Lahatsary: Lasa nihoatra ny isan'ny mponina ao Puerto Rico ny isan'ny igoanà maitso

Image taken by Bernard DUPONT and uploaded to Wikimedia Commons. Used under a Creative Commons Attribution-Share Alike 2.0 Generic Licence.

Sary nopihan'i Bernard DUPONT ary navoaka tao amin'ny Wikimedia Commons. Nampiasaina amin'ny alalan'ny Creative Commons Attribution-Share Alike 2.0 Generic License (CC BY-SA 2.0).

Na dia biby tsy mmpiavaka manokana an'i Puerto Rico aza izy ireny, dia nanenika tao noho ny tsy fisian'ny mpandripaka [azy ireny] voajanahary ny igoanà maitso. Nampidirina tao Puerto Rico izy ireny tamin'ny alalan'ny varotra biby [tsy fahitan'ny Eoropeana] fanao an-trano ary heverina ho karazam-biby mpanani-bohitra, maro loatra ka tao anatin'ny taompolo vitsivitsy dia efa nahatratra 4 tapitrisa izay mihoatra noho ny isan'ny mponina iray manontolon'i Puerto Rico amin'izao fotoana izao. Mahazatra ny mahita azy ireny eny ambony hazo, alan-konko ary amoron'arabe.

Fantatra ao Puerto Rico amin'ny anarana mahazatra hoe gallina de palo, izay midika vinaninany hoe “akohon'ny hazo”, dia mirefy tokony ho iray metatra sy sasany ny halavany, fa mety hahatratra hatramin'ny roa metatra sy miaina anelanelan'ny 10 ka hatramin'ny 15 taona eny amin'ny natiora.

Any amin'ny firenena sasany any Amerika Afovoany sy Atsimo dia ao anatin'ny nahandro ao an-toerana ny igoanà maitso, ka izay no mahatonga azy ireny ho voaaron'ny lalàna izay mametraka fepetra amin'ny fihazana azy. Noho ny lazany amin'ny maha-sakafo fihinana malaza azy ireny amin'ny faritra sasany sy karohin'ny mpivaro-biby fatratra, dia nampidirina ao anatin'ny lisitra CITES Tovana II (Dinan'ny Varotra Iraisampirenena amin'ny Karazam-biby dia sy Karazan-javamaniry dia Ahiana ho Lany Taranaka), izay midika fa na dia tsy azo heverina ho karazana ahiana ho lany taranaka aza izy ireny dia tsy maintsy arahi-maso ny famarotana azy mba ahafahana miantoka fa tsy hihintsana loatra ny isany.

Ao Puerto Rico, misy olona sasantsasany nanapakevitra ny hihaza igoanà fotsiny amin'izao hanampiana ireo mpamboly hiaro ny voka-pambolena. Misy vondrona iray antsoina hoe Los iguaneros de Aguada tsy vitan'ny mihaza azy ireny fa mandrisika ny olona ihany koa hanandrana azy ireny hatao sakafo, ka mampiseho azy ireny ny fomba fahandroana azy.

Misy indray ireo mpikajy ny tontolo iaianana nanangana ekipam-panolo-tena hifehy ny isan'ny igoanà maitso any amin'ny valan-javaboary. Noho ny fanatodizan'ny vaviny iray hatramin'ny 75 —ary mihoatra ny 90% no foy— ny fomba tsara indrindra dia ny manapongatra ny atodiny hiala amin'ny akaniny, ka avy amin'izany no hamonoana azy miaraka.

Ity lahatsarim-panadihadiana fohy telo minitra sy 45 segondra novokarin'ny National Geographic mampiseho ny biolozista Rafael Joglar sy ny mpihevitra ara-tontolo iainana Carlos Rodríguez no manazava hoe maninona no olana goavana ao Puerto Rico tokoa ny igoanà maitso. Nanaovan'i Carlos Rodríguez tsoakevitra ny sarin'ny asa tsy maintsy vita amim-pahombiazana ifehezana ny mponina ao amin'ny Valanjavaboary Las cabezas de San Juan :

We've eliminated since the year 2008 to the present approximately 13,000 eggs from the population. That's a big number, but this is something that we're gonna have to do for the next 15, maybe 20 years.

Nandripaka atody 13.000 izahay hatramin'ny taona 2008 ka hatramin'izao. Isa vaventy izany, saingy zavatra tsy maintsy ataontika ao anatin'ny 15, na 20 taona aza angamba.

Azonao jerena manontolo eto ambany ny lahatsary feno:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.