Frankofonia: Mihatsara tahaka ny divay antitra ny Twitter

Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka ny tsiahiny fahatanora miampy ny hash tag #jesuisvieux ( Antitra aho ity – lehilahy) na #jesuisvieille ( Antitra aho ity – vehivavy).  Ahitana fitantarana mampihomehy ny eny an-tsefatsefan'ny fanarahana ity hashtag ity, indraindray koa ahitana tranga mahafinaritra ka ahitana ny fivoaran'ny fampiasana ny haitaon'ny fifandraisana.

Tsy dia mazava loatra aloha raha noho ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny New York Times tamin'ny 15  Jolay mitondra ny lohateny hoe: “Miha-antitra amim-pahasoavana, talenta frantsay” no nahatonga ny fironana tao amin'ny twitter ity fa mibahana ao an-tsain'ny mponina mpiteny frantsay tokoa angamba ity resaka “miha-antitra” ity ka resahiny malalaka.

Nisy ny gazety vitsivitsy no nanangona sy nanadio ny sasantsasany tamin'ny resaka momba izany. Ity misy lahatsoratr'i Coline Bérard ao amin'ny L'Express.fr: “Twitter c'est pour les vieux”, (Ho an'ny antitra ny twitter) sy ny gazety Belza Le Soir izay mamoaka sy manaraka lireo famahanana bolongana eo noho eo momba ny hashtag #Jesuisvieux eo amin'ny sehatra an-tserasera iray.

dikantsary tamin'ny efijery misahana ny tag #Jesuistropvieux ao amin'ny Trendsmap.com

Raha ny notaterin'ny Hashtags.org, dia nahasahana ny 0.03% amin'ny sioka maneratany ny hash tag #jesuisvieux hash tamin'ny  27 Jolay.

Indreto ary nisy sioka vitsivitsy izay nanintona anay:

Avy @JocelyneRobert any Montréal, Canada:

On ne brimait pas nos élans sexuels avec la menace des ITS mais avec la menace de l'enfer #jesuisvieille

Tsy ny aretina azo avy amin'ny firaisam-batana no mety hanimba ny herim-pilantsika fa ny tahotra ny helo

Pierre Côté:

J'ai surfé sur le WWW en utilisant NETSCAPE #jesuisvieux

Nivoivoy teto amin'ny aterineto aho amin'ny fampiasana Netscape

Anna Gueye avy any Senegal sy La Haye Holandy:

#jesuisvieux il y avait des 1ères classes dans le métro #jesuisvieille

Nisy kilasy voalohany tamin'ny metro

slim404 any Tonizia:

Le 7 nov. 1987 j'étais content. Mon père m'a dit : “tu va pas à l'école aujourd'hui, on ne sait jamais” #jesuisvieux

Faly aho tamin'ny  7 Nov 7 1987, Hoy ny raiko tamiko:” Tsy mianatra androany, tsy fantatra izay hitranga any.

@bravepatrie:

J'ai vu des ministres démissionner quand ils étaient mis en cause dans des affaires. #jesuisvieux

Nahita Minisitra namatre-pialana aho rehefa noampangaina ho tafiditra amin'ny raharaha maizina izy ireny

Necessepas:

J'ai été amoureuse d'Albator #jesuisvieille http://youtu.be/SpE9Yo9dmIo

Tamin'izaho latsa-pitiavana tamin'ny Kapiteny Harlocke! http://youtu.be/SpE9Yo9dmIo

Boris:

Je me souviens avoir vu la comète de Halley #jesuisvieux

Tsaroako aho nahita ny kintana manandrambon'i Halley

sophiedurocher:

Dans ma jeunesse, il n'y avait pas Internet pour que des anonymes qui n'ont pas de vie déversent leur haine et leur mépris. #jesuisvieille

Tamin'ny fahatanorako tsy mba nisy ny aterineto hahafahan'olo-tsy fantatra tsy manana fiainana manoratra ny fankahalany sy ny fanivaivany ny hafa

Dugomo:

Voler des 33 tours, c'était quand même plus héroïque que télécharger #jesuisvieux

Ny nangalatra kapila no nisy fahasahiana kokoa noho ny misintona hira an-tserasera tsy nahazoana alalana

Kristalynm9:

J'ai déjà imprimer un travail de Cégep sur une imprimante a ruban de Commodore 64 a @tremblay96 #jesuisvieux

Efa nanao asam-panontana ho an'ny CEGEP tamin'ny milina mpanonta Commodore 64 aho @tremblay96

fastclemmy:

on est tous le vieux de quelqu'un #jesuisvieux

Efa zokiny daholo isika amin'ny hafa ankoatra antsika

Farany i Lionel no mihevitra fa ny mafana fo indrindra amin'ny mpandray anjaran'ity tsiahy ity dia i  Anna Gueye ato amin'ny Global Voices ihany:

lionelchollet:

L'une des toutes meilleures séries #jesuisvieux #jesuisvieille, au niveau mondial, est, sans conteste, celle d’@annagueye http://is.gd/dN00B

Tsy isalasalana fa ny iray amin'ny mahavita betsaka indrindra amin'ity taranja  #jesuisvieux #jesuisvieille ity manerantany dia i  @AnnaGueye

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.