Japana: Romana fahiny any amin'ny trano fandroana iraisana Japoney

Inona ny zavatra mampitovy ny kolontsaina roa mifanalavitra ara-potoana sy toerana tahaka an'i Roma fahiny sy Japana amin'izao fotoana?
Mety ho ankamantatra ho an'ny maro izany fanontaniana izany kanefa dia nanome aingam-panahy ilay mpanoratra manga Mari Yamazaki [ja] hamorona ny Thermae Romae (テルマエ・ロマエ), manga voalaza hitarika sokajy iray vaovao – ny manga ‘fandroana’.
Marina tokoa fa ny ‘fandroana’ no valin'izany fanontaniana izany. Ny toerana fandroana iraisana izay sady toerana fifanenana no fandroana mba hanalana ireo sorisory tamin'ny asa nandritra ny tontolo andro no mampifandray an'i Roma fahiny sy Japana ankehitriny sy taloha.

Voafidy ho manga tsara indrindra tamin'ity taona ity ny Manga Taisho (Loka Lehiben'ny tantara an-tsary), manga nosoratana mpankafy ny kolontsaina Italiana sady manam-pahaizana amin'izany, mampisongadina ny tantaran'ny Lucius, mpanao marintranon'ireo fandroana ampiasaim-bahoaka tany Roma fahiny izay, lany aingam-panahy, ka lasa tany amin'ny ho avy tamin'ny fomba tsy mazava, avy any amin'ny taonjato faharoa mialoha ny nahaterahan'i Kristy ka lasa aty amin'i Japana amin'izao fotoana. Tao anatin'ilay boky voalohany nivoaka tamin'ity tantara mitohy ity, lasa tany amina fandroana Japoney mafana iraisana sy spa eny an-kalamanjana izay nahitany ireo olona manana teknolojia mahatalanjona sy mivoatra miaraka amin'ireo “fomba fanao hafahafa”.

Nizara ny eritreriny voalohany taorian'ny namakiany ny Thermae Romae ny mpandinika manga iray[ja].

話といえば単純なんだけど、ルシウスの性格設定や、現代日本の<平たい顔族>たちの言動に思わず笑ってしまいます。
<平たい顔族>なんていうネーミングからして笑えますしね。

Tsotra ilay tantara, fa nampihomehy ahy ny toetran’ ‘Andriamatoa  Lucius’ sy ny fitondran-tenan'ireo “antokon'ny tarehy fisaka”.
Ilay anarana “antokon'ny tarehy fisaka” no tena nampihomehy ahy hatramin'ny voalohany.

Foniny

Tahaka ny maha hetsika sosialy ho an'ireo mponina tany Roma fahiny ny fankanesana any amin'ny fandroana iraisana, dia fomba nentim-paharazana any Japana ny maka fotoana hialan-tsasatra any amin'ny fandroana iraisana (sento 銭湯) aorian'ny asa nandritra ny tontolo andro na mandritra ny faran'ny herinandro any amin'ireo ranomafana (onsen 温泉), voahodidina zava-boahary.
Raha tena samihafa aza ny mari-tranon'ireo trano fandroana Romana [en] sy Japoney [ja] eo amin'ny lafin'ny toetoetry ny trano, dia azo lazaina ho niampita fotoana sy toerana kosa ny votoatin-kevitry ny fandroana mirona kokoa ho tahaka ny fombafomba noho ny fitadiavan-kidio.

Umi Urimasu dia niteny fa talanjona izy [ja] tamin'ny fahafantarany, voalohany indrindra avy amin'ity manga ity, fa nanana fandroana mbola nivoatra sy mbola sarotra noho ny an'ny Japoney ny Romana.

まず冒頭から目をうばわれるのが、とんでもなくにぎやかなローマの公衆浴場シーン。将棋してる!相撲してる!垢すり器具で肌をこすっている人がいる!お菓子の売り子さんがいる!ムダ毛の処理をしてくれるサービスがある! 何なんだこれは。髪結い床ってレベルじゃない。現代人の目から見ても、2000年前の ヨーロッパの風景とはにわかに信じがたいような、それは日本人の心の故郷である「風呂」に驚くほど近い情景に見えました。ローマ人たちはこんなにも日々の お風呂を楽しんでいたのか。

Ho voatarika avy hatrany ianao dieny vao manomboka ny sehatra voalohany, izay manomboka any amin'ny fandroana iraisana tena be kotaba any Roma. Misy ireo olona no milalao esheky (fanorom-bazaha)! Misy ireo olona no mitolona! Misy ireo olona no mikosoka ny hodiny amin'ny fikosehana! Misy ny mpivarotra mofo mamy ary manao fanalàna volo ho isan'ny asany ny any amin'ny fandroana! Inona ity? Mbola malalaka lavitra noho ireo fanetezanm-bolo any Japana tamin'ny fotoanan'ny Edo izany [tany amin'ny taonjato faha 18-19 tany].
Raha ny fijerin'olona amin'izao fotoana, dia sarotra ny mino fa zavatra nitranga tany Eoropa tamin'ny 2000 taona lasa izany. Ny zava-miseho dia mahatalanjona fa misy hifandraiany amin'ny efa mahazatra ireo Japoney izany, mikasika ireo “fandroana” izay tahaka ny tranom-panahy. Mahagaga ny mahafantatra fa mankafy ny fandroana amin'ny fomba mitovy amin'ity isan'andro koa ireo Romana.

Na dia tsy tena avy any Japana aza ny kolontsainan'ny fandroana, niteny ny mpitoraka blaogy Lowrence fa tokony hirehareha amin'izany ireo Japoney.

ジャンルとしてはギャグ漫画に分類されるとは思いますが、テーマが逸脱すぎてかなり新鮮。
古代ローマの浴場設計技師であるルシウスが現代日本の銭湯にワープして・・・みたいなストーリーです。
なんか馬鹿げたことを大真面目にやってるというのが笑えるポイントかなぁ、と。
話の間には古代ローマについてのコラムも載っていてそちらも楽しめます。
こういうふうにやたらとメディアで取り上げられてる作品ってどうも敬遠しちゃう時があるのですが、買ってよかったーという作品です。
笑える漫画って素敵よね。
あ、あと日本の風呂の文化は素晴らしいと思います。
海外で生活していたから尚更強くそう思います。
風呂最高!

Na dia amin'ny lafin'ny karazany aza, mihevitra aho fa mety voasokajy ho manga mahatsikaiky izy io, dia tsy dia fahita sy vaovao ihany aza.
Manomboka any Roma fahiny, ity tantara ity dia mikasika ny mpanao ny sarisary any amin'ireo fandroana iraisana antsoina hoe Lucius, izay tampoka teo dia lasa tany amina fandroana iraisana any Japana amin'izao fotoana. Ny zavatra mampihomehy dia ao anatin'ity manga ity, mandray ireo zavatra tsy misy dikany ho tena marina ireo mpandray anjara. Mialoha ny toko tsirairay dia misy teny fampidirana mikasika ny toetoetran'i Roma fahiny mahaliana.
Indraindray, tsy dia mijery loatra an'ireny asa ampirisihan'ny gazety hovakiana ireny aho nefa tamin'ity indray mitoraka ity dia faly aho nividy izany. Ny manga izay mampihomehy anao ndraindray dia mahafinaritra ary mihevitra aho fa ny kolontsainan'ny fandroana Japoney dia mahatalanjona. Taorian'ny fandehanana fotoana vitsivitsy tany ivelany, dia vao maika mino izany aho. Ho ela velona ny fandroana!

sehatra iray

Ny mpanoratra Mari Yamazaki dia niteny tao amin'ny blaoginy fa ny hevitra niatombohan'ity [ja] manga ity dia efa tamin'ny fahazazany.

私的にはあの漫画は小中学校時代に友達を笑わす為にへんなイラストや漫画を描いていた、そのノリをまんま引っ張ってしまった感じだったので、本にしていただいたというだけで「・・・こんな内輪でしか笑えなさそうな漫画、本にしてもいいのだろうか」という変な後ろめたさのようなものがあったのですが・・・
あれを面白いと言ってくださる方が沢山いてくださって、なんかもう、驚きです。嬉しいです!ありがとうござます!

Nanao ny sary an'ity manga ity tamin'ny aigam-panahy sahala tamin'izaho nanao ireo sary hafahafa mba hampihomehezana ireo namako tamin'ny ambaratonga voalohany aho. Nandaitra izany aigam-panahy mazava sy mampifaly izany ary dia nofidiana ho avoaka. Nanontany tena ary aho raha tsy naninona ny namoaka ity manga natao hampihomehy vondron'olona voafetra ity.
Gaga aho, maro ireo olona miteny fa mahatsikaiky ilay izy. Faly aho! Misaotra anareo!

Nanapa-kevitra ny hamoaka antsipiriany kely mikasika ny boky manaraka izay hivoaka any Japana amin'ny volana Septambra ihany koa ilay artistan'ny manga any Chicago [ja]…

「テルマエ・ロマエ」は風呂漫画というジャンル(そんなジャンルはないが)にカテゴライズされておりますが、自分的にはあれは風呂を媒体にした「日本との比較文化に軸を置いた古代ローマ漫画」だと思って描いております。
決して日本の風呂に驚く古代ローマ人漫画、というコンセプトのみのものではありません。
古代ローマと日本の共通点というのは実は風呂だけではなく、本当にいろいろありまして、主人公も今のイタリアには滅多に居ないけど、日本になら結構居そうなクソ真面目な男にしたのはそれもあるからなんです。
そんなわけでまあ、2年前、シリーズ連載にしようやと編集長が引っ張ってくれた時点で私も「そうか、じゃあもっと広い範囲で古代ローマの事が描けるかな」と思い立ちました。
一 巻はとりあえず日本の風呂にびっくり仰天一色の展開になってますが、今後はせっかく古代ローマの誇る5賢帝の一人ハドリアヌスという凄い人物も登場させら れたことだし、広範囲にもっといろいろと掘り下げた展開で皆様に知られざる日常の古代ローマ世界をご覧いただけたらなと思っております。

Voasokajy ho “manga fandroana” ny Thermae Romae, na dia tsy tena misy aza ny sokajy tahaka ity. Raha ny tao an-tsaiko, manao manga mikasika ny “fanoharana ireo kolontsainan'i Roma fahiny sy Japana” aho, mampiasa ilay fandroana ho mpanelanelana. Tsy manga mikasika ny olona Romana taloha izay talanjona rehefa mahita fandroana Japoney izany.
Raha ny marina, tsy ny fandroana irery ihany no zavatra mampitovy an'i Japana sy Roma fahiny – mbola misy zavatra maro. Ankoatra izany, na dia tsy lehilahin'i Italia amin'izao fotoana aza ny mpandray anjara, noforoniko ho olona tahaka ireo lehilahy tena matotra any Japana izany.
Noho izany, roa taona izay rehefa nandresy lahatra ahy amin'ny hamoahana izany ho tantara mitohy ny mpanonta ny bokiko, nieritreritra aho hoe mety ho tombontsoa lehibe handrosoana bebe kokoa ny resaka mikasika an'i Roma fahiny. Ny boky voalohany dia mifantoka bebe kokoa amin'ny fahagagan'i Lucius amin'ny fahitany ny fandroana Japoney sy ireo fombafombany. Miaraka amin'ny fampahafantarana ny mpandray anjara mahafinaritra tahaka an'i Adrianus (anisan'ireo mpanjakan'i Roma 5 malaza indrindra), dia hahita zavatra maro amin'ny andavanandron'ireo Romana izay hinoako fa hisarika ny mpamaky ianareo.

Afaka vakiana ato amin'ity rohy ity(amin'ny teny Japoney ihany) ihany koa ilay manga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.