Pero : Mijery ny famaranana ny fiadiana tompondaka erantany avy ao Afar

Nifarana ny alahady 11 jolay lasa teo ny famaranana ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra natao tany Afrika Atsimo. Volan'ny baolina kitra iny volana iny. Nijery ny fifaninanana tany Afar ireo mpitia baolina kitra peroviana. Ankehitriny dia miara-mifaly amin'ny Espanola ry zareo amin'ny mahatompondaka erantany vaovao azy.

Teo amin'ny zaridainan'i Lima (Palza de Armas) nisy ity fijerena baolina amin'ny fahitalavitra ity nandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra ity. Sary avy amin'ny Flickr nampiasain'i Aram Kudurshiana nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons.

Omar Velarde, ao amin'ny bilaogy Tiempo extra [es] nanoratra fohifohy:

Con un agónico gol de Andrés Iniesta, España se consagró campeón por primera véz en su historia al vencer por 1 a 0 a Holanda. El ‘Soccer City’ de Johanesburgo se tiñó de rojo al ver la algarabía de ‘la furia’ .

Taorian'ny fitaintainana dia nokobanin'i Andrés Iniesta ny harato, dia nanjary tompon-daka eran-tany voalohany eo amin'ny tantarany i Espaina taorian'ny nandavoany ny Holandey tamin'ny isa 1 – 0. Niova mena be ny toerana fijerena baolina tao “an-drenivohitry ny baolina kitra” tao Johannesbourg rehefa nijery ny “la Furia's” (anaram-bositra nomena ny ekipa Espaniola) tena nafana fo.

Ny bilaogy En la cancha Perú [es], nanadihady ny lalao famaranana miainga avy amin'ny tantara:

Los ibéricos fueron superiores a lo largo del trámite y volvieron a exhibir su claridad, estilo y buen manejo de pelota ante unos holandeses combativos y batalladores. El partido decisivo, disputado en el Estadio Soccer City de Johannesburgo el 11 de julio, fue el tercero que se definió en la prórroga luego de Italia 1934, Inglaterra 1966 y Argentina 1978. La Furia Roja vive su momento de gloria e inscribe así su nombre en el trofeo más codiciado del fútbol. Para Países Bajos, fue su tercera final perdida, tras Alemania 1974 y Argentina 1978.

Nahay ny Espaniola nandritra ny lalao ary nampiseho indray ny fahadiovany, ny fanaony ary ny endrika tsaran'ny baolina kitra talohan'ny ady sy ny tolona nataony. Ny lalao famaranana, natao tao an-drenivohitry ny baolina kitra ao Johannesbourg ny 11 jolay lasa teo, dia fanintelony nilalaovana tamin'ny fanalavam-potoana taorian'i Italia tamin'ny taona 1934, Angletera tamin'ny 1966 ary Arzantina tamin'ny taona 1978. Nahazo fandresena ny Mena Masiaka ary nanoratra ny anarany tamin'ny fahazoana ny amboara amin'ny lalao baolina kitra. Ho an'ny Hollandey kosa, iny lalao iny no lalao famaranana fanintelony naharesy azy, taorian'ny lalao tany Alemaina tamin'ny 1974 sy tany Arzantina tamin'ny 1978.

Eny fa na dia ny marika sasany famantarana ny firenena aza dia voamarik'iny amboara iny, araka ny nomarihan'ny mpitoraka bilaogy ao amin'ny Fulbito y fulvaso [es]:

En España hay devoción al pulpo Paul, ese molusco que acabó por vaticinar el triunfo de la selección española sobre Holanda en la final del Mundial. Tanta, que en la embajada peruana apareció un curioso emblema: la bandera del país ibérico modificada, con un pulpo como escudo.

Any Espaina, tena nankasitraka an'i Paul horita ry zareo, ilay horita nanendry ny fandresen'ny ekipa nasionaly Espaniola nanoloana ny Holandey nandritra ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin'ny baolina kitra. Tena mankasitraka, satria na dia ny ambasadin'i Espaina ao Pero aza, dia ahitana zavatra mampitolagaga miseho : sainan'ny firenena Iberika namboarina, voahodidin'ilay horita manan-tanana valo.

Farany, te haneho ny heviny koa ny vehivavy. Ao amin'ny bilaogy Otras tardes [es], no ahitantsika fijery isan-karazany mikasika iny fiadiana tompon-daka eran-tany iny amin'ny akapobeny, miaraka amin'ny sary mahafinaritra:

El mundial no debe vivirse desde un único punto de vista. A algunas mujeres les gusta el fútbol, a otras no, pero aún así las poco o nada interesadas en este deporte pueden entretenerse viendo a los jugadores más guapos, atléticos y sexys del mundo. Además hay para todos los gustos. Veamos quienes son los que llaman más la atención.

Tsy tokony hojerena amin'ny lafin-javatra tokana fotsiny ny fiadiana tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra. Misy vehivavy sasany mankafy baolina kitra, ny sasany kosa tsy tia, ao koa ireo tsy miraharaha mihitsy io karazam-panatanjahantena io kanefa finaritra ihany mijery ireo mpilalao tsara tarehy, matanjaka sy mihanjahanja manerana ny tany. Midika izany fa samy mahazo ny anjarany daholo ny tsirairay. Jereo izay tena mahaliana kokoa.

Nifarana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny baolina kitra tany Afrika Atsimo tamin'ity taona 2010 ity. Tsy maintsy miandry efatra taona indray isika vao hahita ny tsy ampoizina indray mandritra ny lalao hatao any Brezila amin'ny taona 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.