Bangladesh: ankizy iray ananganana indray ny sekoly

Ankizy iray dia ampy nitantarana ny fahasimban'ny trano fianarany nanoloana ny fakantsary : nandritra ny volana nanaraka izay, isaorana i Shawn Ahmed avy ao amin'ny Uncultered Project and Nerdfighters, izay nampiasa ny Youtube hanangonana vola ampy hananganana indray ity sekoly rava ity.

Pidahouse ao amin'ny Signboard nalefan'i Shawn Ahmed nahazoana alalana avy amin'ny CC BY NC SA .

Ity sary mihetsika ity no mitantara fa: namely an'i Bangladesh ny rivo-doza Sird tamin'ny taona 2007 : nangonin'i Shawn ny sarin'ny fahavoazana, nalahelo noho ny fahaverezan'ny fiainana ho an'ny ankizy izy ka nandeha nanatona zazalahy kely anankiray, i Pidahause, akanga sisa nanamborana izay nitondra azy nanodidina ny tanàna ary nampiseho azy ny fahavoazan'ny sekoliny. Avy eo navoaka ho hitan'ny olona ny sary mihetsika, ny Nerdfighters, fikambanana manodidina ny VlogBrothers YouTube nampian'ny Uncultured Project no nanangona vola hanampiana ilay zzalahy kely. Ny vola voahangona voalohany dia nanamboarana ny tafo, ary avy eo, satria betsaka ny vola mbola tonga, dia namboarina ilay sekoly, nolokoina ary nahazo birao vaovao aza. Ny zavatra tena mahavariana dia tsy nahazo fanafoanana fandoavana hetra akory ireo fanomezana ireo hatramin'ny nanoratany tao amin'ny vohikalany:

Tsy asa fiantrana izy ity na Fikambanana tsy miankina – fa fanehoana fiantrana ho an'ny mpiara-belona fotsiny.

Satria tsy zavatra manara-dalàna no natao, ireo fanomezana ireo dia tsy hahazoana fanafoanana fandoavana hetra.

Tamin'ny taon-dasa dia be asa be i Shawn, ary nanaraka azy tany amin'ny fanaovana asa soa nataony izahay. Nanomboka tamin'ny famonjena voina tamin'ny taona 2007 sy2008, hatramin'ny fanentanana amin'ny fanadiovana rano. Manana sary mihetsika izy ao amin'ny sita, tsy navoakany matetika izany, ary ataoko fa zavatra tsara izay, na dia nampihena ny mpanaraka azy amin'ny YouTube aza:

Ary na dia tiako aza, dia tsy afaka mamoaka sary mihetsika matetika sy ara-potoana ao amin'ny fandaharam-potoana aho. Voatery mandanjalanja ny fanaovana zavatra tsara sy ny fandaniana fotoana amin'ny famoahana sary mihetsika aho.

Amin'ny lafiny hafa, ny vinavinan'asa tiako hatao dia haharitra taona maro. Mitaky fandaharam-potoana izany, fanaparitahana azy, fahatokisana eny an-tany fiasana, ary koa tsy maintsy heverina ny loza voa-janahary sy ny rivotra politika izay mety hampiova ny fandaharam-potoana.

Eto ambany, sary mihetsika mampiseho an'i Shawn tao amin'ny VidCon,valan-dresaka an-tsary mihetsika aterinety, izay nizarany sary mihetsika miaraka amin'ny mpanatrika: The Boy who Lived (ilay zazalahy kely velona) dia sary mihetsika maneho tantara tokony nolazaina mandritra ny 1000 andro.

Nampihetsim-po ny nosoratan'i Shawn Ahmed ao amin'ny bilaoginy, afaka hitsarana ny zava-misy eny ifotony sady malalaka: hatramin'ny fiasana tsara, salama tsara ary fahafoizan-tena, ka hatramin'ny filana ao anatin'ny sarin'ny fahantrana, amin'ny alalan'ny fanomezana ohatra ho an'ny fikambanana mpanao asa soa hahavitana mihoatra ny hataon'ny be kabary malaza raha tokony hahafoy ho an'ny olona manodidina sy mpanaraka aterinety izy. Araho ary midira ho mpikambana amin'ny YouTube an'i Shawn hanome fijery miabo sy hahafahanao mahafantatra ny fomba hataon'ny olona iray hanovana fiainan'olona maro, tsikelikely eny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.