Mitady mihoatra noho ireo teny filamatry ny fifidianana ireo Aostraliana

Julia Gillard caricature

(Julia Gillard – digital. © 2010, Andy Dolphin)

Telo ambiniroapolo andro katroka taorian'ny nialan'i Kevin Rudd, niantso fifidianana faobe amin'ny 21 Aogositra ny praiministray Julia Gillard, ny “ranga”-ntsika (menaloha). Mitady ventin-javatra tsy ahodina fotsiny amin'ity fampielezan-kevitra ity ny tontolon'ny blaogy Oz .

Manatena i Guy Beres, ao amin'ny blaoginy mitondra ny anarany ihany, fa hihoatra lavitra ny ampaham-peo sy hiakafanairana ny fampielezan-kevitra :

Tao anatin'ny fihaonan'ny tamin'ny mpanao gazety tamin'ny atoandro nilazany ny datin'ny fifidianana, tsara fiomanana i Julia Gillard, nazava tsara ny fomba fiteniny sady nahatoky tena izy. Niseho sy nanao fihetsika mendrika ny  Praiministra izy. Nandresy lahatra izy, saingy dridran'Ingilo loatra ny famerenany lava fahatany ny fifidianan'ny Mpiasa mantra du jour, “miroso hatrany” izay tsapa fa an-tery.
Raikitra ny lalao amin'ny Sabotsy 21 Aogositra

Tamin'ny feon'ny  The Orstrahyun, manahy ny fampielezan-kevitra ho marivo tototra i Darryl Mason :

Fehezanteny mahatonga ny olona hikatro-nify izany, latsaky ny 24 ora taorian'ny nanambarana ny  21 Aogositra ho datin'ny fifidianana.

Fa sahirana kokoa izy amin'ny anjara asan'ny haino aman-jery mahazatra amin'ny fanohanana ny fanjakazakan'ny rafitra antoko roa any Aostralia :

Ity dia mikasika an'i Gillard &  Abbott manao izay rehetra mety ho vitan-dry zareo mba hanakanana ny Antoko Maitso [The Greens] tsy hahazo fitovian-danja amin'ny fahefana ao amin'ny antenimieran-doholona Aostraliana, ary manozongozona tanteraka ny rafitra antoko roa izay nety tsara tamin'ireo mpanan-karena ao Aostralia nandritry ny ampolon-taona maromaro . Ny maharavo anatin'izany dia  afaka matoky ny fanohanana feno avy amin'ny haino aman-jery Australian Murdoch hanao ny zavatra rehetra mety ho vitany mba hampitahorana ny vahoaka raha hifidy ny Antoko Maitso [The Greens], ny fikambanan'i Labor Party sy ny Liberals/Nationals.
Fijoroana, Firosoana , Fiesonana

Manahy mikasika ny anjara asan'ny haino aman-jery amin'ny adihevitra ara-politika ihany koa i Derek Barry ao amin'ny Wooly Days:

Ny olan'ny asa fanaovan-gazety dia satria ny ankamaroan'ireo mpanao gazety dia ampiasain'ny tangoron'orinasa-na haino aman-jery mitambatra ho iray. Io fikambanana io no hany tokana tahotra goavana ho an'ny demokrasia miaraka amin'ny antom-pisiany mikatsaka tombony mandentika ireo antom-pisiana hafa mamotika ny vataben'ny politika. Midika isa maro-na mpanao tsindry aloka/mpandresy lahatra izany, ireo mpanao gazety PR sy ireo mpanao lalàna izay miasa mba hampidi-bola bebe kokoa ho an'ny orinasany ihany. Ireo olona izay tsy mahita ny fiarahamonina, mpanjifa fotsiny ihany.

Ahoana raha manao fifidianana izy ireo ka tsy misy olona tonga??

Naneho hevitra ireo mpitoraka blaogy sasany fa hoe mety hitàna anjara asa tsy niriana/noeritreretina ny fijerena kokoa ny resaka olona toy izay ny olana ara-politika.

Mitoraka blaogy ao amin'ny Mamamia momba ny ‘ kolotsaina pop, ny politika, ny endriky ny vatana, sakafo, ny maha-reny, ny amin'ny vehivavy, ny lamaody sy ny laza’ i Mia Freedman. Manana hevitra hafa ihany koa izy mikasika ny mety ho fomba  isehoan'ny Praiministra amin'ny haino aman-jery :

Vao andro vitsy fotsiny izay dia mampaneno lakolosy sahady ny tonian-dahatsoratry ny mpandala ny nentim-paharazana: ry ray aman-dreny, hidio ao an-trano ireo zanaka vavinareo. Manana Praiministra miaina ao anatin'ny ota isika ary hanely aretina amin'ny ankizy izy .
Marina ve?
Ho ohatra ratsy ny PM Julia Gillard satria manao tokantrano maso izy. Andraso, 2010 ve izany?

Nisy ihany koa ireo soso-kevitra milaza fa mety ho tranga iray amin'ny fifidianana ny tsy finoan'i Gillard ny fisian'Andriamanitra, saingy mbola  vitsy ihany ireo mpitoraka blaogy nandray izany.

@laepingjudas – unhinged and uncensored no manao indray mibango ny ho fiantraikany goavan'ny fiainana manokan'ny PM:

Tsy miraharaha loatra aho ny amin'ny maha vehivavy azy (na ny zava-dehibe kokoa, ‘ranga’ izy ), tsy manambady sy tsy manan-janaka – ahoana ny fomba fiantraikan’ ireo rehetra ireo amin'ny fahafahan'ny olona hitondra ny tenany ho amin'ny tombontsoa ambonin'ny firenena ?

Tsy ho afaka hahita izy ireo , fa isika afaka kosa, mazava ho azy, hahita ireo sary tranainy izay mihodina manodidina ny resaka toy itony, izay ahelin'ny maro an'isa tsy ampy fiheverana tsy misy fiafaràny; indrindra fa ireo mavitrika avy amin'ny mpandàla ny nentim-paharazana .
Julia Gillard – Praiminisitra ranga tsy mpino … iza no miraharaha an'izany ?

Nanazava ny hevitra raiki-tampisaky ny haino aman-jery manaraka ny lamaody sy taovolo i Brisbanite Kellie ao amin'ny Gen X Journey :

Julia anti-bavy mahantra, mamonjy fotoan-dehibe mitafy ny antsoin'ireo kiana hoe lambam-pandrian'ny hotely mora vidy. Tena marina fa tsy amin'ny tiako ilay izy, nefa dia fomba iray izany handavoana tovovavy. Niezaka izy, ary tsy nahavita, ary dia nentin-dry zareo daholo ankehitriny ireo mpanolotsaina amin'ny lamaody eto amin'ny firenena mba hanoro hevitra azy .
Inona no hitafian'i Julia androany? Dia tokony hiraharaha an'izany koa ve isika ?Hisy fifidianana ho avy anie ry ireto e .

Efa azo antoka fa efa nipongatra ny fanontaniana mikasika ny maha-praiministra vehivavy voalohany eto Aostralia azy , toy ny nambarako ao amin'ny lahatsoratro voalohany Aostralia: Ny fialàna mahamenatry ny Praiminisitra Kevin Rudd.

Niezaka ny nanazava hoe inona no antony tsy hahitana intsony ny Praiministra teo aloha amin'ny vata fahitalavitra tamin'ny zanany mbola tanora kely ny mpitoraka blaogy iray tsy faly:

Bear, 3 taona sy tapany: ‘Aiza i Kevin Rudd?’

Sahirana aho. Te hanome azy fijery tsy miandany aho, hanome azy ireo zavatra tsara rehetra amin'ny fahitana vehivavy iray amina toerana iray eo amin'ny fahefana. Na dia eo aza ny fahadisoam-panantenako amin'ny fanekena tanteraka azy, ny Mpiasa,  maneho ankehitriny …

Ny politika ho an'ny telo taona : ‘Aiza i Kevin Rudd?’

Ity fanehoan-kevitra  somary sahisahy ao amin'ny Paradise Feeds ity dia niarahaba ny vaovao momba ny fifidianana :

Hoatry ny tiako ireto fifidianana atao afaka 30 andro ireto – amin'izay tsy mila mihaino ireo lainga intsony aho mandritry ny roa taona
floridagold

Toa sahisahy i Grog’s Gamut mikasika ireo fihodinana ara-politika sy ny teny filamatry ny Praiminisitra raha nandalina ny lahateniny izy :

Tsy dia misy hoadihadiana firy ireo teny – mifantoka amina faofakom-bondrona ry zareo . Toy ireo kabary tahaka ireny foana.

Araraoty tsara ny 5 herinandro ho avy ; saingy fotsiny aza dia miandry  hoe hanana anjara asa lehibe eo ny fahaiza-mandinika sy ny fahasahiana ara-politika .
Fifidianana 2010: Andro 1 (na aleo jerena miaraka amin'ny vondrona fifanakalozan-kevitra – mety ho Andro Aotra )

Ho an'ireo izay tsy tia loatra teny filamatra, misy tenifototra  hahafahan'izy ireo miteny : #mofo

Mampiasa ny blaoginy My Week in Art momba ny zavakanto i Andy Dolphin, mpanao zavakanto amin'ny zava-boahary manodidina mba hanomezana antsika ny sariitatry ny Praiministra vaovao :

Nandritry ny herinandro maromaro, niezaka ny hamoaka sary azy amin'ny sariitatra aho kanefa tsy handeha hitifitra izany miaraka amin'ny orona tena nitarina be tafahoatra ho  teboka ifantohan'ny sary. Na dia eo aza ny mety ho fiantraikan'ity tantara vaovao ity , misy zavatra betsaka ankoatry ny orony kosa ao amin-dramatoa Gillard .
Julia Gillard: Sariitatra Dizitaly

Ilay iray nasongadina ery ambony ilay sariitatra .

Ndao hanantena hoe hiova ny fampielezan-kevitra ka hiala  amin'ny firosoana ka ho amin'ny faran'izay haingana indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.