Côte d'Ivoire: Nogadraina ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, i Théophile Kouamouo sy ny ekipany nanomboka tamin'ny 13 Jolay

Tamin'ny Talata 13 Jolay, nitatitra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr], fa nahazo fitsidihin'ny polisy tsy nampoizina izy ireo tao aorian'ny nanehoana, io maraina io, ny fametrahana voalohany ny fanadihadiana lalina izay naharitra ny herinandro manontolo amin'ny honohono mikasika ny
kolikoly amin'ny fivarotana cacao sy kafe any Côte d'Ivoire (jereo ny lahatsoratra amin'ny teny Frantsay eto).

[…] le journal a publié aujourd’hui, à sa une, un dossier exclusif au sujet de l’enquête sur les détournements dans la filière café-cacao titré : « Le livre noir de la filière café-cacao, comment les barons ont pillé l’argent des planteurs ».

Le boom que ce dossier a créé au sein du lectorat ce matin a mis en branle les services du procureur de la République Tchimou Raymond. Sur instruction de celui-ci et sans aucun mandat de perquisition, des commissaires et lieutenants de la police criminelle ont débarqué à la rédaction de Le Nouveau Courrier avec pour mission, disent-ils, de récupérer le document de base ayant servi à la rédaction de l’article. Après avoir fouillé tous les ordinateurs de la rédaction, ils ont finalement emportés avec eux un ordinateur portable au lieu du fameux document.

[…] Lohateny lehibe tamin'ny gazety androany ny vaovao manokana, ny fanadihadiana mikasika fanodikodinam-bola ao amin'ny tontolon'ny fivarotana ny kafe-cacao, mitondra ny lohateny hoe : “Ny boky maintin'ny fivarotana kafe-cacao, ahoana ny fomba nangalaran'ny debadeba ny volan'ny mpamboly” .

Ny fanairana nataon'ity fahadihadiana ity teo amin'ny mpamaky tamin'ny maraina no nanetsika ny ekipan'ny mpampanoa lalàna Raymond Tchimou. Noho ny didiny tsy nahazoana baiko hanao fisavana no nidiran'ny kaomisera sy ny lefiny ao amin'ny polisy misahana ny heloka bevava tao amin'ny Nouveau Courrier, ary ny iraka nampanaovina azy, araka ny filazan'izy ireo, dia ny haka ny antonta-taratasy fototra nampiasain'ny gazety. Rehefa nosavainy avokoa ny solosain'ny toeram-piasana rehetra tao dia solosaina finday iray no nentiny fa tsy ilay antontan-taratasy nokarohina.

Notazonina tany amin'ny polisy i Stéphane Guédé mpanoratra, i Théophile Kouamouo talen'ny fanoratana sy i Saint Claver Oula mpanoratra, tao aorian'ny fikarohana tsy nahitam-bokany tao amin'ny biraon'ny Le Nouveau Courrier, rehefa tsy nanaiky ny hanambara ireo loharanom-baovaony ry zareo .

Gazety mpivoaka isan'andro izay nanomboka nivoaka tany Côte d'Ivoire roa volana latsaka izay , tamin'ny 25 May ny Nouveau Courrier , mba hanome fomba fijery lavitra sy lalina mikasika ireo raharaha miseho amin'izao fotoana izao .Anisan'ny voalohany sady isan'ireo mpitoraka bilaogy malaza indrindra amin'ny tany miteny frantsay aty Afrika ny talen'ny fanoratanaThéophile Kouamouo. Nahazo vatsim-pianarana tamin'ny Rising Voices ihany koa izy, niaraka tamin'ny vadiny, Nadine Tchaptchet-Kouamouo izay mpanao gazety ihany koa,  tamin'ny tetikasa Abidjan BlogCamps izay natao hanofana mpitoraka bilaogy any Côte d'Ivoire. Mizaka ny zom-pirenena Frantsay avy amin'ny fiaviana Kameroney izy ary efa mpanoratra tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro Frantsay Le Monde, mipetraka any Abidjan nandritra ny folo taona mahery , ary mpanao gazety manana ny hajany amin'ny maha-mpampianatra azy amin'ny fanaovan-gazety any Côte d'Ivoire sy any an-toeran-kafa rehetra . Iray amin'ireo ezaka nahomby nataony tamin'ny aterineto ny nananganana sehatra fitorahana bilaogy Ivoariana Ivoire-Blog.

Mpitoraka bilaogy maro sy mpanao gazety maro no naneho ny fanohanany an’ i Kouamouo sy ny ekipan'ny Le Nouveau Courrier tamin'ny alalan'ny fanangonan-tsonia amin'ny aterineto izay mangataka ny famotsorana azy ireo haingana, na koa tamin'ny alalan'ny Twitter sy ny vondrona Facebookahitana ny vaovao farany momba io raharaha io . Tamin'ny alalan'io vondrona io no nahalalanay fa mpanao gazety telo no notazonina tao amin'ny polisy nanomboka ny Talata maraina ary mbola hadihadiana mba hilazan'izy ireo ny loharanom-baovao. Tamin'ny Zoma 16 Jolay, no tokony hohenoin'ny mpitsara . Toa hoe nafindra tany amin'ny Fonjaben'i Abidjan izy ireo. Nanoratra i Manasse Dehe mpitoraka bilaogy ivoariana, mpanorina ny vondron'ny Facebook androany :

il n'est plus question de les libérer , c'est là le problème. mais de trouver laquelle des fautes ils ont commis; c'est déjà décidé qu'ils doivent payer pr kkchose qu'ils n'ont pas fait. maintenant les …avocats luttent pour que ce qu'on va leur coller, soir la
plus petite des infractions : genre flagrant délit
Appelle le Président de la Republique à réagir sur ton mur ! Car lui qui est homme de Justice; il peut sortir les 03 journalistes du nouveau
courrier de cette souffrance qu'ils ne méritent pas !!!!

Tsy heverina intsony ny hamotsorana azy ireo , izay no olana . Fa ny fitadiavana ny heloka vitan'izy ireo, efa tapaka mialoha fa mila mijinja ny zavatra tsy nataony izy ireo.  Ankehitriny miady amin'ny zavatra izay tadiavina hanamelohana azy ireo ny mpisolovava, eny fa na dia ny fandikàn-dalàna faran'izay kely indrindra aza. Antsoy ny Filohan'ny Repoblika hanoratra ao amin'ny tabilaonao! Satria olon'ny Fitsarana izy, azony atao ny manafaka ireo mpanao gazety 3 ao amin'ny Le Nouveau Courrier amin'ny fijaliana izay tsy sahaza azy ireo !!!!

Saint-Clavier Oula ao amin'ny efitra figadrany androany

Ity no vaovao farany avy amin'ny pejin'ny Facebook mikasika ny Le Nouveau Courrier :

Théophile Kouamouo, Saint-Clavier Oula, Stéphane Bahi sont actuellement enfermés dans une cellule pleine à craquer. Attendant leur tour devant le juge. Oula est très affaibli. Il a commencé une grève de faim et refuse aussi de prende ses medicaments…

Nohidiana ao amin'ny efitra itambarambe feno hipoka i Théophile Kouamouo, i Saint-Clavier Oula ary i Stéphane Bahi . Miandry ny anjarany handraisan'ny mpitsara azy ireo. Tena reraka mafy i Oula . Nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina izy ary mandà ny hihinana ihany koa ireo fanafodiny ….

Hatramin'ny nivoahan'ny vaovao mikasika ny fanagadrana tamin'ny Talata dia nanomboka nahazo fanohanana maromaro tamin'ireo mpiray asa aminy sy tamin'ireo mpitoraka bilaogy any Côte d'Ivoire sy avy any ivelany ny ireo mpanao gazety  .

Namoaka fanambarana ny Mpitati-baovao tsy voafehin-tsisintany tamin'ny Alarobia faha 14 nilaza hoe :

efa an-taonany maro no tsy nahitan'izy ireo izao fomba ampiasain'ireo manam-pahefana any Côte d’Ivoire izao . Tsy marim-pototra ny fiampangana azy ireo ho nangalatra . Tokony hifantoka ao an-tsaina fa fototra lehibe amin'ny asa fanaovan-gazety ny fiarovana ny fitazonana ho tsiambaratelo ireo loharanom-baovao, petra-kevitra mitombina sy sahaza indrindra amin'itony raharaha saropady toy ny kolikoly amin'ny fivarotana kafe sy kakao tahaka izao.

Nosoritan'ny mpiray asa sasany ao amin'ny takelaka Facebook fa ao amin'ny andininy voalohany amin'ny fitsipi-pifehezana ofisialin'ny mpanao gazety any Côte d'Ivoire navoakan'ny Ministeran'ny Serasera (jereo amin'ny teny frantsay eto) ny fitazonana ho tsiambaratelo ny loharanom-baovao :

Tout journaliste doit revendiquer les droits suivants :
Article 1 : La protection de ses sources d’information.

Voalaza ao ihany koa ny andraikitry ireo mpanao gazety, anisan'izany ny hoe :

Article 8 : Ne jamais révéler les circonstances dans lesquelles le journaliste a connu les faits qu’il rapporte, et ce, pour la protection de l’auteur des informations qu’il a pu recueillir.

Namoaka ny fanambarana [Fr] tamin'ny maraina [17 jolay] teo ny fikambanan'ny orinasam-pamoahan-gazety Ivoariana (Gepci) izay manameloka ny fisamborana  ho fanohintohinana ny fahalalaham-pitenenana any Côte d'Ivoire:

Emprisonner des journalistes pour les contraindre à violer leur propre déontologie en livrant leur source d'information n'est pas acceptable. Surtout que la loi 2004-643 du 14 décembre 2004 portant régime juridique de la presse n'autorise plus qu'un journaliste soit privé de sa liberté pour des faits, en rapport direct avec l'exercice de son métier, tels que ceux reprochés aux responsables et aux journalistes du quotidien Le Nouveau Courrier.

Nitatitra ny vavahadin-tseraseran'ny asa fanaovan-gazety Ivoariana Avenue225 [Fr], izay nanaraka ity raharaha ity hatramin'ny talata , fa nifanaraka ny sendikan'ny gazety hamoaka ny tohin'ny raharaha mikasika ny cacao sy kafe raha mbola tsy avotsotra izy ireo androany [17 jolay].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.