Sivana any Singapore

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore.

Sary nalaina tao amin'ny The Online Citizen

Ny 12 Jolay 2010, ny Sampan-draharahan'ny Fampivoarana ny Media (Media Development Authority) dia namoaka ny fanapahan-keviny handràra horonantsary iray (nanomboka ny 14 Jolay 2010) mampiseho an'i Dr Lim Hock Siew mireska imasom-bahoaka momba ny zava-niainany ny fihazonana azy am_ponja noho ny Lalàanan'ny Filaminana Anatiny. Ilay horonantsary dia novokarin'i  Martyn See. Ingahy See koa dia nilazana hamafa ilay horonantsary ao amin'ny  YouTube. Azonao atao ny mamaky ny dikamitovin'ilay horonantsary  ato.

Lucky Tan, mpitoraka blaogy avy ao Singapore, dia nangataka ny hilazàna ny marina:

Raha ny fototra iaingana dia nilaza ny  MICA (Ministeran'ny Filazam-baovao, ny Fifandraisana ary ny Zavakanto) fa noraran-dry zareo ity horonantsary ity satria ny marina ihany no tian-dry zareo havoaka ari ity horonantsary ity dia feno zavatra diso, lainga sy fanodikodinan-dresaka. Dr Lim Hock Siew dia notanana am-ponja mandritry ny  20 taona tsy nandalo fitsarana. Nandritra izany fotoana izany, ny PAP – antoko teo amin'ny fitondrana – dia nanam-potoana tsara mihitsy hanehoana porofo sy hilazàna ny marina mba hahitantsika rehetra ny fomba fiasa mahafinaritry n y ISD mba hiarovana antsika amin'ny sain-demony. Samy mbola miandry isika rehetra.

Sary nalaina tamin'i Jacob Geroge

Ny 18 Jlay, nosamborin'ny mpitandro filaminana ao Singapore tao amin'ny hotely nisy azy noho ny fiampangana azy ho nanao “fanalàm-baraka miharo heloka bevava” i Alan Shadrake, Britanika mpanoratra,  ny ampitson'ny nivoahan'ny bokiny, Once a Jolly Hangman: Singapore Justice in the Dock (Indray andro hono nisy mpanapa-doha sambatra iray: ny Fitsarana ao Singapore mipetraka amin'ny sezan'ny voampanga), izay nitsikera rafi-pitsarana napetraka ao Singapore. Nesorina tamin'ny talantàlan'ireo trano fivarotam-boky lehibe tany Singapore ireo bokiny.

Voatazona nandritra ny roa andro izy izay nangatahan'ny  Amnesty International sy ny Reporters Without Borders ny famotsorana azy.

Ilay blaogy miresaka sosialy sy politika ao , The Online Citizen dia nanontany tena hoe nahoana Ingahy Shadrake no enjehina noho  ny fanalàm-baraka miharo heloka bevava:

Ny bokin'i Alan Shadrake “Once a Jolly Hangman” dia vakiteny saro-takarina. Ilay boky dia mety ho nanelingelina ireo eo amin'ny fitondrana ka ampy hisamborana an'ingahy Shadrake noho ny antony henjana sy fanalam-baraka miharo heloka bevava.

Ny blaogy Singaporiana iray, Chemical Generation Singapore, dia nanoratra:

Miaraka amin'ny fisamborana an'i  Shadrake, ny tena fototr'olana dia tsy ny mikasika ny fanamelohana ho faty loatra, fa tena mikasika ny fetra apetra-tsika momba ny fitsabahan'ny vahiny. Mety amiko ilay hoe manenjika ireo mpanao politika eto an-toerana mahazo fanohanana ara-bola sy fitaovana avy any ivelany. Saingy  ny mizizotra amina vahiny iray amin'ny famoahany ny bokiny, na dia tahaka an'ilay Olivier Fricker mpandrangitra aza ilay vahiny ary mangataka ny ho izany,   toa tafahoatra ihany kosa izany ato anaty bokiko e.  Raha tsy hoe angaha ka zavatra hafa ankoatry ny taka-maso no misy eto

Ilay mafana fo amin'ny politika, Chee Siok Chin dia miampanga ny  Governemanta ho manana  ‘zavatra maloto afenina':

Amin'izao fotoana, fitondrana tsy refesi-mandidy iza no hanaiky ny hisian'izay hoe ho anaty boky misokatra izany ny “zava-miafina malotokeliny rehetra”?
Ny zavatra tahaka izany dia mihatra koa amin'ny valan-dresaka nataon'i Dr. Lim Hock Siew izay nampakarin'i  Martyn See ho ao anaty Youtube. Mazava loatra fa tsy maintsy miondrika manoloanana ny MDA i Martyn had to comply tamin'ny nangatahana azy hanala azy io tao. Na izany na tsy izany, Dr. Lim dia niresaka mikasika ny famonjana azy tsy ara-dalàna nandritry ny 19 taona tsy nisy fitsarana nataon'ny  ISD.
Averina indray mandeha indray, fitondrana jadona iza no hanaiky ny hilazàna ny marina momba ny fomba famikirany amin'ny fahefana ka atao anaty video izay azon'ny rehetra idirana sy jerena?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.