Fantaro ny Olombelon'i Kibera, Tanànan-tranobongo an-Tanandehibe Midadasika Indrindra eto Afrika

Aerial view of Kibera slum in Nairobi, Kenya. Photo

Jery avy an-danitra ny tranobongon'i Kibera ao Nairobi, Kenya. Sary navoakan'ny tompony Schreibkraft ho ambany dinan'ny Creative Commons.

Tamin'ny fakana aigam-panahy tamin'ny blaogin'ilay mpakasary malazan'ny Humans of New York, ny Humans of Kibera dia tetikasa iray notontosain'ny Kibera News Network (KNN), vondron-tanora tia mamoaka vaovao amin'ny lahatsary avy ao Kibera ao Nairobi, Kenya. Angonin'ny tetikasa ny fiainan'ny mponin'i Kibera—tanànan-tranobongo an-tanandehibe lehibe indrindra ao Afrika—ao amin'ny blaogy Tumblr iray.

Indreto ny notsongaina tamin'ny sary sy tantara avy ao amin'ny Humans of Kibera:

http://humansofkibera.tumblr.com/post/124841786775/alfred-majiga-when-we-vote-as-citizens

Raha nandrotsa-bato amin'ny mahaolompirenena anay izahay dia tsy araka ny nantenainay ny vokatra, tiako ny iresahan'i Obama amin'ny birao misahana ny fifidianana eto Kenya mba hangarahara amin'ny olompireneny satria ireo no fototra mampisaraka ny firenenay.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/125438961470/eunice-mwende-i-like-this-new-legal-power

Tiako ny angovo ara-dalàna ato an-tranoko aho satria tapakila iray ihany no ilaiko, satria manana ny laharan'ny kaonterako aho ary tsy mifampizara izany amin'ny hafa. Mampiasa azy araka izay itiavako azy aho, mora kokoa ity raha oharina tamin'ny nampiasaiko taloha. Raha misy afo eto dia mety handoro ny toerana iray manontolo eto izany saingy amin'ity iray ity dia voaaro kokoa aho noho ny fahatongavan'ny governemanta niaraka amin'ity fanombohan-javatra iray tsara ity.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/124826447955/david-omwake-78-years-old-am-still-paying-tax-to

Mbola mandoa hetra amin'ny governemanta ihany aho nefa tokony ny governemanta no tokony hikarakara ahy, misy vola ho an'ny beantitra eto saingy tsy mba mahazo izany aho.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/123560272530/lilian-achieng-kisumu-ndogo-life-in-kibera-has

Mora tokoa ny fiainana teto Kibera, saingy mihalafo izany amin'izao fotoana izaonoho ny fandrosoana maro mitranga. nampiditra herinjiro aloa mialoha ry zareo izay ahafahako mifehy ny fanafanana ny rano, mipasoka ny akanjoko, mihaino hira sns. Maro ireo zavatra tsy maintsy aloako miainga amin'ny hofan-trano, jiro, sakafo,saram-pianarana, kabone, ny fa na ny efitra fandroana aza. Ohatra jereo ireo efitra fidiovana NYS natsangana teto, nilaza ry zareo fa ho maimaimpoana saingy niova izany ankehitriny, tiany handoa 200 shilling kenyana isam-bolana izahay rehefa noravany ny nampiasainay teo aloha. Te-hanana kabone maimaimpoana izahay raha nolazaindry zareo fa hanampy anay ry zareo, afa-maadio sy mikolokolo azy ireny izahay.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/123472402910/osama-david-many-people-here-are-not-comfortable

Misy olona maro eto tsy mahazoazo ily lalana manala azy ireo ity, mahatsapa ho azy ireo ihany koa aho, saingy farafaharatsiny afa-manampy azy ireo aho handrava ny tranony manavatsava ny lalana.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/123470617365/judith-atieno-chemist-operator-bombolulu-the

Miantraika amin'ny raharahako nandritra ny enimbolana ny arabe, satria tsy afa-miasa aho mandritra ny fanorenena, tsy maintsy miandry ny lalana ho vita aho. Na dia zavatra tsara aza, fa tsara ny fandrosoana, hiasa amin'ny tontolo madio aho ary hanokatra lalam-barotra vaovao ho anay, ho afaka handeha tsotsotra kokoa ao amin'ny hopitaly ste-Marie izahay noho ny fampiasana io lalana io. Misy olona tsy mahatakatra fa eritreretiny hoe hanalana azy ireo hiverina any ambanivohitra io lalana io, saingy ilailo ny governemanta hitondra ny lalana ho ahy. Tsy misy zavatra tsara azo raha tsy miaritra.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/123391153555/dollary-namnane-marijuana-weed-is-not-bad

Tsy ratsy ny rongony fa tsy tokony hihoa-pefy amin'ny fanjifana aminy be loatra ny olona, tokony havitrika ny tanora mba tsy hiadam-pandeha

http://humansofkibera.tumblr.com/post/123190037810/mourice-otieno-ukwala-am-exited-that-president

Nientanentana aho fa ho avy ny Filoha Obama, raha mba afa-mihaona aminy mivantana aho dia hiteny aminy hanorina orinasa bebe kokoa aty izay ahafahan'ny tanora manana asa, hangataka aminy ihany koa aho mba hanome alalana ny fampiasa fanafodin'ny VIH mbah ho sitrana avy hatrany, leo ARV izaynatao hanalavana fiainana fotsiny izahay, satria mino aho fa manana ireny fanafody ireny i Amerika.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/122423370195/domnick-orina-21years-old-i-learnt-how-to-use

Nianatra ny fomba fampiasana solosaina aho raha mbola tany an-tsekoly, Lisea Olaimpika tamin'ny 2012, fa amin'izao fotoana izao mametrakaprograma ho an'ny namako aho.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/121907519995/jackson-mwaki-i-worked-in-the-construction-sites

Niasa telo volana tamin'ny toera-panorenana taozava-baventy aho ary dia afa-nanangom-bola ka nanomboka ity fandraharahana mivarotra ban-kiraro sy silipo ary ba lava manara-batana aho, nandray 300 shilling kenyana isan'andro aho tany amin'ny toera-panorenana taozava-baventy saingy azoko ao anatin'ny roa ora izany amin'izao fotoana izao. Mora kokoa ny asa sady ahazoana vola kokoa

http://humansofkibera.tumblr.com/post/121593222975/aiko-omondi-i-came-to-kibera-back-in-1977

Tonga teto Kibera tamin'ny 1977, nandritra ny fotoana nampalaza ny tarika mpihira Mangelpa ary nindramiko tamin-dry zareo izao fombafiakanjoko izao, tiako ihany koa ny Kanda Bongo Man, ireo ny olona ankafiziko. Lazain'ny olona fa lamaody antitra izao saingy izao no tiako, tahaka izao avokoa ny patalohako rehetra.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/120174630475/james-sanigu-i-came-to-kibera-from-tanzania-two

Tonga teto Kibera avy any Tanzania aho roa volana lasa izay, mivarotra atody nandrahoina tamin'ny akorany ey amin'ny arabe, io asa io no andoavako ny sakafoko sy ny hofantrano, tiako ny asako.

http://humansofkibera.tumblr.com/post/119390924175/caroline-achieng-kisumu-ndogo-i-got-married-to

Nanambady ny vadiko aho 14 taona lasa izay, ary efa nanan-janaka vavy fito taona aloha talohan'izany. Tian'ny vadiko tahaka ny zanany naterany mihitsy io zanako vavy io, raha mba fantatro manko hoe nisy zavatra nafenin'izy ireo tamiko hatramin'ny nahavalo taona ny zanako. Vao haingana izay ny zanako vavy no bevohokany, ary niezaka nanala ny zaza miafina ry zareo, nisy fahasarotana anefa izany ka nandray anjara vola betsaka tamin'ny fanomezana fanafody azy tsy nahalala ny zavamisy akory aho. Afaka ihany ny zaza taty aoriana ary dia notohizan-dry zareo ny nilely tao an-trano teo ampandrianay mivady , indraindray ry zareo nankany Naivasha ary nandany indroa alina tany an'efitra fandraisam-bahiny mihaja, indraindray nalefandry zareo any ambanivohitra herinandro aho mba hiarahany amin'ny zanako vavy ho toy ny vadiny iray hafa. Avy eo fantatro ny zava-drehetra ka niara-nandositra izy ireo, ankehitriny tsy fantatro hoe lasa aiza ry zareo. Enina ny zanaka niarahanay nanana, telo lahy sy telo vavy. Mahatsiaro nilaozana irery, menatra ary misaroritaka, tsy haiko izay aleha, tsy nahaorin-trano tany ambanivohitra izahay. Mahatsapa tena te-handeha lavitra any amin'ny olona tsy mahafantatra ahy aho hiaina irery any miaraka amin'ny zanako, saingy tsy manambola aho ankehitriny. te-handroaka ahy ny tompontrano eto, be ny hofan-trano tsy voaloa, ary efa nanome famptandremana ahy izy, tsy mahavita ahy sy ny zanako ny asa amin'ny NYS, Andriamanitro ô! vita aho.

Tamin'ny 2012, nandritra ny Zaikaben'ny Global Voices tao Nairobi ny Rising Voices niaran'ombon'antoka tamin'ny Map Kibera Trust sy ny Kibera News Network hitondra miaraka ny mpikamban'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ireo vondrona ao Kibera hifampizara traikefam-piainana sy handray anjara amin'ny asam-pampitambaovao an'olon-tsotra.

Mpikamban'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy Map Mathare

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.