Hiresaka Momba ny Elefanta Ahiana ho Lany Tamingana

world elephant dayTamin'ny 12 aogositra no nankalazana ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta. Namondrona ny heriny ireo vondrona isankarazany hampiely ny fanaitairana momba ny fihenan'isan'ny elefanta noho ny fihazana azy ireo, ny fanimbana ny toera-ponenany am-pirenirenena ary ny famarotana tsy ara-dalàna ny vangin'elefanta. Ity no andiany fahaefatry ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta fanao isan-taona :

World Elephant Day has been created to bring the world together to help elephants. It is a day to honor elephants, to spread awareness about the critical threats they are facing, and to support positive solutions that will help ensure their survival.

Najoro ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta hirahan'izao tontolo izao miaraka amin'ny fanavotana ny elefanta. Andro hanomezam-boninahitra ny elefanta, ampielezana ny fanairana momba ny fandrahonana mianjady amin'izy ireny ary hanohanana vahaolana izay ahafahana miantoka azy ireo ho velombelona.

Misty Herrin, talen'ny Nature Conservancy, nanampy fa tanjon'ny fanentanana #SaveElephants handrisika ny olona manerana izao tontolo izao hanohana ny fisantaran-draharaha miaro ny mahasoa ny elefanta:

So many people around the world love elephants but aren’t aware that elephants are in crisis. World Elephant Day helps increase security for elephants and expand habitat because it creates an opportunity to raise a rallying cry.

Maro dia maro tokoa ny olona eto amin'izao tontolo izao no tia elefanta saingy tsy mahalala fa ao anaty krizy ny elefanta. Ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta no manampy amin'ny fiarovana ny elefanta sy manitatra ny toera-ponenany [toera-piainany] satria izany no ahafaha-manararaotra hanandratana hiakam-piraisankina.

Ampirisihana ihany koa ny mpanjifa sy ny mpizahatany hitadidy ireto fikafika sasantsasany ireto rehefa mividy zavatra na rehefa mitsidika firenena mampiroborobo ny fizahantany amin'ny alalan'ny elefanta:

Do not buy ivory or other wildlife products. Be an elephant aware consumer.

Visit elephants in countries where they live in the wild – tourism benefits the economy, provides needed jobs, deters poachers and abuse, and gives you the opportunity to experience the beauty, intelligence, and emotional capacity of these magnificent giants.

If you wish to experience elephants in their natural environment, choose eco-tourism operators who support local elephant conservation projects and who treat elephants with respect and dignity.

Aza mividy vangin'elefanta na vokatra hafa avy amin'ny biby mpirenireny. Meteza ho mpanjifa mahafantatra ny momba ny elefanta.

Tsidiho ireo elefanta miaina mirenireny any firenena misy izany – ny fizahantany no manome vahana ny toekarena, maome ny asa ilaina, mampihemotra ny fihazana sy ny fihoaram-pahefana, ary ahafahanao mahita ny hakanto, ny fahaizana ary ny fihetsehampon'ireo goavana mahafinaritra ireo.

Raha irinao ny hahita ny elefanta any amin'ny tontolo voajanahary iainany, isafidio ireo mpandraharaha ara-pizahantany manohana ny tetikasam-piarovana elefanta sy mikarakara ny elefanta ao anatin'ny fanajana sy ny fahamendrehana.

support elephant dayElefanta ahiana ho lany tamingana

Tombanana fa 400.000 sisa ny elefanta Afrikana mirenireny. Mandritra izany fotoana izany dia tokotokony ho 35.000 ny elefanta aziatika sisa tavela ary efa heverina ho karazam-biby ahiana ho lany taranaka izy ireo.

Elephants once roamed across most of Asia, from Iraq into India and from Southern China to the islands of Indonesia. However, hunting and habitat destruction have reduced their range to just 15% of their former habitat. The species now only survives in small, highly fragmented areas in 13 countries.

Taloha ny elefanta mivezivezy manerana ny ankamaroan'ny faritr'i Azia, hatrany Iràka ka hatrany India, hatrany atsimon'i Shina ka hatrany amin'ireo vondronosin'i Indonezia. Na izany aza, ny fihazana sy ny fanimbana ny toera-ponenany no nampihena ny faritra ivezivezeny ho amin'ny 15 isanjaton'ny fonenany taloha sisa. Amin'izao fotoana izao dia amin'ny faritra efa mitsipotipotika amin'ny firenena 13 sisa no hany iveloman'izy ireny.

Ao Laos, izay fanta-daza ho ‘tanin'ny elefanta an-tapitrisany’, elefanta 300 ka hatramin'ny 600 sisa niangana.

Ho fanohanana ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta ireo mpiseraseran'ny media sosialy no mampiasa ireto diezy Twitter ireto: #elegram, #elphie, #JoinTheSTAMPede ary #WorldElephantDay

Tamin'ny alalan'ny #elegram [soritra elefanta] ny mpisera aterineto no namoaka ireo fandokondokoana, kisangisangy, sary azo atao famantarana ary sangan'asa momba ny elefanta:

Nanala andro tamin'ny bokin'olondehibe fandoko

Nahavita soritsoritra elefanta avy amin'ny karepoka pretzel nandritra ny fihaonana lava dia lava androany. Misaotra an'i Jesse Thorn nanome aingam-panahy

Eto ambany ny tsanganana #elphie [sary miaraka amin'ny elefanta]:

Ny zanakovavy tia elefanta

Sarin'i @SqrrlGrrl ao amin'ny Fitehirizam-bibin'i L.A. [ateveno ny andian'elefanta]

Asehon'ny lahatsary #JoinTheSTAMPede ireo olona tsirairay mandray anjara eny an'arabe ho fanohanana ny fanentanana #SaveElephants [Avoty ny elefanta]. Mandritra izany fotoana izany ny diezy #WorldElephantDay manolotra torohay misongadina momba ireo fomba isan-karazany mety hahalany tamingana ny elefanta:

FIHINA ho an'ny rehetra mpanohana ny elefanta eto! Mientanentana ve ianareo ami'ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta rahampitso?

Ahazoantsika rehetra tombontsoa ny fanavotana ny elefanta. Andao isika rehetra hiaina ao anaty firindrana

Elefanta 96 isanandro no maty. Miangavy mba ✏️ sy RT [hampita]

Rahampitso ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta! i

John Calvelli, avy amin'ny Wildlife Conservation Society, nampahatsiahy ny mponin'i Etazonia fa afa-manakana ny varotra vangin'elefanta ry zareo:

The elephant crisis is not an ocean away; it is in our cities, at our doorstep, and at our fingertips online. The U.S. is one of the world’s largest ivory consumers and maintains a legal commercial ivory market that serves as cover for smuggled ivory, which is virtually impossible to differentiate from legal ivory without a costly scientific analysis.

…if we expect the rest of the world to work with us on stopping the potential extinction of Africa’s elephants, Americans must realize that the fight to save elephants is also taking place here at home.

Tsy any an-dranomasimbe lavitra dia lavitra tsy akory ny olana mianjady amin'ny elefanta; fa ao amin'ny tanànantsika, eo antokonam-baravarana ary eo amin'ny diavintsika antserasera. I Etazonia no iray amin'ny mpanjifa indrindra ny vangin'elefanta eo amin'izao tontolo izao ary mametraka ho ara-dalàna ny varotra vangin'elefanta natao hanakonana ireo vangin'elefanta naondrana an-tsokosoko, izay tsy azo heverina ny ahafahana manavaka azy amin'ny vangin'elefanta nalaina amin'ny fomba ara-dalàna raha tsy anaovana fikarohana ara-tsiantifika lafo dia lafo.

…raha antenaintsika ny ambin'izao tontolo izao hiasa miaraka amintsika amin'ny fampitsaharana ny mety hahalany tamingana ny elefantan'i Afrika, dia tsy maintsy mahatsapa ny Amerikana fa misy ady atao ho famonjena ny elefanta ihany koa ato amin'ny firenentsika.

Ny Andro Manerantany ho an'ny Elefanta dia fisantaran-draharaha iraisampirenena niarahan'ny Elephant Reintroduction Foundation sy i Patricia Sims natsangana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.