Slovakia: Ireo fitsangatsanganan-tsekoly Hongroazy

Tamin'ny fotoan'ireo olana ara-toekarena, nangataka ireo Italiana ny hanao ny fialan-tsasany ao amin'ny taniny ihany, ny Praiministra Italiana. Anatina tranga toy izay ihany koa, nandray lamina hafa ny parlemanta Hongrois (SLO):

Ny antoko Hongroa Fidesz mitantana dia nampiditra volavolan-dalàna any amin'ny parlemanta  izay hanome famatsiam-bola ho an'ireo fitsangatsanganan-tsekoly any amin'ny faritr'ireo firenena manodidina izay an'i Hongrie ihany taloha . Amin'ny maha anisan'ny iray amin'ireo mpametraka ny volavolan-dalàna azy, ny filohan'ny komitin'ny parlemanta misahana ny fampianarana, milaza i Zoltán Pokorni, fa tokony hatao amin'ny tsingerintaonan'ny Jona 1920 [Fifanarahan'i Trianon] izany, izay “nanalàna ireo faritra ireo tamin'i Hongrie .” Natao hanamora ny fifanakalozana  eo amin'ireo sekoly Hongroazy any ivelany sy any Hongrie  izany fandaharam-potoana izany . Araky ny hevitr'i Pokorni, amin'ny alalan’ ireo fitsangantsanganana,  mila fantatr'ireo mpianatra ny fiainan'ny Hongroa any amin'ireo faritra “taloha ” ireo amin'izao fotoana izao  .

Souvenirs in Szentendre, Hungary by Cindy Dam

Ireo fahatsiarovana tany Szentendre, Hongrois avy amin'i Cindy Dam

Ireto ambany ireto misy ireo hevitra vitsivitsy avy amin'ireo Slovaky mponin'ny aterineto mikasika ireo dingana farany nataon'ny Hongroa . Azafady mba hanamarika fa tsy voamarina ireo isa lazaina ireo. Mba jereo ihany koa fa ao amin'ny fomba fiteny Slovaky, misy fahasamihafana eo amin'ny Hongrie taloha (Uhorsko), fanjakana manana foko maro izay nahitàna ny antsasak'ireo mponinaireo Hongroa   (jereo saritanin'i Spectre Hongroa), ary ny faritry ny Repoblikan'ny Hongrie ankehitriny (Maďarsko). Ny zavatra mahaliana ihany koa, dia tsy manana dikany any Hongrie ny anaran'ny fianakaviana Pokorni, fa any Slovakia kosa, midika hoe “manetry tena” ny hoe “pokorní” izay manondro kokoa ny Slavy, raha tsy hoe manana fiaviana Slovaky avy hatrany.

Henrich22:

Tena osa tanteraka izany drafitr'asa izany. Fanjakana manana foko maro i Hongrie [Uhorsko], toerana izay ahitana ireo Hongroa tsy mihoatra ny 50%n'ny mponina. Tamin'ny 1918 dia nivaky ho faritra maro ilay Hongrie taloha sy Trianon izay toeram-pigadran'ireo firenena maro, , ary namarana fotsiny ny tantarany tamin'ny famaritana ireo sisintaniny. Mbola manonofy amin'ny fanitarana ireo taniny sy ny “fanamboarana indray ny Hongrie taloha” i Hongrie, izay tena tsy misy dikany mihitsy. Amin'izany, te-hitondra ireo ankizy Hongroa  ho any Slovakia sy Romania izy ireo ary hampiseho azy ireo hoe – ity izao no Hongrie taloha. Tsy hitondra amin'ny fampihenana fa ho amin'ny fampiakarana ireo fifanenjanana any amin'ny faritra izany. Ary dia manantena hahazo ny fanohanan'ny fanjakana koa izy ireo amin'izany .

***

eutyphrodilema:

Tena azo antoka, hanohana betsaka ny toekarena [Slovaky] ireo fitsangatsanganan-tsekoly ireo, ary tena marina, hahita ny  fiainana lafatra any amin'ireo hotely kintana dimy izy ireo.

***

The1stSaint:

Saingy azonao alaina sary an-tsaina ve (ny zavatra tsaroanao tamin'ny fotoana nianaranao tamin'ny sekoly ambaratonga faharoa) ohatrinona eo ho eo no mety ho lanin'ireo mpianatra amin'ny zava-pisotro? Ireo tombontsoa ho an'ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola !

***

bjuty smis:

Mba misy mpizahatany vitsivitsy aloha farafaharatsiny

***

besny borsuk – motor:

Mihevitra izany ho fandranitana fahatany aho. Mety tsy manana fandaharam-potoana tena matotra i Fidesz. Mitovy amin'ny zavatra fahatany toy ny nanapahan i [Ján Slota] hevitra  hanao soso-kevitra hoe ny fanjakana hanohana ny fitsidihan'ireo mpianatra Slovaky any amin'ny farihin'i Blatenske (Manome anarana an'izany hoe [Balaton] ny olona sasany), izay tao amin'ny [fari-piadidian’ i Nitra ] na Great Moravia.

***

BTW:

[…] 1.Mety ho tezitra amin'ity Praiministra manaotao foana ity aho raha mipetraka any HU [Hongrie]
2. Satria mipetraka aty SK [Slovakia] aho dia faly fa  voatery hivarotra mpizahatany amintsika ny governemantan'ny firenena mpiray vody rindrina . […]

***

Satyr:

Ilaina ny manohana ireo Tiorka  amin'ny fanamboarana indray ny [Fanjakana Ottoman ] ary hamela azy ireo hanao fitsangatsanganana mankany Hongrie – tanin'izy ireo  taloha .

gulovar:

Tokony hieritreritra momba ny fitsangatsanganana mankany Budapest ihany koa ireo Tiorka, hijery ny Fanjakana Ottoman. Fa fotsiny hoe, salama ara-tsaina kokoa ireo Tiorka noho ireo Hongroa .

Taibi:

Amin'izao fotoana izao, aleon'izy ireo [ireo Turque] mankany Alemana .

***

bRANOxxx:

Aleo fotsiny ho avy ry ireo ary vao maika tsara raha tonga miaraka amin'ireo fianakaviany. Zava-dehibe ny fizahantany. Mety hivarotako (ary ho lafo kokoa ) ireo “asatanana” avy any Hongria Lehiibe ihany koa izy ireo (toy ny sarintany amin'ny habe A0 amin'ny vidiny €50 dia mety ho ny nahalafosana be indrindra).

***

lord1977:

Tao anatin'ny dimy taona farany, tsy misy fivoarana ara-toekarena i Hongrie – ny ratsy indrindra any Eoropa afovoany sy atsinanana. Ny tahan'ny trosa izay ananany no avo indrindra any amin'ny Eoropa afovoany sy atsinanana (eo amin'ny 78% amin'ny PIB – vola miditra isam-batan'olona). Tena manana ireo lalàna manan-danja lehibe tokoa ry zareo ao amin'ny fandaharam-potoany 🙂

***

halface:

Miaraka amin'ny anarana toy ny hoe Zoltan Pokorni, tokony hanao fitsangatsanganana mikasika ny [fahafantarana lalina] ireo firenena tsy Hongroa ho an'ireo Hongroa tamin'ireo taona lasan'ny Hongrie Lehibe ry zareo.

***

HelmutHilfe:

Misafidy ireo fitsangatsanganana  mankany Hongria teo aloha aho izay hokarakaraina any amin'ireo firenena rehetra any amin'iny faritra iny. Tantara ikambanantsika izany ary tokony handresy ny fampahatsiahivana ireo soatoavina ifampizarana miohatra amin'ny fanasongadinana ireo tsy fitoviana.

***

Teddy:

Ity no olana lehiben'ny [Praiministra Orban] : Nahazo  fampindramam-bola amin'ny trano, fiara, na izay rehetra ilaina tamin'ny vola Euro na farantsa Soisa ny mponina Hongroa. Ato anatin'ny taona vitsy ho avy, mila mampihena ny sandan'ny Forint […] izy hitantanany ireo fanovàna. Ary izany no olana – tsy maintsy mamerina indroa ny sandan'izay nindraminy ireo nanao findramam-bola tamin'ny vola vahiny […]. Izay no mahatonga an'i Orban hitady ireo lohahevitra hanaronana ireo trosa hoavy sy ny fampihenam-bidy ny Forint. Ireo fitsangatsanganan-tsekoly: rahon-tsetroka ho an'ireo mpifidy fotsiny izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.