Brezila: Herisetra mianjady isan'andro amin'ny vehivavy

Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny,  dia nibaribary  tanatin'ireo media, sy nahatohina mafy tokoa ny firenena manontolo noho ny haavon'ny herisetra nentina nanaovana ilay heloka bevava. Mandritra izany fotoana izany, ny Instituto Zangari [pt], ivontoerana ara-tsiansa iray ao  São Paulo, dia namoaka  Sarintanin'ny Herisetra ao Brezila [pt] ho an'ny taona 2010 ilazany fa vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono ao amin'io firenena io. Tsy azo nialàna, ny tontolon'ny fitoraham-bolongana dia mampifandray ireo zavatra roa ireo ary ny fanamelohana ny heloka bevava toy izao dia nanjary lohahevitra mangotraka any ambadik'ireo fampielezampeo sy fampahalalam-baovao mahazatra,  izay nijanona fotsiny hatreo amin'ny heloka bevava nataon'ilay mpilalao baolina kitra.

Raha ny filàzan'i Nilcéa Freire, minisitra misahana ny politika momba ny vehivavy, ‘raha ny marina dia tena goavana be ny tsy firaharahan'ny media ny herisetra atao amin'ny vehivavy’ [pt]:

“Quando surgem casos, principalmente com pessoas famosas, que chegam aos jornais, é que a sociedade efetivamente se dá conta de que aquilo acontece cotidianamente e não sai nos jornais. As mulheres são violentadas, são subjugadas cotidianamente pela desigualdade”, afirmou ao ministra.

Rehefa misy ireo tranga, indrindra indrindra fa mahakasika olona malaza mahatonga azy ho tena vaovao lehibe, ny fiarahamonina dia mahita/mahatsapa izay mitranga  amin'ny fiainana andavanandro tsy mba alaina anaty gazety.  Ny vehivavy dia voadaroka, andevozina isan'andro noho ny tsy fitoviana.

Tonga saina amin'io, ireo vondrom-behivavy, toy ny  Pão e Rosas [Mofo sy Raozy, pt], dia manontany hoe impiry ny toy ireny no tokony hitranga ka miantso ireo vehivavy rehetra voaporiporitra mba hivondrona any an-tsekoly, eny amin'ny firaisana vodirindrina ary any amin'ny toeram-piasana.

Devemos exigir abrigos para as mulheres vítimas de violência e para seus filhos e filhas subsidiados pelo Estado, mas sob controle das próprias vítimas de violência, das organizações e comissões de mulheres independentes do Estado, da patronal, da polícia e da Igreja.

Mila isika mangataka toeram-pialofana ho an'ireo vehivavy iharan'ny herisetra , ho an'ny zanak'izy ireo  lahy na vavy, vatsian'ny fanjakana ara-bola saingy kosa eo ambany  fitantanan'ireo niharam-boina ihany, ny fikambanana sy ny komisiaonan'ireo vehivavy tsy miankina amin'ny fanjakana,  avy amina sendika, avy amin'ny mpitandro filaminana ary ny fiangonana.

Andro iraisampirenena anoherana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, Flickr, Tahirin-tsarin'i Daniela Gama, nampiasàna ny CC

Samy manana ny fisehony ireo trangana herisetra atao amin'ny vehivavy any  Brezila. Raha etsy andaniny, mihoatra ny famonoana 10 isaky ny mponina 100.000 any amina distrika 50, dia maherin'ny antsasa-manila amin'ireo tanàna Breziliana no tsy naharaketana vonoolona. Rehefa mampitaha ireo fanjakana Breziliana maro, dia mahazendana ireo elanelana:

Espírito Santo, o primeiro lugar no ranking, tem índices de 10,3 assassinatos de mulheres por 100 mil habitantes. No Maranhão é de 1,9 por 100 mil. “Os resultados mostram que a concentração de homicídios no Brasil é heterogênea. Fica difícil encontrar um padrão que permita explicar as causas”, afirma o pesquisador Julio Jacobo Wiaselfisz, autor do estudo.

Espírito Santo, voalohany ao anatin'ny filaharana, dia manana haavo famonoana vehivavy 10,3 isaky ny mponina 100.000. Any Maranhão dia 1,9 amin'ny 100.000.  Ny vokatra dia maneho ny tsy fitovian'ny fivangongoan'ny famonoana ao Brezila. Sarotra be ny hitady lasitra afaha hanome fanazavana ireo tranga ireo” hoy i  Julio Jacobo Wiaselfisz, mpikaroka nanoratra ilay voka-pikarohana.

Tanatin'ny 10 taona farany, vehivavy maherin'ny 41.000 avy amin'ny sarangam-piarahamonina maro samihafa eo anelanelan'ny 18 sy 30 taona no nisy namono, mazàna eo imason'ny zanany izay matetika ihany koa no iharan'ny herisetra [pt]. Ny tsy fahampian'ny sampan-draharaha mpandray an-tànana ireo vehivavy manana olana no voatondro ho iray amin'ireo  antony mahatonga ho tsimatimanota ireo mpanao herisetra na eo aza ny lalàna  Maria_da_Penha nivoaka ny 2006, izay manome fiarovana ireo vehivavy aorian'ny fitarainana iray sy manome antoka azy ireo fa ho voasazy tokoa ireo mpanao herisetra. Na zany aza [pt],

a nova lei não impediu o assassinato da cabeleireira Maria Islaine de Morais, morta em janeiro diante das câmeras pelo ex-marido, alvo de oito denúncias. Nem uma série de outros casos que todos os dias ganham as manchetes dos jornais.

ilay lalàna vaovao dia tsy nahasakana mihitsy ny famonoana ilay mpanao taovolo Maria Islaine de Morais, maty novonoin'ny vadiny taloha   teo anatrehan'ny cameras tamin'ny Janoary, olona izay efa nametrahany fitarainana miisa  8.

Herisetra mihatra amin'ny vehivavy, azontsika atsahatra!, nampiasàna ny CC

Ny marina, ny ankabeazan'ireo tra-doza dia novonoin'ny olona akaiky azy ireo ihany, vady, sakaiza na lehilahy hafa izay mety ho nolavin-dry zareo [pt].

São casos como negativas de fazer sexo ou de manter a relação. Em 50% das ocorrências, o motivo foi qualificado como fútil, como casos de discussões domésticas. Houve 10% de mortes por motivos passionais, ligados a ciúmes, por exemplo, e 10% relacionado ao uso ou à venda de drogas.

Ny fandàvana tsy hiray ara-nofo na faniriana hanapaka fiarahana no tena mahatonga ireny tranga ireny. Ny  50% amin'izy ireny dia antony nofaritana ho tsy dia misy dikany akory, toy ireo tranga noho ny raharahan-tokantrano. 10% no heloka bevava tafiditra amin'ny hoe ‘noho ny fitiavana’, mifandray amin'ny hasarotam-piaro, ohatra, ary 10% no vokatry ny fampiasàna na fivarotana zava-mahadomelina.

Ny fototry ny herisetra dia lazaina [pt] ho miainga avy amin'ny tsy fanomezan-danja zavatra iray izay isan'ny mamaritra ny kolotsaina Breziliana:

Essas novelas de violência contra a mulher estão tirando do baú toda a brutalidade contra a mulher brasileira. Expôs as vísceras dessa cultura brasileira tão machista; colocou do avesso o iceberg de uma realidade que costumamos empurrar para debaixo do tapete. Os números dessa violência são tão grande que nos assustam e nos levam a pergunta, se essas ações são de seres humanos!

Ireny andiana herisetra atao amin'ny vehivavy ireny dia  mampibaribary ny halozàna mihatra amin'ny vehivavy Breziliana. Mivoaka masoandro ny toetsaina tsy miraharaha zavatra iray ao anatin'ny kolotsaina Breziliana; nitsinkafona ilay ranomandry endrika miafin'ny tena zava-misy nafenintsika tany ambany tsihy. Tena avo tokoa ny isan'ny herisetra ka mahatonga antsika hihorohoro sy hanontany raha tena olombelona tokoa no nanao azy ireny!

Ho an'ilay mpitoraka blaogy Flávia D. [pt] dia ny vehivavy mihitsy koa no isan'ny olana. Matetika izy ireo no manaiky sy mametraka ny anjara toeran'ny vehivavy ao anaty fiarahamonina ho andevon'ny lehilahy, ary matetika voalohany amin'ny fiampangana ireo vehivavy mitondra tena tsy araka izay heverin-dry zareo ho mifanaraka amin'ny tokony ho izy aminy, manamaivana ny zavatra ataon'ireo mpidaroka na dia tsy mivantana aza. Ho an'ny Barbarelas [pt], blaogy iray manokan-tena hiady amin'izay rehetra mety ho herisetra, ilaina ny mampivondrona ny fiarahamonina mba hampitsaharana izay endrika herisetra rehetra atao amin'ny vehivavy.

A violência contra mulheres e meninas é algo intolerável, inaceitável, fere a consciência da humanidade, é uma violação aos direitos humanos. Afeta a saúde, reduz anos e qualidade de vida das mulheres. O Brasil, como signatário dos documentos internacionais de direitos humanos das mulheres, e tendo uma legislação nacional a ser cumprida, não pode calar-se e omitir-se. Espera-se de cada autoridade que faça sua parte. E da sociedade, do movimento de mulheres e de homens pela equidade de gênero, que protestem contra estas manifestações do atraso cultural, do machismo e da omissão.

Tsy azo leferina ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy, tsy azo ekena, mandratra ny fahaiza-mandinika maha-olombelona, fanaovana tsinontsinona ny zon'olombelona izany. Miantraika amin'ny fahasalamana, mampihena ny fahelàna velona sy ny fari-piainan'ny vehivavy. I Brezila, amin'ny maha isan'ny nanao sonia ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zon'ny vehivavy azy, sady manana lalànam-pirenena tokony hampiharina, dia tsy afaka ny hipetraka sy hialangalana fotsiny. Manantena izahay fa handray andraikitra ny manampahefana tsirairay. Ary io fiarahamonina io, ny hetsik'ireo lehilahy sy vehivavy ho fitovian-tsaranga, manohitra ity fikororosin'ny kolotsaina, tsy firaharahana sy ny fialangalanana ity.

Ireo vehivavy mila fanampiana ao Brezila dia afaka miantso maimaimpoana ny  180 hiampangana ny herisetra atao azy ireo na izay an-tandrevaka ataon'ny manampahefana momba ny fitarainana sy ny tranga momba azy ireo. Ny vaovao dia nalaina avy amin'ny blaogy Contra Machismo izay mampahatsiahy ny mpamaky amin'ny lohatenin'ny lahatsorany fa ao Brezila dia mbola miseho lany isan'andro  ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

Vakio ny lahatsoratra mifandraika  Brazil: The Violence Against Women Debate nosoratan'i Diego Casaes anatina andiany amin'ireo Lahatsoratra manokan'ny  Global Voices anangonana fijoroana vavolombelona sy feo  manodidina ny Andro Manerantany ho Famongorana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy – The International Day for the Elimination of Violence Against Women (Novambra 2009).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.