka bevava ratsy indrindra ireo mpanao gazety, ka nomena ireo dika notsotsorina sy narovana tamin'ny tantara Roande – izay manome voninahitra ny tafika Tutsi raha nanapotika ireo mpifanandrina taminy izy ireo .

Raha ny fahitan'i Nkunda izany, heloka bevava ny fiadian-kevitra momba ny “dika voaaro ” amin'ny tantara Roande :

Ao anatin'io tantara io, mpamono olona fahatany ny ankamaroan'ireo Hutu izay ( tsy amin'antony) nivadika tamin'ireo Tutsi mpiray vody rindrina taminy tsy manan-tsiny ka namono azy ireo nandritra ny 100 andro. Ny RPF no tafika niady hanajanona izany vono-olona izany. 16 taona taty aoriana, mbola miparitaka ihany ity tantara ity , ary ampiasaina hanamarina ny fanjakan'olon-tokana ataon'i Kagame sy hanakonana izay mety ho fanakianana .

Zva-dehibe ny ampahatsiahivana fa maro ireo fanontaniana manan-danja nipoitra ny amin'izay tena fahamarinan'ny tantara. Mipetraka ho heloka bevava any Roanda ny filazana mifanohitra amin'ilay tantara . Voararan'ny lalàna ohatra ny manontany ny mikasika ny famonoana ny Filoha Habyarimana , ny manamafy (na dia hita mibaribary aza ny zava-misy ) fa voarohirohy ao anatin'ny heloka bevava goavana amin'ny maha-olombelona ny RPF . Tsy mila tenenina intsony, fa  tombontsoan'i Kagame sy ireo manam-pahaizana RPF raha arovana sy omena lanjany izany tantara izany .

Tsy lazaina intsony izany fa mpifanandrina lehibe amin'ny rafi-pitantanana RPF izay rehetra sahy milaza fa diso io tantara io na manontany ny mikasika izany .

Notanterahana tao anatin'ny tranga feno tsy fitoniana ny  fifidianana Roande , hoy i Will Jones nandinika:

*Betsaka ireo mpanohitra no potika : nogadraina i Victoire Ingabire (tadidy izy ?) , ary notendrena hiaro azy ny mpisolo vava mpandalina Kanadiana Peter Erlinder nefa dia nogadraina tampoka koa. Jereo eto raha mila ny fifandraisana mahaliana amin'ny Kanadiana sy ny fandàvana vono-olona. Manampy ny feony matotra amin'ny adihevitra ihany koa izy eto ( amoron-tevana? omeo fotoana kely aho hakàna aina ). Rava noho ny ady an-trano ny antoko hafa (ambara ihany koa fa vokatry ny fitsabahan'ny RPF ). Nitondra tamin-kerim-po ireo fihaonana roa ny mpanohitra voasoratra anarana ara-dalàna, nefa nilaza ny rehetra fa tsy maintsy hifidy an'i Kagame ihany izy ireo raha nahita an'i Kigaliwire nandeha tamin'ny fihaonan'ny antoko Liberaly .
*Maty ny olona: hita teny amoron-drano i Andre Kagwa Rwisekera, solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko Democratic Green Party, ary zara raha nisy kely nihazona tsy ho tapaka sisa ny lohany. Maty nisy nitifitra teo anoloan'ny tranony any Kigali i Jean Leonard Rugambage, mpanoratra mavitrika ao amin'ny gazety naato Umuvuguzi. Manome tsiny ireo mpanohitra vahiny toy ny efa fanaony mahazatra azy i Paul Kagame .
* Fahafaharatsiny dia iray hafa aloha no tsara vintana tsy maty : i Faustin Kayumba Nyamwas,  Jeneraly teo aloha  izay voatifitra teo akaikin'ny tranony tany Johannesburg . Nitoraka bilaogy kely mikasika an'i Kayumba aho teo aloha teo, fa naleoko andrasana ho an'ireo lahatsoratra feno ireo tsikera mikasika izany sy ireo vono-olona hafa .
* Miantso an-karihary ho amin'ny herisetra amin'izao fotoana izao i Patrick Karegyeya  mpikambana fahiny tao amin'ny RPF taloha ary mpanohitra any an-tsesitany ankehitriny. Tsy ampy araka izay nandrasana ny valintenin'i Kagame : ‘ ho an'ireo izay mila ady, omenay ady izy ireo ‘ ‘

Mijery ireo tatitra iraisam-pirenena ihany koa mikasika ny fifidianana Roande izy :

Na izany aza, ary ny mahagaga, hafa mihitsy ny tatitra iraisam-pirenena. Hanombohana azy, tokana tena tsara ny tatitry ny The Guardian (voninahitra ho an'i Gavin Illsley noho ny fanehoana ity tantara mendrika mikasika ny orinasa PR tandrefana any Roanda ity ) sady amin'ny antsipiriany, izay vaovao rahateo . Amin'ny ankapobeny, na izany aza, misy feona-tsikera ho an'ny asa fanaovan-gazety avy amin'ny fanaovan-gazety iraisam-pirenena izay tena vaovao tanteraka ( jereo ny New York Times, ny Huffington Post, ny Observer, ary ny Mail sy ny Guardian ho amin'ny antsipirihany ). Betsaka kokoa mikasika ny antony mahatonga ireo fiodinana  ho fandresen-dahatra avy amin'ny iraisam-pirenena tsy tafita no ao anatin'ireo lahatsoratra izay nivoaka farany, fa hanombohana azy aloha, tokony hijery ireo karazana blaogy vaovao mpanakiana sahisahy izay any ivelany isika , toy ny Democracy Watch, Coloured Opinions, sy ny Texas any Afrika (misongadina manokana ity iray ity ).

Hevitra lehibe farany: maneho ilay manam-pahaizana Jason Stearns fa any Roanda , toy ny amin'ny toerana maro, fialamboly avy amin'ireo mpanao politika ny fifidianana, fa tsy ny fifidianana araka ny tena heviny mihitsy .

Farany , raha ny fahitan'i Will Jones azy, ity no tena zava-dehibe indrindra amin'ireo vaovao rehetra mikasika an'i Roanda : manana ny toerana voalohany tsara indrindra (toeram-pivoriana vita amin'y ranomandry) i Roanda !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.