Ejipta: Jamban'ny finoan'olo-malaza?

Nour dia mpilalao sarimihetsika Libaney iray izay milalao amin'ireo sarimihetsika Ejiptiana nandritra ny 10 taona. Heverina ho isan'ireo mpilalao sarimihetsika tsara tarehy indrindra amin'ny taonany izy. Vao haingana, ny gazety Ejiptiana “El Youm El Sabee” (Ny andro fahafito) nitatitra [Ar] fa niteraka zazalahy kely izay nantsoiny hoe “Leonardo” i Nour. Ny anaran'ity zazalahy ity no nanampy tamin'ny famborahana ny finoan'ity mpilalao sarimihetsika ity, izay nanaitra ny sasany tamin'ireo nametraka tsikera tao amin'ny lahatsoratra tamin'izany.

Nisy mpamaky tsy fantatra anarana nametraka ity tsikera manaraka ity tamin'ny anarana sandoka “Masdoom” (Taitra):

هى مسيحة!
Kristiana ve izy!?

Mpamaky iray hafa namaly ny fanontanian'i Masdoom:

شكلها مسيحيه بس انا مش عارف اتمنى انها تاسلم يوما ما
Toa Kristiana izy, tsy tena azoko antoka. Manantena aho fa hivadika Silamo izy indray andro any.

Ary mpamaky fahatelo antsoina hoe “Asmaa” niteny:

انا كنت بحبها لكن بعد ما عرفت انها مسيحية كرهتها
Tiako izy taloha, nefa taorian'ny nahafatarako fa Kristiana izy dia lasa Halako izy.

Nametraka tsikera mihoatra ny 100 ireo mpamaky ao amin'ity lahatsoratra ity. Ao ireo sasany izay taitra fotsiny, ary ao kosa ireo tahaka ity mpamaky eto ambany ity izay mieezaka ny hamporisika ireo olona ho somary mba hipetrapetraka:

وفيها ايه لما تبقى مسيحيه وفيها ايه لما اتفرج على ممثل مسيحى ده سيدنا محمد عليه الصلاة والسلام تزوج من مسيحيه واوصى بهم خيرا
Inona no olana amin'ny maha Kristiana azy, na ny fahitana mpilalao sarimihetsika Kristiana!? Na ny Mpaminany Muhammed (Ho aminy anie ny fiadanana) dia nanambady vehivavy Kristiana ary nandidy antsika ho tsara fanahy amin'ireo Kristiana.

Mohamed El Dahshan (mpitety anatiny) nanoratra ity tweet eto ambany ity maneso ny fihetsik'ireo olona aorian'ny fahalalana ny finoan'i Nour:

@TravellerW: الناس المتضايقة ان نور مسيحية كان عندهم أمل يروحوا يتجوزوها مثلا و دلوقتي الموضوع فركش بسبب الدين؟ 🙂
@TravellerW: Fa maninona no tsy faly ny olona raha Kristiana izy. Te-hanambady azy izy ireo, ary izao dia tsy afaka noho ny finoany? 🙂

Ny zava-misy dia, na i Nour aza – izay “Marianne Phillip Abi Habib” no tena anarany- dia toa mahalala izany, ary na izy na ireo mpamokatra ny sarimihetsika miaraka aminy dia nanapa-kevitra ny hanome solon'anarana vaovao ho azy ary izay tsy mampiharihary ny finoany.

Tsy i Nour irery, fa ny mpilalao sarimihetsika Ejiptiana hafa – Basma – dia votoatin-dresak'ireo tsaho vao haingana fa Jiosy ireo ray aman-drenibeny. Ny olona avy eo nampifangaro ireo fihetsehim-pony amin'ny vaovao sahalan'izany.

Ao amin'ity blaogy “The Egyptian Silent Majority” ity ny mpitoraka blaogy Ahmed Samir nanoratra mikasika tranga iray niseho taminy fotoana lasa ary nahatonga azy ho tonga saina hoe tena lasa adala amin'ny fahalalana ny finoan'ny hafa ny olona.

Nanoratra izy:

سألتني زوجتي فجأة:
“هو المذيع………..مسلم و لا مسيحي”؟؟
(المذيع المقصود مذيع اذاعي بصوت مميز يقدم احد البرامج العاطفية على محطة من محطات ال FM)
جاويتها….(لا طبعااا…مسلم…..مســــــــــــــــــــــــــــــــلم طبعا…..دايما بيستشهد بالدين في برنامجه….لا و كمااااااااان ايه..دة دايما يهنىء المسيحيين بأعيادهم بقوله “اخواننا المسيحيين”)
لا…مسيحي ازاي…..؟؟ لا ممكن ابدااا
عموما نتأكد من الإنترنت….حتما و لابد عنده معلومة في هذا الشأن
و لســـــــــة بكتب إسم الرجل على جوجل لأفاجأ ان (جوجل) بيكمل لي السؤال
“……………مسلم أو مسيحي؟”
لأكتشف ان السؤال دة لا يشغلها هي وحدها انما شغل ناس كتيـــــــــــــر قبلها على الإنترنت!!!
Nanontany ahy ny vadiko tamin'ny fomba manjavozavo raha Silamo na Kristiana ny mpanolotra fandaharana ao amin'ilay radio.
(miresaka mikasika ilay mpanolotra fandaharana manana feo mora fantatra izay manolotra toro-hevitra mikasika ny fifandraisana amin'iray amin'ireo radio aho eto)
Namaly azy aho: Tsia, Silamo izy. Ekeko fa Silamo izy. Miresaka mikasika ireo lanja sy lalànan'ny Silamo izy ao amin'ny fandaharany, ary rehefa miresaka mikasika ireo Kristiana izy dia antsoina hoe “Ireo rahalahintsika/anabavintsika Kristiana”. Tsy ho Kristiana mihitsy izy, azo antoka fa tsia. Na izany aza, ‘ndao jerena raha afaka manamarina izany fampahafantarana izany ny aterineto.
Nanoratra ny anaran'ilay rangahy tao amin'ny Google aho mba hahitana ny zavatra hamalian'ny Google avy hatrany ny fanontaniako, ary nampiako “Silamo izy sa Kristiana?” izany
Fantako avy eo fa tsy ny vadiko irery, fa olon-kafa maro no nitady ny valin'io fanontaniana io talohanay.

Nanohy izy avy eo:

لقد اكتشفت اننا شعب مهوووس بالديانات….بتفرق معاه قوي الشخص دة مسلم و لا مسيحي…..؟

علامات استفهام رهيبة و مثلها من علامات التعجب عن المغزى من هذه الأسئلة…و هل تنال ديانة المشهور من شعبيته و شهرته؟؟؟
و ما سبب هذه الطائفية الرهيبة التي تحملها هذه النوعية من الأسئلة..؟؟؟
و هل وصلت مجتمعاتنا الى درجة رهيبة من التطرف لدرجة ان تحكم على الشخص من خلال ديانته…لا من خلال اخلاقه او أعماله؟؟
و إذا كانت كل هذه الأسئلة تتم بدافع (الفضول) و ليس ال(التطرف) فهل وصل (الفضول) الى هذه الدرجـــــــة؟!!

فلقد ضبطت نفسي (متلبسا) بتهمة (التفاهة) و (السطحية) و الأمر اني قد اكتشفت اني لست بمفردي على هذه الشاكلة بل ان أمري يهون بجانب الكثيرين قبلي قد قرروا ان يفتشوا في ضمائر الناس و دياناتهم و ان يبنوا قناعاتهم و مدى حبهم لهذا النجم او ذاك بديانته و يقرروا مدى تعلقهم به و حبهم له بذهابه للجامع أم للكنيسة؟؟!!
Tonga saina aho fa tena adalan'ny finoana isika, ary tena manan-danja amintsika ny fahalalana raha Silamo na Kristiana ny olona iray.

Maro ny baraingo sy tsoraka mivezivezy ao antsaiko amin'izao fotoana izao. Misy fiatraikany any amin'ny lazany va ny finoan'olona iray? Inona no antony ambadik'ity fifanavaham-pinoana izay mahatonga antsika mametram-panontaniana tahaka izany?
Tafiakatra any amin'ny fara-tampony angaha ny fifanavahm-pinoan'ny fiarahamonintsika fa manjary toa mitsara ny olona amin'ny finoany fa tsy amin'ny fisainany sy ny zava-bitany? Ary raha vokatry ny fitiavana te hahalala fotsiny ny fanontaniana tahaka ireny fa tsy ny fifanavaham-pinoana, maninona isika no toa lasa te-hahalala izany?

Fantako fa efa nisy fotoana aho tsy nandinika sy maivandoha, nefa tsy izaho irery, na afa-tsy izany dia mora kokoa, maro talohako no nanapa-kevitra ny hikaroka ny finoan'ny olona sy mametraka ny fitiavany sy ny lolompony any amin'ireo olo-malaza noho ny finoany, ary nanapa-kevitra ny hitia na hankahala azy ireo araka ny falehany na izy ireo mankany amina “mosque” na any amina fiangonana rehefa faran'ny herinandro.

Charafantah dia nanoratra lisitra fanontaniana mihoatra ny 15[ar] izay tokony hanontany tena ny tsirairay mba hahalalany raha mpanavakavam-bolon-koditra izy na tsia. Ary ny iray amin'ireo fanontaniana ireo dia hoe miova ve ny fijerinao olona iray aorian'ny hahalalanao ny finoany.

انطباعك عن حد بيتغير لما تعرف دينه؟
Miova ve ny fijerinao ny olona iray rehefa fantatrao ny finoany?

Farany, tahaka ny voalazan'i Ahmed Samir tao amin'ny lahatsorany, tsy voatery ho fanavakavahana na fifanavaham-pinoana foana izany, fa indraindray fitiavana te-hahalala fotsiny ihany izay mahatonga antsika maniry ny hahafantatra ny fnoan'ireo olon-kafa, fa maninona no te-hahalala izany isika? Maninona no mahaliana antsika mafy ny mahalala izany? Tsy misy fahasamihafa eo amintsika ve ny fahalalàna tahaka zany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.