Maraoka: “Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky”

Ao anatin'ny tontolo rakotry ny fivoaran'ny teknolojia, sady efa mihamora  sy miha-mora vidy ny famakiana e-boky sy antontan-boky, mety mbola ambin-toerana ve ho an'ireo boky nosoratana fahiny? Ho an'ireo mpitoraka bilaogy Maraokana sasany, ny valinteny dia eny, ary eo ny teknolojia hanaporofo fa marina izany .

Hevitra nalefan'ireo mpitoraka bilaogy amin'ny aterineto roa herinandro lasa izay, ny Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky mba ho sehatra ifampitorahana bilaogy [Ar] sy mba ho pejin'ny Facebook ho an'ny besinimaro [Ar], izay anasana ireo mpitsidika hizara ireo traikefany amin'ny famakiam-bokiny :

العادة جرت أن يكون الصيف مع الأصدقاء والأهل أكثر فأكثر .. ونادرا ما يكون مع كتاب نطالعه، رغم أننا يمكن أن نكون معهما معا ..
طيب، ما رأيكم أن يكون صيفنا المقــبل مع الكتاب، حتى نشجع بعضنا البعض على القراءة ولاداعي لأن أذكر إيجابياتها. ولهذا الغرض قمنا بإنشاء هذه المدونة لكي ننشر فيها ملخصك حول ما استـفدته أو ما تعلمته من الكتاب الذي قرأته
Mahazatra antsika matetika ny mandany ny fotoam-pialan-tsasatsika miaraka amin'ireo namana sy ny fianakaviana ary tsy dia miaraka loatra amin'ny boky tsara, nefa isika afaka mampiaraka izany tsara .
Eny ary, ahoana ary raha mba laniantsika amin'ny famakiam-boky ny fotoam-pialan-tsasatsika amin'ity indray mitoraka ity, amin'izay isika afaka mifanohana mba hamaky boky bebe kokoa. Tsy ilaina intsony ny mampatsiahy antsika ireo tombontsoa rehetra azo avy amin'ny famakiam-boky. Ho amin'izay tanjona izay, nanamboatra ity bilaogy ity izahay mba hanitarana ny sainao mikasika ny zavatra azonao notsoahina ao amin'ilay boky izay natoronao .

Fotoam-pialan-tsasatra miaraka amin'ny boky

Nanomboka “meme” vaovao tamin'ity herinandro ity i Marrokia, mpitoraka bilaogy [Ar] sady mpiara-manangana tamin'ny hevitra . Nanasa ireo mpitoraka bilaogy namany izy mba hizara ireo vaky boky tiany ary manontany azy ireo …

ما هي كتب الطفولة التي بقيت عالقة في ذاكرتك؟
مَنْ هم أهم الكتاب الذين قرأتَ لهم ؟
من هم الكتاب الذين قررت ألا تقرأ لهم مجددا؟
في صحراء قاحلة ، أي الكتب تحمل معك؟
من هو الكاتب الذي لم تقرأ له أبدا ، وتتمنى قراءة كتبه ؟
ما هي قائمة كتبك المفضلة ؟
ما هي الكتب التي تقرؤها الآن ؟
.أرسل الدعوة لأربعة مدونين من أجل مشاركتنا بذكرياتهم مع القراءة
Inona avy ireo boky mbola tadidinao tamin'ny fahazazanao ?
Iza no mpanoratra tianao indrindra ?
Iza no mpanoratra izay tsy ho vakianao intsony ny asa-sorany ?
Inona avy ireo boky izay ho entinao miaraka aminao raha tsy maintsy hatoka-monina any amin'ny tany efitra ianao ?
Iza no mpanoratra izay mbola tsy novakianao nefa tsapanao fa ilainao ny mamaky ny asany ?
Inona avy ireo boky tena tianao ?
Inona ny boky vakianao amin'izao fotoana izao ?
Alefao amin'ny mpitoraka bilaogy efatra ny fanasana ary asao izy ireo hizara ireo traikefany amin'ny vaky boky ho an'ny tsirairay .

Manomboka mahazo olona ny valin'ity hevitra ity . Ity manaraka ity ny fehin'ireo valinteny sasany nalaina an-tsapaka avy amin'ny tontolon'ny bilaogy .

Ireo boky tsaroana tamin'ny fahazazana

Avy amin’ i Najat [Ar]

آليس في بلاد العجائب، رحلة إلى باطن الأرض…

Avy amin'i Young Thoughts [Ar]:

نبيل فاروق حيث قرأت تقريبا أغلب قصص سلسلة رجل المستحيل وسلسلة زهور ايضا اذكر قصص تاريخية للكاتب جرجي زيدان

Nabil Farouk, mpanoratra izay novakiako ny ankamaroan'ireo tantara avy amin'ny horonan-tsary mihetsika mitohy The Man of the Impossible, sy Ireo Voninkazo . Efa zatra mamaky ireo tantara ara-tantara nosoratan'ny mpanoratra Georgy Zeidan aho.

Avy amin'i Marrokia:

قصص محمد عطية الأبراشي ، قصص جحا ، ولن أنسى أبدا كتاب كليلة ودمنة

Bokin-tantara nosoratan'i Mohamed Attia Abrashi, tantara fohy mikasika an'i Juha ary mazava ho azy ireo Anganon'i Kalila sy i Dimna.

Ireo mpanoratra tiana indrindra

Avy amin'i Young Thoughts:

نجيب محفوظ احسان عبد القدوس توفيق الحكيم عائض القرني

Avy amin'i Fouad [Ar]:

نجيب محفوظ، توفيق الحكيم و محمود السعدني بالإضافة إلى زكرياء تامر، يحيى حقي، مبارك ربيع، نبيل فاروق، عفيف عبد الفتاح طباره …. و لا أنسى أحد المساهمين في تغيير حياتي عائض القرني ♥
Naguib Mahfouz, Tawfiq el-Hakim, Mahmud al-Saadani, manampy an'i Zakaria Tamer, Yahya Haqqi, Mubarak Rabi’, Nabil Farouk, Afif Abdelfattah Tabarah ary farany fa tsy kely indrindra, ny mpanoratra izay nanova ny fiainako , Aed el-Qarni.

Avy amin'i Marrokia:

عبد الكريم غلاب
نجيب محفوظ
الجاحظ
عبد المجيد بن جلون

Ireo mpanoratra izay tsy ho vakianao intsony ny bokiny

Avy amin'i Abeer [Ar]:

نجيب محفوظ

Avy amin'i Khaled [Ar]:

عمرو خالد

Avy amin'i Fouad:

محمد شكري ( توفي سنة 2003 ) قرأت له الخبز الحافي و الخيمة بصراحة لا أعرف سبب كرهي لهما

Mohamed Choukri izay maty tamin'ny 2003. Namaky ny bokiny For Bread Alone aho sy ny The Tent ary dia mbola tsy azoko mihitsy hoe fa maninona no halako izy ireo .

Ireo boky izay ho entinao raha hatoka-monina any amin'ny tany efitra ianao

Avy amin'i Mohamed:

لم أزر الصحراء يوما ^_^
إن زرتها سآخذ معي iPad أو Kindle، وأريّح نفسي من حمل الأثقال الورقية

Mbola tsy tany amin'ny tany efitra mihitsy aho aloha, fa raha tsy maintsy mankany aho, dia hitondra iPad na Kindle ary hiezaka ny tsy hitondra taratasy be mavesatra .

Avy amin'i Marrokia:

القرآن الكريم
نور اليقين في سيرة سيد المرسلين
Ny Korano
Noor al Yaqeen (Boky mikasika ny fiainan'ny mpaminany Mohameda sy ny fomba fanaony )

Ireo mpanoratra mbola tsy novakianao mihitsy ny asany nefa tsapanao fa mila mamaky ireo asany ianao

Avy amin'i Abdelhamid [Ar]:

يوسف إدريس
يوسف السباعي …

Yusuf Idris sy Youssef El Sebai.

Avy amin'i Marrokia:

أحلام مستغانمي
يوسف زيدان
باولو كويلهو
جابرييل جارسيا ماركيز

Ny lisitr'ireo boky tianao

Avy amin'i Said [Ar]:

جميع مؤلفات عبد الله العروي التي قرأت.
حوار التواصل للمهدي المنجرة.
رواية “صبوة في خريف العمر” لحسن أوريد.
رواية “دفنا الماضي” لعبد الكريم غلاب.
رواية “ثرثرة فوق النيل” لنجيب محفوظ
[…]

Ireo boky rehetra nosoratan'i Abdallah Laroui
Mahdi Elmandjra sy ny Communication Dialog
A Romance in a Life's Dawn nosoratan'i Hassan Aourid
Dafna al-Madi (Ny fandevenana ny lasa ) nosoratan'i Abdelkrim Ghellab
Mirenireny eny amoron-dranon'i Nilnosoratan'i Naguib Mahfouz

Avy amin'i Saad Eddine [Ar]:

شجرة البؤس (رواية – طه حسين)
أحدب نوتردام (فيكتور هيغو)
الدار الكبيرة (محمد ديب)
حدائق النور (امين معلوف)
Ny hazon'ny fitomaniana nosoratan'i Taha Hussein
Ilay lehilahy vokoka an'i Notre-Dame nosoratan'i Victor Hugo
Ilay trano lehibe nosoratan'i Mohammed Dib
Ireo mpiandry ny Jiro nosoratan'i Amin Maalouf

Ireo boky izay vakianao amin'izao fotoana izao

Avy amin'i Hibo [Ar]:

الإنسان وقواه الخفية – كولن ويلسن
الشخصية الساحرة – كريم الشاذلي
نسيان – أحلام مستغانمي
Colin Wilson: Ny olona sy ny ao an-tsainy
Ilay toetra mampiavaka mahafinaritra nosoratan'i Karim al-Shazley
Ny fahatsiarovana ao anatin'ny Nofo nosoratan'i Ahlam Mosteghanemi

Avy amin'i Fouad:

الرمز المفقود “دان براون”

Ilay famantarana very nosoratan'i Dan Brown

Avy amin'i Marrokia:

أوراق لعبد الله العروي
Les voix de Marrakesh, d'Elias Canetti [ny feon'i Marrakesh]

Taratasy nosoratan’ i Abdallah Laroui
Ny feon'i Marrakesh nosoratan'i Elias Canetti

Sary nalain'i Hisham Almiraat hita ao amin'i Flickr ary nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 fahazoan-dalana Generic .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.