Hosihosen'ny Kyrgyz mpanao rap ao amin'ny vaovao atao hip-hop ireo mpandray tsolotra

Screenshot from Kloop.kg's official channel.

Pikantsary avy amin'ny fantsona ofisialin'ny Kloop.kg

Kloop.kg,vavahadim-baovao Kyrgyz tantanin'ny tanora malaza amin'ny fanandramana endrika vaovao no nanao izany indray.

Taorian'ny fivoahan'ny raharaha maloto resaka kolikoly nahavoapaingotra olo-malaza ara-politika maro ao Kyrgyzstan tamin'ny volana jolay, dia nomen'ny Kloop sehatra ny tanora mpanao rap anankiroa hitsikera ny rafitra politika tao amin'ny fandaharana vaovao fihaonan'ny hip-hop amin'ny folo maraina.

Avy amin'izao ireo tanora mpanao rap, Ermek Myrzabekov sy Mederbek Yrsaliyev, no namoaka lahatsary maharitra roaminitra momba ny fisamborana ny mpikambana parlemantera Kyrgyz Hadzhimurat Korkmazov sy ny talen'ny kabinetran'ny prezidansa Daniyar Narymbayev.

Izy mirahalahy nosamborina ireo dia voampanga ho naka vola an-kendaroroka mitentina $100.000 avy amin'ny zanakavavin'ny Ben'ny tanànan'i Bishkek taloha — notazonina noho ny raharahan-kolikoly hatramin'ny 2012 — ho takalon'ny didim-pitsarana manafaka amin'ny fandraofana ny fananany, trano sy tany.

Ny iray amin'ny mpihira rap mamerimberina momba ilay mpikambana parlemantera voasambotra:

Привет, коррупция. Встречай, вымогательства и взятки,

Теперь Коркмазов с правосудием играет в прятки.

Miarahaba ry kolikoly. Mihaona ny fakambola an-keriny sy ny tsolotra.

Ankehitriny i Korkmazov milalao ara-kiafina amin'ny fitsarana.

Ao amin'ny hirany ireo mpihira rap no manameloka ireo manampahefana sy ny any amin'ny fitsarana:

По идее тут выше всех должен быть судов система,

Но в прогнившем насквозь шальных денег в мире иная схема.

Тузы, шестерки, у короля в кармане перемены.

Навряд ли возможны, нет чистых лиц на старой сцене.

Raha a-nofinofy dia ambonin'ny zavatra rehetra ny rafi-pitsarana,

Saingy misy ny endrika hafa ao amin'ity lò ao amin'ny atidohan'ity tontolo hahazoana vola haingana ity.

As, enina, tazonin'ny Mpanjaka [Filoha] am-paosiny ny fiovana [karatra belôty?]. 

Tsy misy olona madio eo ambonin'ity kianja tranainy ity.

Ulugbek Akishev, tonia ao amin'ny Kloop.kg niteny tamin'ny Global Voices ho enaninona ny ekipam-pamoahana no nanapa-kevitra ny hanome sehatra ireo tanora mpanao rap ireo hanehoany ny talentany:

Мы хотели запустить видео репортажи о главных событиях недели, как это делают некоторые новостные агентства. Услышав первый трек ребят, мы связались с ними и решили пригласить их делать для нас такие репортажи, потому что рэп на социальные темы затрагивают. Ребята настояли, что видео будут посвящены отдельному событию.

Nitady ny andefasana lahatsarin-tatitra [fonony] amin'ny vaovao malazan'ny herinandro, araka ny fanaon'ny sampam-baovao, izahay. Taorian'ny fahitana ny sombiny voalohany nataon-dry zalahy, dia nifandray tamin'izy ireo izahay ary nanap-kevitra ny hanasa azy ireo hanao ireo tantaran-dahatsary ho anay satria fitaovana matajaka eo amin'ny firesahana olana ara-tsosialy ny fanaovana rap. Nikiry ry zalahy fa natokana ho amin'ny toe-javatra manokana ihany ny lahatsary.

Raha hijery ‘vaovao rap’ hafa ato amin'ny Global Voices, jereo ny tantaran'i Anna Gueye ao amin'ny ‘Ny vaovao vita rap’ Vaovao tsy manara-penitra avy ao Senegaly [teny malagasy].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.