Pakistana: Antsoy hoe Pornistan?

Tamin'iny volana lasa iny, Fox News dia namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe ” Firenena laharana 1 amin'ireo be mpitady any amin'ireo Fikarohana Tranonkalam-betaveta? Antsoy hoe Pornistan izany” ary nanambara fa i Pakistana no laharana voalohany any amin'ireo tanonkala fikarohana  vetaveta araka ny tondro ao amin'ny Google. Lasa niteraka adihevitra mafana momba ny sivana aterineto any Pakistana izany tatitra izany. Ny Fitsaràna Avon'ny Lahore, raha nitetika ny handràra ireo vontoaty mamoafady dia nanjary nandidy ny handraràna ireo tranonkalan-tambajotra sosialy toa ny Facebook, Twitter ary na ireo tolotra Blackberry aza. Izany nony injay ny tontolon'ny blaogy nanomboka nimenomenona momba ny olana aterak'ireo tranonkala vetaveta mbola azo idirana nefa ireo tranonkalan-tambajotra sosialy kosa mbola mitohy voasakana.

Ao amin'ny blaogiko manokana, raha naneho hevitra momba ny sivana aterineto sy ny olana momba ireo vontoaty mamoafady, notsiahiviko ny olana momba ireo tranonkala vetaveta mbola azo idirana na dia eo aza ireo asa fanivanana.

Ho an'ireo rehetra tapa-kevitra ny hanisy moraly sy lalàna mifehy ny aterineto amin'ny anaran'ny fivavahana, mba jereo ihany ireo tranonkala an'arivony mampiseho ankizy vetaveta izay mbola azo tsidihana aty Pakistana, tsy misy na iray aza amin'izy ireo voatonona ao amin'ireo tranonkala 10 428 hosakanana. Rahoviana isika vao hahalala izay tena laharam-pahamehana?

Na dia teo aza ireo adihevitra rehetra, nanjary toa nanaitra ny maro ny tatitry ny Fox News, indrindra noho ny fananan'i Pakistana tahan'ny olona mpampiasa aterineto ambany dia ambany raha mitaha amin'izao tontolo izao. Ilay tatitra dia tsy vitan'ny hoe nanambara fa i Pakistana no firenena mitàna ny laharana voalohany amin'ireo fikarohana vetaveta fa nanome teny manan-danja ihany koa izy manoro fahalinana misimisy kokoa amin'ny habibiana sy ny fametavetana ankizy. Noraisina ho lainga masina ilay tatitra ary niteraka adihevitra be teo amin'ireo mpitoraka blaogy sy ny haino aman-jery fototra.

Kalsoom Lakhani ao amin'ny blaogy CHUP – Changing Up Pakistan dia tohina sy rikoriko nahita ilay tatitra:

Na dia tena rikoriko tokoa aza aho (sady raiki-tahotra) fa tazana anaty lisitra ratsy indray isika, tsy dia gaga loatra aho. Satria na teo aza ny Fox sy TIME manambara fa i Pakistana dia  “firenena Silamo, malaza noho ny fanajàny ireo fomba mpiaroaro [sy] fivavahana,” manana olona vetaveta fisaina isika, tahaka ny firenena rehetra maneran-tany, (hafatra: ry Pakistane, mitovy amintsika ihany izy ireo!). Misy antony mahatonga ireo toerana fidirana amin'ny aterineto [cyber]  aty Pakistana tsentsina olona mahantra manana fisainana maramara, ary tsy noho ny fizahàny mailaka fotsiny izany. Tsy laviko ny fihatsarambelatsihy ao ambadiky ny fanakànana ireo media sosialy sy ireo tranonkala hafa nefa manome alalana ny eo ambony – saingy ny fihatsarambelatsihy dia mitatra amina olana lehibe kokoa ary amin'ny fiarahamonina rehetra. Ny fanoritana ny olana nataon'ny Fox sy ireo orinasa mpanome vaovao hafa ihany koa, raha ny hevitro, dia antony tokony  hiadiana hevitra.

Lahatsoratra iray ao amin'ny Kool Muzone no manome fanadihadiana mivelatra kokoa momba ilay tatitry ny Fox:

Androany ny Fox News dia namoaka tatitra momba an'i Pakistana ka niantso azy ho Pornistan ary nilaza fa izy no “Firenena laharana 1 amin'ireo Fikarohana Tranonkalam-betaveta”. Na inona na inona teny manan-danja notanisain'i Fox News dia milaza ny zava-misy ihany izany fa tsy noforomporonina. Tsy mandà ny zava-misy aho fa i Pakistana no laharana voalohany amin'ireo teny manan-danja ireo. Tsy laviko koa ny zava-misy  fa malaza ny horonantsary vetaveta aty  Pakistana. Na izany aza, laviko ny hoe i Pakistana no “Firenena laharana 1 amin'ireo Fikarohana Tranonkalam-betaveta” i Pakistana, araka ny noalazain'ny Fox News.

Hita ao amin'izany lahatsoratra izany ny fanadihadiana amin'ny antsipirihany ireo teny manan-danja samihafa ary mitondra sarin'ny filarahana Google misy azy ireo mamintina fa:

Amiko i Pakistana dia tsy tokony ho tafiditrana akory na dia ao amin'ireo folo voalohany aty amin'ny faritra aza. Mahamenatra ny niantsoan'ny Fox news firenena iray hoe Pornistan mba handafosana ny gazety fotsiny. Isika rehetra mahafantatra tsara ny toerana misy ny Fox news eo amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena. Ny dokambarotra ataony dia mitovy amin'ny fiantsoana an'i Pakistana ho “Firenena mitàna ny laharana voalohany amin'ny fikarohana hira” hatramin'ny nametrahany ny teny manan-danja “Sufi Music” ho mitàna ny laharana voalohany!

Mandritra izany i Google dia nitsipaka ampahibemaso ny mety ho fahamarinan'ireo fomba fikarohany nampiasaina tao amin'ny tatitry ny Fox News ary milaza fa kely loatra ny tahan'ny ohatra ka tsy ho azo antoka ny fahamarinan'ireo vokatra azo.

Ammar Yasir dia nitsikera ilay tatitra raha nanamarika teboka manan-danja momba ny sivana aterineto any Pakistana:

Raha tsoriko dia mahatsiravina ny lasitra fanaovan-gazetin'ny Fox News, ny fitiavany manokana an'i Pakistana sy ny tontolo Silamo nandritra ny taona maro ary ny fialàn'i Google amin'ny tantàran'ny fox dia manafoana ny fahalavorarian'ny aterinetontsika. Nefa azoko antoko fa nihomehy tamin'ity tantara ity sy ny toetrantsika “sexy” (vetaveta saina no tena marina) ireo vahoaka maneran-tany. Nefa manafoana ny zava-misy ve izany;  ny fisian'ny sasany amintsika manao ireny fikarohana na mijery horonantsary vetaveta mitovy amin'izany (eritreritra mampatahotra)? Tsy mieritreritra izany aho, midika fanampiny hafa amin'ny toetrantsika mpihatsaravelatsihy izany. Toy ny fanakànana ny Facebook, YouTube ary na ny Wikipedia aza, nefa tsy misy didy toa izany ho an'ireo tranonkala vetaveta, nahoana re, hoy aho manontany tena?

Na tsy ho jerena aza ireo fanambaràna nataon'ny tatitra dia zavatra iray no tena mazava, ny fanaovana sivana aterineto amin'izao fotoana izao izay manohitra ireo vontoaty mamoafady tontosain'ny fitsaràna Pakistane dia toa mikendry ireo tambajotra sosialy fa tsy ireo  ‘vontoaty tena mampisy olana’ toa ireo tranonkala mampiseho ankizy vetaveta.

The framing of the issue by Fox and other news agencies, in my opinion, is also cause for discussion.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.