Ny faha 18 Jolay, ho fanoherana ny Lalàna famerenana ny tany amin'ny fanjakana dia navadik'ireo tantsaha Taiwanese ho toy ny tanimbary midadasika ny lalambe migodana manoloana ny trano fiasàn'ny Filoha .
Tamin'ny 9 Jona, 20 ireo fiarabe mpanao asa vaventy/mpitrongy tany nalefa haka tanimbary efa ho 28 hektara tany Dapu Borough (大埔), vohitra tantsaha iray, mba hanaovana fanitarana ny Jhunan Science Park. Nandrenesana tantara fakàna tany toy izany koa avy any Houlong (後龍), Erlin (二林), Jhudong (竹東), Jhubei (竹北), ary ny tananan'i Tucheng (土城).
Tantsaha vitsivitsy sy mafana fo avy ao Dapu no nanabaribary fa tsy ara-dalàna ny fakàna ny tany ary nameno taratasy tao amin'ny Ministeran'ny Atitany [Ministry of the Interior (MOI)] mangataka ny hanafoana ny fanomezan-dàlana ny Governemantan'ny Tananan'i Miaoli haka ny tany ny 17 Jolay. Ny alina, nanao hetsi-panoherana nanoloana ny trano fiasàn'ny Filoha ry zareo, ary nanoloana ny zava-misy dia nirotsaka nanohana ny hetsika koa ireo mponina manodidina izay misedra olana mitovy avy amin'ny tananan'i Houlong Township (後龍), Miaoli County, Erlin Township (二林), Changhua County, Jhudong (竹東) Township sy Jhubei (竹北) City ao Hsinchu County ary Tucheng City (土城), Taipei County.
Taorian'ny fitokonana nandritry ny alina tontolo, manodidina ny 1.000 ioreo tantsaha sy mafana fo nandrakotra ny Lalamben'i Ketagalan tamina ketsa, namadika tanteraka ilay toerana ho lasa kianja maitso ary nampiseho tamin'ny vahoaka ny hakanton'ny asa fambolena.
Nalaina mivantana avy eny an-tanimbary ireo ketsa ireo.
Sary nampindramin'i Edd Jhong.
Nanomboka nikarakara ireo ketsa teo ivelan'ny tranoben'ny Filoha ireo tantsaha.
Sary nampindramin'i Edd Jhong.
Voavadika ho kianja maitso ny Lalamben'i Ketagalan.
Sary nampindramin'i Edd Jhong.
Ai-Wen Chen (陳藹文), mpanohana iray nirotsaka tamin'ilay fanoherana nandritry ny alina, dia nanazava ny antony nanohanany ilay hetsi-panoherana.
自從在網路上看到怪手開進農田強行「整地」的那一幕,我就開始擔心,會不會有一天,我家的地也這樣,可能爲了「開發」二字,我就必須獻出,不管我願不願意。這真的不是錢的問題,是我覺得我們應該被尊重。
我來到這兒參加守夜行動,夜宿凱達格蘭大道,這次的大會師才知道,原來,受害的不只是農民與農地,許多人的居住地、一些古蹟建築的所在地,都同樣被霸王硬 上弓,為了捷運、為了高鐵、為了科學園區、為了工業區…等「開發」的好理由,一個土地徵收條例,所有人都只能用抗爭來表達不願意。只能用抗爭來表達不願意,是我們尊嚴的二度喪失。
Mahaliana anareo ve ny hiafaran'ireo ketsa rehetra ireo?
這些秧苗被在場農民命名為「凱稻」已在行動結束後,被移到台灣各地農村播種,象徵農村生生不息。