Kambodza: adihevitra momba ny raharaha Duch

30 taona mahery aty aorian'ny fianjeran'ny Fitondrana Khmer Rouge any Kambodza , nivoaka tamin'ny 26 Jolay 2010 farany teo ny didy fanamelohana voalohany avy amin'ny Fitsarana manokana ao amin'ny Fitsarana any Kambodza (ECCC)-fantatra ihany koa amin'ny hoe Fitsarana ny Khmer Rouge . Fanamelohana an'i Kaing Guek Eav antsoina hoe Duch ihany koa izany , iray amin'ireo olona efatra miaraka amin'i Nuon Chea na Rahalahy faharoa, i Ieng Sary, i Ieng Thirith (na Vadin'ny filoham-pirenena Khmer Rouge) ary i Khieu Samphan izay notoriana ihany koa noho ny fandripahan'olona faobe, heloka be vava anaty ady.

Nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny 35 taona i Duch Tuol Sleng lehiben'ny fonja; na izany aza , nahena ho 19 taona izany satria efa notanana am-ponja izy nandritry ny 16 taona miaraka amin'ny fitazonana azy tsy ara-dalàna nandritry ny dimy taona, araka ny didin'ny fitsarana miaramila tamin'ny 1999. Niteraka fientanana maro avy amin'ireo andrim-panjakana samihafa sy avy amin'olon-tsotra izay nijaly nandritry ny fotoan'ny Khmer Rouge ity didy ity . Azo sokajiana telo ireo hetsika ireo .

Ny voalohany, ny vondron'olona izay miandry fatratra ny valin'ny Tribonalin'ny Khmer Rouge ary mandray soa aman-tsara ity didy ity amin'ny alalan'ny fanazavana ireo zava-nitranga ho fotoana manan-tantara ho an'i Kambodza indrindra ho an'ireo nohosihosena ny zony maha-olombelona. Nanoratra haingana ity lahatsoratra izay hizarany ny fihetseham-pony ity i Sovachana Pou, mpampianatra mpilatsaka an-tsitra-po sady mpitoraka bilaogy ary nanatrika ny fotoam-pitsarana:

Anisan'ny 500 nanatrika tao amin'ny efitry ny fitsarana izay saiky niharan'ny herisetra ny ankamaroany aho, nampihetsi-po ny raharaha ary manantantara ny fotoana izay niandrazana 30 taona vao nahazoana endrika rariny ihany.

Amin'ny lafiny iray , nampatsiahy ireo tenin'ny reniny i Sophal Ear, i Sophal Ear izay sisa velona tamin'ny fandripahan'olona  ary nanao lahatsoratra miavaka mikasika ny ‘afanandositra tamin'ny Khmer Rouge aho, tamin'ny volana Febroary 2009 tany Long Beach, California raha navoaka ny didim-pitsarana mikasika an'i Duch:

Amin'ny fotoan-dehibe toy izao, te hanao jery todika ny lasa aho mba handinihana sy hanomezana ny fitenenana ny iray amin'ireo niharam-boina tamin'ny Khmer Rouge: ny reniko, Cam Youk Lim […] Tsy velona intsony izy mba hahita ity andro ity, nefa tsy maninona, satria vitany tamin'ny fomba Bodista izany. Efa nodidiany fa pesta ara-panahy ny Khmers rouge ka mbola hanonitra ireo heloka be vava nataony raha tsy amin'ity fiainana ity , dia amin'ny fiainany manaraka.

Ny vondrona-hetsika iray dia momba ireo diso fanantenana amin'ny didy ary mitaraina fa maivana loatra ny sazy ho an'ireo mpamono olona izay nisahana ny famonoan’ olona maherin'ny 14.000. Ao anatin'ny taratasy antsoina hoe “tsy nanome ny rariny ho an'ny vahoakan'i Kambojy ny ECCC ” natolotra ny mpanoratra ao amin'ny Phnom Penh Post, manazava ny toeran'ny haino aman-jery mikasika ny Ivotoerana Kambojiana misahana ny Zon'Olombelona (CCHR) i Jeffrey Serey Hola . Raha mandray soa aman-tsara ny fampihenana ny sazy an-tranomaizina an'i Duch ny CCHR ho modely ho an'ny fitsarana eo an-toerana, izay ahitana fa manahirana hatrany ny fomba fitazonana am-ponja, dia mametra-panontaniana mikasika ny sazy “maivana” i Jeffrey raha tena ny hampisehoana ny rariny amin'ireo niharam-boina no tena tiana atao. Gadra mandra-pahafaty no nangatahana farafahakeliny ho an'i Duch satria tsy azo atao ny famonoana ho faty any Kambodza .

Azo ekena ihany hoe maro ireo olona te hahita azy ho tratran'ny fanamelohana ho faty, na dia voarara aza izany any Kambodza. Diso mandefitra loatra izany sazy nahena ho 19 taona ho an'i Duch izany raha ireo vono olona betsaka tamin'ny habibiana nataony no jerena. Tokony higadra mandra-pahafatiny i Duch farafaharatsiny […] Ahoana moa no andraisana ity didy ity ho rariny ho an'ireo izay mbola velona sy niaina ireo karazana habibiana ireo? Ho azy ireo, toy ny kapoka maivana fotsiny izany. Tsy miasa ho an'ny vahoaka any Kambojy ny Fitsarana. .

Saika toy izay ihany ity fihetseham-po zarain'i Bernard Krisher ity, talen'ny American Assistance ho an'i Kambodza, sady mpanoratra ao amin'ny gazety vahiny eo an-toerana antsoina hoe Cambodia Daily. Nilaza izy raha nanoratra avy any Tokyo fa maivana loatra ny sazin'ny fitsarana ary nangataka izy fa tokony hahantona i Duch.

Raha amin'ny sisa velona amin'ireo Holocauste Nazi namono ireo vahoaka Jiosy tamin'ny taona 1930 izay maro no havako tamin'izy ireo, anisan'izany ireo mpiray tampo amin'ny raiko, izay lavo tao amin'ireo efitra gazin”i Hitler ka nanaraka ireo fitsarana ireo ady heloka be vava tamin'ny ady Khmer Rouge aho dia tena diso fanantenana nahita ity sazy maivana nomena noho ny tamin'ny ady namonoan'olona nataon'ny Alemana sy ny Japoney tamin'ireo heloka tanaty ady, tena mahatsapa aho fa tokony hahantona i Duch[…]

Andaniny, misy koa ireo vondron'olona izay sady tsy manohana ny Fitsarana ny Khmer Rouge no tsy manohana ny didim-pitsarana an'i Duch. Ao anatin'ny resadresaka miaraka amin'ny BBC, maneho ny olana miseho mikasika ny fitsarana nataon'ny Firenena Mikambana izay manazava fa natao ity didy ity mba hanome endrika tsara eo anatrehan'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena.

Samy te hahita ireo mpitondra faratampony ho voasazy ny rehetra, tsy dia miraharaha loatra ireo sazy ho an'ny madinika toy an'i Duch izy ireo, izay tokony efa ho faty satria tsy nanaraka ireo baiko avy any ambony izy .

Mahaliana koa, na ny mpitantana ministera aza dia manana fijery mifanohitra mikasika ny didim-pitsarana an'i Duch. Raha toa ka afa-po amin'ny didy ny Minisitry ny fampahalalam-baovao Kambojiana Khieu Kanharith , dia diso fanantenana kosa ny Ministry ny Raharaham-bahiny Hor Namhong mikasika ny sazy maivana nomena an'i Duch.

Khieu Kanharith, ao anatin'ny resadresaka ao amin'ny Fampielezam-peo VOA Khmer Service, manao hoe :

«វា​បាន​បង្ហាញ​ថា​ ទីមួយ​គឺការ​ប្តេជ្ញា​ចិត្ត​របស់​រាជ​រដ្ឋាភិបាល​កម្ពុជា ក្នុង​ការ​ស្វែងរក​យុត្តិធម៌​ជូន​ប្រជា​ពលរដ្ឋ​ខ្មែរ ​និង​ទីពីរ​ ​វាបាន​បង្ហាញ​អំពី​កម្រិត​ផ្នែក​វិជ្ជាជីវៈ​របស់​អង្គ​ចៅក្រម​របស់​យើង​ ក្នុងការ​ស្វែងរក​យុត្តិធម៌​ជូន​ប្រជាពល​រដ្ឋខ្មែរ»។

Voalohany, maneho ny faharisihan'ny governemanta hitady ny rariny ho an'ny Kambojiana izany, ary manaraka izany, maneho ny maha-matihanina ny fitsarana izany .

Amin'ny lafiny iray, naneho ny fijeriny manokana i Hor Nam Hong tamin'ny resaka nifanaovany tamin'ny fampielezam-peo Free Asia, :

«ដោយសារ​នេះ​ជា​ភារកិច្ច​របស់​តុលាការ​ខ្មែរ​ក្រហម រាជ​រដ្ឋាភិបាល​មិន​មាន​ជំហរ​អី​ទេ។ យោបល់​ផ្ទាល់​របស់​ខ្ញុំ ខ្ញុំ​ឃើញ​ថា វា​មិន​សមរម្យ បើ​ប្រៀបធៀប​ទៅ​នឹង​ប្រជាជន​កម្ពុជា​ស្លាប់​ជិត ៣​លាន​នាក់។ ប្រជាជន​កម្ពុជា​ដែល​គេ​យក​ទៅ​ធ្វើ​ទារុណកម្ម​នៅ​ទួលស្លែង ហើយ​សម្លាប់​នៅ​ជើងឯក​រាប់​សែន​នាក់​នេះ។ កាត់​ទោស​នេះ​ហាក់​ដូច​ជា​ស្រាល មិន​សម​នឹង​ចំនួន​ប្រជាជន​កម្ពុជា​ដែល​បាន​ស្លាប់»

Satria izy ity moa no didin'ny Tribonaly Khmer Rouge , dia tsy manan-kolazaina ny governemanta (amin'ity raharaha ity ). Tsy mifanaraka izany raha ny hevitro manokana, indrindra raha oharintsika amin'ireo Kambojiana 3 tapitrisa izay maty. An'hetsiny no nampijaliana tany Tuol Sleng ary novonoina ho faty tany Cheung Ek (Toerana famonoan'olona). Toa somary maivana ihany ity sazy ity, tsy azo oharina amin’ ny isan'ireo olona izay novonoina ho faty. Teny Nadikan’ ny Khmerization.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.