Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.

Ato anatin'ity horonantsary mihetsika eto ambany ity, nalaina tamin'ny 26 Jolay tao amin'ny vohitr'i Ulyishchi, 5 km miala ny tanànan'i Kulebaki any amin'ny faritr'i Nizhny Novgorod , manontany ny vehivavy iray : “Izao marina ve no fara andro ? Sa afo fotsiny io ?”

Tsy nahomby loatra tamin'ny tranga maro ny fandrindràna  ezaka famonoana afo, ary nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tena ireo mponina eo an-toerana ary hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'ireo fitaovana izay mety eo am-pelatanany .

Manoratra mikasika izany ary maneho  sary (RUS) avy amin'ny iray amin'ireny asa famonoana afo ireny ny mpampiasa LJ vollove , kivy, tsy nahomby sady mampidi-doza, izay nitranga tamin'ny 29 Jolay tao amin'ny vohitr'i Verkhnyaya Vereya, manakaiky ny tanànan'i Vyksa, ao amin'ny faritr'i Nizhny Novgorod ihany koa:

Tapa-kevitra ny hiara-miasa amin'ireo tanora lahy avy any Vyksa [resaka amin'ny aterineto ], ny handray anjara amin'ny ezaka famonoan'afo . Nametraka hafatra teo amin'ny forum, namaly ny olona ary rehefa avy niasa dia noraisiko izy ireny, tanora lahy iray sy vehivavy tanora roa. Nijanona teo amin'ny mpivarotra iray izahay ary nividy angady. Tapa-kevitra ny ho any Verkhnyaya Vereya. […] Nony tonga, nankany anaty ala, ary niandry. Olona maro no manodidina, fiara iray mpamono afo, ny tsirairay miaraka amin'ireo tavoahangy feno rano sy ireo angady. Samy miandry ny tsirairay. Setroka matevina no tonga avy any ambadiky ny ala. Ary eo ho eo amin'ny 20 – 30 minitra izany .

[sary]

Ary mihamainty sy mihamatevina izany setroka izany . […] Mivadika tsikelikely ho maizina ny manodidina, toy ireny amin'ny fotoanan'ny fanakonan'ny volana ny masoandro ireny. Hazavana mena no miseho avy any anaty ala, toy ny masoandro miposaka. Mitombo sy mihamanakaiky ny tabataba . Ary dia hita avy hatrany ireo lelafo avy ao anaty ala eny ambonin'ireo hazo. Mitsoka mafy ny rivotra, ary mivadika tsikelikely ho toa rivo-doza matanjaka. Manomboka miainga ireo vovoka rehetra, mitsoka mankany anaty masonay, ary manjary sarotra ny mahita tsara ny zavatra rehetra amin'ny ankapobeny . Ary tsy hay hoe ahoana dia miditra avy eny rehetra eny ny afo … avy any ambony . Mitovy  haavo amin'ny tranobe misy rihana folo ireo lelafo . Ary dia mahatsapa ny hafanana aterak'ity afo ity izahay na dia mitsangana aty amin'ny 50 metatra alohan'ny ala aza. […] Toy ny hazokely fisokira-nify eo akaikin'ny elefanta ireo angady kely, sy ireo famonoan'afo, teo anatrehan'ity afo izay any amin'ny 20 metatra ny haavony. Nahazo izany tsara ny olona ary nanomboka nitsoaka, ireo mpamono afo koa niantsoantso anay, Mihazakazaha! ary nihazakazaka nidina ny arabe izahay nankeny amin'ny fiara […]. Teo ireo ankizivavy, fa tsy ireo ankizilahy. Niantso azy sy nikiakiaka aho mba hiverina aty amin'ny fiara. Tao anatin'ny rivotra misafotofoto, nikiakiaka zavatra toy ny hamonoana ny otrik'afo vao miandoha izy. Otrik'afo  inona raha mianjera eo amin'ireo trano ireo sampan-kazo maro mirehitra noho ireo lelafo eo ambony . Amin'ny ankapobeny, hoatry ny hoe any amin'ny afobe ny manodidina . Mazava aminay fa mety ho faty izahay raha miandry ireo ankizilahy ary tapa-kevitra ny hiala lavitra [ny tanàna ]. Lasa izahay, niantso indray , niezaka izy ny nitsambikina ho ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Nisy fiara fitateram-bahoaka teo am-bohitra ary nisy fiantsoana ny tsirairay mba handao ny toerana. Rehefa niala, efa nirehitra sahady ireo tany sy fefy teo ankavianay amin'iny lalana iny . Mazava aminay fa ity no fiafaràn'i [Verkhnyaya Vereya]. […]

[sary]

Mitohy mitantara ireo zava-niainana mampivarahontsana sahala amin'izany tao amin'ny vohitr'i Borkovka ny lahatsoratr'i vollove, mpampiasa LJ:

[…] Nihazakazaka nanantona ireo fiara izahay . Tena sarotra be mihitsy ny mifoka rivotra . Nahatsiaro tena ho te-hatory mihitsy aho . Narenina tanteraka aho, noho ny tsy fisian'ny rivotra azo niainana. Nanezaka nanatona ny fiara samirery aho. Hafahafa daholo ny manodidina ahy. Tsy nahita na inona na inona aho. Haizim-be sy rivotra mahery vaika no mitsoka gandavo anao. Rantsan-kazo sy lavenona no mianjera avy any ambony. […] Misy rivotra madio kokoa ao anaty fiara noho ny any ivelany, ary afaka nanenjika ny fomba fiainako ihany aho . […]

Ao amin'ny lahatsoratra iray hafa, mamerina mamoaka horonantsarin'olon-kafa izay nalaina avy ao anaty fiara tao amin'ny vohitr'i Tamboles i vollove mpampiasa LJ
, izay eo akaikin’ i Vyksa any amin'ny faritr'i Nizhny Novgorod ihany koa . Hatreto dia nisy mpijery teo amin'ny 170,650 mahery teo ity horonantsary ity. Tena nianiana mafy araky ny tratrany ireo olona tao anaty fiara ary niezaka nitsoaka ny afo, ary milaza i vollove mpampiasa LJ  (RUS) fa niaina zavatra sahala amin'izany izy raha nandalo an'i Borkovka – ary nampiasa izany teny izany ihany koa :

Ireo Saripika, video ary tatitra an-tsoratra maro avy amin'ireo firehetana sy tanàna maro kila forehitra dia mahatonga ny tsirairay hisaintsaina ny korontana sy faharavàna ateraky ny ady. Ilay mpampiasa  LJ, vollove dia nampakatra sary no sady nanoratra toy ity (RUS) mikasika ny fandalovany tao  Tamboles, ilay tanàna asongadina anatin'itsy horonantsary mihetsika etsy ambony, ary mikasika ny fifanenany tamina mpirotsaka an-tsitrapo iray tao an-toerana:

Mpiasa birao teo aloha ilay rangahy, ary milaza fa mbola tsy nahita zavatra toy ity mihitsy izy [nandritra ny ady tany Nagorno-Karabakh], afa-tsy tany [Chechnya] ihany. Saingy, hoy izy, nisy dikany ny nanapoahana baomba tany, fa eto … Nihazakazaka nisavoritaka eraky ny lalambe izy ireo, namono ny afo tety ambany tetsy sy teroa […].  ary nanompa azy, nilaza taminy hiahy ny tenany. Niangavy anay hitondra azy manodidina amin'ny fiara, haka sary sy hamoaka izany amin'ny aterineto. […].[…] Nitsambikina eny ambonin'ny trano sy ny lalàna ny afo, mifidy ny hodorany amin'ny fomba tsy fantatra hoe ahoana. Izany hoe, nahita trano vato iray nirehitra izahay, ary teo akaikiny anefa, nisy trano hazo tsy maninon-tsy maninona. Nanakiana mafy ireo ekipan'ny mpamono afo tonga teo izy. Niteny taminay ny fomba niantsoany ny manam-pahefana [teo an-toerana] izy ary nangataka azy ireo ny hitondra sakafo ho an'ireo mpamono afo, ary nanaraby azy anefa ireo, ary nilaza taminy ny hanaovany arak'izay vitan'ny tenany. Niangavy anay izy ny hijery ny manodidina amin'ny fiara, ny haka sary ary ny haneho izany eo amin'ny tranonkala . […] Toy ny tsy tena izy mihitsy ny zava-niseho, toy ny hoe nisy nanapoaka baomba mihitsy teo

Toy izao no nanazavan’ (RUS)ny mpampiasa LJ igorpodgorny ny valin'ny famonjena maika mampalahelo amin'ny loza ateraky ny afo:

[…]  Tao anatin'ireo taona vao haingana, tompon'andraikitra amin'ny famonoana ny afo [ireo manam-pahefana rezionaly, fa tsy federaly intsony ] ary izany no antony tsy mampety olona sy fitaoana amin'ny fomba haingana [eo amin'ny samy faritra ] (na dia tsy mahalala ny sisin-tany ara-taratasy aza ny afo ).Noho ny korontana ara-pikarakarana sy ny fanohanana ara-bola kely dia kely, miha-mitombo hatrany ireo toerana voakasiky ny afo. Tamin'ireo taona farany, 1 robla [0.03 dolara amerikana ] isan-taona isaky ny ala iray hekitara monja no vola naloan'ny fanjakana. Amin'ny tanjona mitovy, mandany 100 avo heny noho izany i Etazonia – mihoatra ny 4 dolara amerikana isan-taona .

Ity misy horonantsary mihetsika fohy ahitana ireo sisa tavela amin'ny vohitr'i Borkovka nolazaina teo aloha , nasehon’i bellyiup, mpampiasa YouTube :

Ary ireto misy tantara mitohy ahitana ireo trano kila ao amin'ny vohitr'i Mirnyi, avy amin'ny mpampiasa YouTube bellyiup ihany:

Manoratra i doctor-joy, mpampiasa LJ  fa vao avy niverina avy any amin'ny vohitr'i Kriusha any amin'ny faritr'i Ryazan ny sefony, toerana izay ipetrahan'ireo havany, ary nilaza taminy mikasika ny tsy fahombiazan'ny famonoan'afo any an-toerana :

[…]Raha ny filazan'ireo nanatri-maso, tonga tany tsy nanana rano ireo mpamono afo, nanontany hoe aiza izy ireo no mety hahita rano, naka izany teo amin'ilay toerana, ary avy eo notapahan'ny afo ilay toerana nisy ilay rano, ary dia nirehitra toy ny vanja ny zavatra rehetra . Tranobe iray ihany no tsy naninona, nihodina an-dry zareo nanaraka ny ala fotsiny ny afo.

Naneho ity horonantsary You Tube mikasika ny fandehanan'ny fiara mamaky ny afo ao amin'ny vohitr'i Kriushaity ihany koa i doctor-jo,y mpampiasa LJ  (toy ny mpampiasa YouTube Pojarnet) , milaza hoe : “Milaza izy ireo ao amin'ny fahitalavitra sy aterineto hoe, efa maty ny afo, nefa toy izao izany no fisehoany raha ny tena zava-misy marina !!! Tsy misy manampy ireo olona !”

Naneho tatitra an-sary (RUS) mikasika ny ezaka iarahan'ireo mpamono afo any amin'ireo vohitra ao amin'ny faritr'i Belgorod ny mpampiasa LJ igorkomarov. Ity misy ny sombiny amin'izay nosoratany (RUS):

[…] Ny zavatra ratsy amin'ity zava-miseho ity dia tamin'io andro io no niala tao [Belgorod, renivohi-paritra ] ireo andiana fiarabe raitra mpamono afo handeha hamono afo any amin'ny faritr'i Moskoa . […]

[…]

Tsy ampy rano izahay ary lasa naka teny amin'ny renirano. Nefa teo amin'io toerana io, nisy vehivavy teo an-toerana nitondra ny ombivaviny teo ampovoan-dalana. Amin'ny ankapobeny, sarotra ny tsy hahatsapa ny toeran'ny [fitiavan-tenan'ny ] mponina – eo amin'ny sisiny no misy ny tranoko , aleo hirehitra any ny tranon'ireo mpiray vodirindrina [Tsy miraharaha izay mahazo ny hafa aho fa ny ahy ihany ].

Tototry ny resaka momba ny afo sy ny vaovao mikasika ny fomba ahafahana manampy ireo very trano sy fananana hafa ireo toeram-piseraserana amin'ny aterineto eo an-toerana. Ao amin'ny  LiveJournal, fiaraha-monina roa farafahakeliny (RUS) no natsangana vao haingana : pozar_ru syemercommunity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.