Venezoela sy Kolombia: manampy fampihomehezana amin'ireo zava-mitranga amin'izao fotoana izao ireo sarimiaina ara-politika eo amin'ny aterineto

Ny nosin'ny Filoham-pirenena

Manala sarona sy manome aina kely ireo saimiaina avoakan'ireo Kolombiana sy Venezoeliana amin'ny tranonkala mikasika izay zavatra maro samihafa mety hiseho amin'izao fotoana izao amin'ny alalan'ny fampisehoana arahana fanentanana anaty tranonkala ao amin'ny aterineto.

Any Kolombia, manome fanakianana amin'ireo zava-nitranga vao haingana i Internautismo Crónico (Chronic Internautism) sy ny Fahitalavitra Parodiario , ary any Venezoela kosa, nifandray mivantana amin'ny Nosin'ny Filoham-pirenena i Chigüire Bipolar . Parodiario.tv dia nanome anarana  hoe Little Tyrant ny  fampisehoana iray an-tranonkala manasongadina karazana fampijaliana roa ka ny elatra Havanana sy Havia dia aseho amin'ny soratra maitso sy mitodika havia,  raha tsy manana fandaharana manokana mba hiresahana ireo raharaha ara-politka kosa ny ‘internautism’  fa dia mametraka ireo soratra amin'ny toerana mikorontana fotsiny arak'izay ivoahany . Nahazo toerana ao amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra LOST ny Nosin'ny Filoham-pirenena any Venezoela ary nametraka ireo filoham-pirenen'i Amerika Latina sy ny Mpanjaka Espanõla ho toy ny olona vaky sambo any amina nosy iray tsy misy olona. Ity manaraka ity misy santionany amin'ny fampisehoana .

Ao anatin’ ity tantaran'ny Internautismo ity, nandeha niaraka tamina Fampisehoana Laha-dresaka Peroviana malaza, ‘Laura any Amerika’ , tany amin'ny taona 1990 ireo  filohan'i Venezoela, Kolombia ary Ekoatera, fampisehoana toy ny an'i Jerry-Springer izay ahitàna zavatra roa mifandrirotra, ny fanitsakitsaham-bady, ary ireo zazakely mistery mandeha isan'andro. Nantsoina hoe ” tsy mifankahazo amin'ny mpiray vody rindrina amiko aho ary te-hamono hahafaty ahy izy ireo” ity fampisehoana ity, ary i Alvaro Uribe, Filohan'i Kolombia milaza amin'i Laura mikasika ireo rehetra ifanolanany amin”i Hugo Chavez, Filohan'i Venezoela, izay mandà ny hanome ireo misily amin'ny mpifanandrina amin'ny Kolombia ( raha toa izy ka miaiky fa nanome zavatra maro hafa azy ireo), ary mandritry izany, aty aoriana, mandà ho tsy niara-nadnry tamin'ny Armed Forces of Colombia (FARC) i Rafael Correa, Filohan'ny Ekoatera, na dia misy aza ny horonantsary mihetsika miafina momba izany.  Any amin'ny farany, amin'ny fomba hafakelin'ny ‘Laura any Amerika’, nomena ny mari-pankasitrahana efa mahazatra ao amin'ny fampisehoana ireo vahiny: kalesy sandwich sy fampianarana momba ny solosaina .

Eo ankilan’ ny Little Tyrant, mampilalao miaraka amin'ireo fomba fahitàny hoe hatraiza no tsy miaraka amin'ny lokon'ny antoko politika notsongaina ny fitantànana tsy mahomby, ny sary miainan'i Parodiario. Niafara tamin'ny fivarotana sy fanapariahana ny DVD mirakitra vanim-potoana roa amin'ilay fampisehoana tamin'ireo trano fivarotam-boky Kolombiana ary fivarotana hira  ny lazan'ity sarimiaina ity (navoaka sy nampiasàna ny  Creative Commons License) . Ao amin'ity ampahan-tantaran'ny Little Tyrant ity, natao tamin'ny gadon'ny ankizy Kolombiana malaza “Rin Rin Renacuajo”, nahita ny fomba hahalasa azy ho mpampita vaovao sy hakàna lesona goavana mandritry ny fiainana ireo mpampijaly havia sy havana, sahala  amin'ny hoe mitondra  fahasamihafàna lehibe ny fahazoana karama mialohan'ny asa.

Any amin'ny ankolafy Venezoela indray, ilay Nosin'ny Filoham-pirenena tena mampialavoly, nentin'i Chigüire Bipolar ho antsika dia mampiseho amintsika ny ireo fifandraisana sarotra misy amin'ireo firenena Amerikana Latina. Amin'ireo ampahan-tantara mitohy roa ireo, tavela any amina nosy iray tsy misy olona ireo filoham-pirenena rehefa avy nandao ny Vovonan'ny Filoham-pirenena. Nanamboatra hazo kely atao lakana izy ireo ary nanapa-kevitra ny handao ilay nosy: tsy izy rehetra anefa no zakan'izy ity ary nanome soso-kevitra ny Filoha Chavez avy any Venezoela, ka lalao baolina kitra no natao teo amin'ireo firenena miara-dia sy ireo firenena tsy miara-dia, ary izay mandresy no miala ny nosy. Ny mpanjakan'i España no mitantara ny lalao. Jereo ny Fizarana 1 sy ny Fizarana 2.

Ary ho toy horonantsary fanomezana, ity ny  Fampisehoana an-tsary ny tantaran'ny Venezoeliana nataon'ny  RetroTV ao  Barinas, Venezoela:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.