Sina: Aftershock – tantara sa fanoharana ara-politika?

Lasa fady ny miresaka mikasika ny horohorontany tany Sichuan tamin'ny taona 2008 any amin'ny media mahazatra noho ilay fananganana sekoly tsy zarizary iray manafintohina sy ny fisamborana ilay sivily mpanadihady Tan Zhouren, naseho tamin'ny fahitalavitra lehibe ny horohorontany tany Tangshan tamin'ny 22 Jolay, enina andro talohan'ny faha 34 taonan'ilay loza lehibe tany Sina. Ity horohorontany nahatratra 7.8iamin'ny maridrefy richter izay namely an'i Tangshan tany amin'ny faritanin'i Hebei tamin'ny 3:42 maraina tamin'ny 28 Jolay, 1976, namoizana ain'olona mihoatra ny 242,000 naharatrana 164,000.

Ny sarimihetsika, Aftershock, dia notohanan'ny fanjakana ary tarihin'i Feng Xiaogang, izay malaza amin'ny fampihomehezana manesoeso. Ankalazaina tahaka ny lanonana izany ary ny vola matiny dia hahatratra ny 500 tapitrisa yuan manintsana ny zava-bita tsara indrindra amin'ny sarimihetsika amin'ny ankapobeny.

Ny fandehan”ity sarimihetsika ity dia mkasika ny fisahiranan'ny renim-pianakaviana iray misafidy na hanavotra ny zanany lahy na ny zanany vavy mandritra ny horohorontany. Ny zanany lahy no nosafidiany ary ny zanany vavy kosa dia avotra ihany, 32 taona taty aoriana, rehefa lasa renim-pianakaviana ilay zanany vavy, hitany amin'izay ny fahasahiranan'ny reniny ary namela ny helony izy.

Ekena amin'ny ankapobeny fa vita tsara ity sarimihetsika ity ary tena mampangoraka. Na dia izany aza anefa, maro ireo dokambarotra natsofotsofoka ary ny sasany amin'ireo mpampiasa ny aterineto dia mandray izany ho fanararaotana ny fahorian'ny olombelona. Voatonona ny hafatr'ilay mpitoraka blaogy kiritika Ye san :

唐山大地震这电影总结起来就是:准备哭。你哭了吗?你怎么还没哭?请买剑南春。你怎么能不哭呢?只有你没哭!快哭!请买中国人寿。你快哭!你必须哭!你居然敢不哭!请买宝马。你哭了吗?

Ra fintinina amin'ny teny iray, ny sarimihetsika mikasika ny horohorontany tany Tang shan dia: miomana hitomany. Mbola tsy nitomany ve ianao? Ahoana no hahatonga izany? Vidio ny Jian Nanchuan (divay Sinoa). Fa ahoana ianao no tsy mitomany? Ianao irery no tsy mitomany! Miomana amin'izay! Vidio ny Fiantohana Sinoa. Ianao, mitomania haingana! Tsy maintsy mitomany ianao! Fa ahoana ianao no toa sahy tsy mitomany! Vidio ny BMW. Tsy nitomany ve ianao?

Catharsis

Ny mpanoratra Tianyana 吾非羊 mampitaha ny vokatry ny fandatsahan-dranomaso amin'ny sarimihetsika amin'ny fandevenana any ambanivohitr'i Sina:

最后,大伙哭累了,精疲力竭了,丧家为表示对来吊唁的亲戚、朋友、宗亲、高邻、和尚、道士、撒纸钱的感谢,便在自家打谷场上摆下数十桌酒席。此时大伙的欢庆可以说达到了高潮,先前因为大哭丧而萎靡的精神与体力也迅速的恢复了。…

我国的这种丧礼习惯很容易将悲伤化为快乐,丧事变为喜庆,死了人变成大喜事儿。最近,冯小刚先生新作《唐山大地震》上映,笔者也有幸观摩了一遍。在黑乎乎的影院里,大伙涕泪声声。…冯导 的影片,在讲的故事,很容易让我想起小时候江苏农村大出丧的那种悲伤化为快乐,丧事变为喜庆,死了人变成大喜事儿的神奇感觉。

Tamin'ny farany dia ritra ny ranomason'ireo olona ary afaka nampiseho ny fankasitrahany ireo havana, namana, mpiray tanàna sy ireo pretra, etc miaraka amin'ny fiaraha-misakafo ny fianakaviana. Nahatratra ny famaranana azy izany fandevenana izany ary samy niverina ny ain'ireo olona ireo tamin'io fandevenana nampitomany io…

Ny fomban'ny fandevenana dia mety hamadika ny fahoriana ho fifaliana, fandevenana ho lanonana. Ny fahafatesan'olona iray dia lasa fifaliana lehibe. Nanana ny fahafahana nijery ny sarimihetsik'i Feng vaovao “Tang Shan Earthquake” aho vao haingana izay. Ilay fijerena sarimihetsika dia rakotry ny feon'ireo olona mitomany… Ny tantaran'i Feng dia nampahatsiaro ahy ny fandevenana tany ambanivohitr'i Jiangxu, “catharsis” izay namadika ny fahavoazana ho fahafaliana, fandevenana ho lanonana…

Tantara sa fanoharana ara-politika?

Ny Granite Studio nitanisa ireo tsikeran'i James Palmer izay nilaza fa tena tsy mifanaraka amin'ny fandehan'ny tantara iny sarimihetsika iny:

Amin'ny maha mpahay tantaran'ny horohorontanin'i Tangshan ahy, toa diso fanantenana kely aho; lasa tahaka ny mijery Titanic izany ary mijery ny sambo rendrika ao anatin'ny atsasak'adiny.

Mety noho ny fanakaikezana azy amin'ny tsy fifanarahany amin'ny tantara, azo heverina ihany koa ho fanoharana ara-politika eo amin'ny fianakaviana sy ny firenena iny. Seanpatrick:

唐山大地震,微觀家,宏觀國!~~~馮導進步了, 這部是政治意味相當濃烈的電影,暗藏了對國家未來良好發展的願景

Ao amin'ny Aftershock, any amin'ny lafin'ny “bitika “ny fianakaviana ny fianakaviana, ary any amin'ny lafin'ny “lehibe” kosa ny Firenena! Ny Tale Feng dia mivoatra, sarimihetsika mikasika ny politika io ary mijery ny fivoaran'ny firenena.

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nisy fanadihadihana mikasika ny horohorontanin'i Tang Shan, Buried, nibata ny fandresena tamin'ny fankalazana ny horonantsary fanadihadihana Sinoa. Ny fangatahan'ny Tale Wang Libo fa “tsy mety may ny marina” dia notononina imbetsaka ary nivadika ho fanamarihana ratsy amin'ny Aftershock-n'i Feng. Afaka mijery ny sasany amin'ireo horonantsary ireo ianao ao amn'ny Youtube:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.