Hong Kong Manomana ‘Diaben'ny Nono’ Ho Fanoherana ny Didim-Pitsarana sy Fihetsiky ny Polisy Mahatsikaiky

An online poster against police claim of "assaulted by woman protester's breast". From Facebook user orin.

Afisy an-tserasera iray manohitra ny filazan'ny polisy ho “voatafiky ny nonon'ny vehivavy iray nanao fihetsiketsehana”. Avy amin'ny mpisera Facebook orin.

Noho ny fahatezerana naheno ny didy famonjana telo volana sy tapany nomena ny vehivavy iray voampanga ho nanafika polisy iray tamin'ny nonony, dia ampolony ireo fikambanana nanomana “diaben'ny nono” hotontosaina ao Hong Kong amin'ny 2 aogositra.

Ng Lai-ying, 30 taona, no nampangaina ho namely polisy nandritra ny fihetsiketsehana fanoherana mpanera tamin'ny marsa 2015 tamin'ny filazana fa nampiasa ny nonony izy “hamelezana” ilay polisy. Nitranga ny raharaha raha nisambotra ny poketran'i Ng ilay polisy ka niantsoantso avy hatrany ravehivavy hoe “vetaveta fihetsika”, raha nanafosafo ny nonony ny sandrin'ilay polisy. Nivadika ny fiampangana rehefa i Ng Lai-ying indray no notoriana, manoritsoritra fa i Ng no namely.

Maro ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana hafa nampangaina ho nidaroka polisy tamin'io fotoana io ihany.

Na dia tsy nahitana ratra aza ilay polisy tamin'ilay “daroka tamin'ny nono” — raha feno ra kosa ny tavan'i Ng tamin'ny nisamborana azy — dia nilaza ny mpitsara fa nataon'i Ng izay isian'ny korontana sy ny herisetra amin'ny polisy rehefa niantso ny “vetaveta fihetsika” izy ka dia nahazo ny didim-pitsarana higadra telo volana sy tapany tamin'ny 30 jolay. Nahazo fahafahana vonjimaika taorian'ny fandoavana onitra amin'izany i Ng mandra-piandry ny valin'ny fampakarana amin'ny fitsarana ambony.

Ho setrin'ity didy mahatsikaiky ity, dia nanangana ny “diaben'ny nono” ny vondron'olompirenena ampolony. Nampirisika ny mpandray anjara hitady ny tatinono ivelan'ny akanjony ireo mpikarakara ny hetsika hampitana ny hafatra fa “tsy fitaovam-piadiana ny nono”.

Ao amin'ny pejin'ny hetsika Facebook :

We found this ridiculous as Ms Ng was originally making a complaint about suspected sexual assault of a police officer in the protest but now she has been turned into an attacker. We also feel angry about the fact that the case has made weapons of women's breasts and seems to be saying women are wrong to shout for help when faced with an attack.

Mahatsikaiky ny fahitanay ilay izy raha nametraka fitarainana tamin'ny fanohintohinana ara-pananahana natao-na polisy iray Ramatoakely Ng tamin'ny voalohany nefa dia izy indray no lazaina fa mpanafika. Mahatezitra anay ihany koa ny mahita fa lasa mametraka ny nonon'ny vehivavy ho fitaovam-piadiana ity raharaha ity ary toa mametraka fa diso ny vehivavy raha miantso vonjy rehefa misy manafika azy.

Niteny tamin'ny vavahadim-baovao mahaleotena inmediahk.net ny iray amin'ny mpikarakara ny fivoriana Luk Kit Ling fa hanao fihaonana eo amin'ny foiben'ny polisy ry zareo ho fanoherana ny filazan'ny polisy iray milaza fa voadaroky ny nonon'i Ng :

陸潔玲稱到警總是要抗議作供的警員竟稱女性胸部襲擊,認為警員與普通市民權力不平等,日後警員將無須再在性騷擾及性別問題上有任何顧忌。

Nanazava i Luk Kit LIng fa ny fihaonana tao amin'ny foiben'ny polisy dia ho fanoherana ny fijoroana vavolombelona nataon'ny polisy iray milaza fa voadaroky ny nonom-behivavy iray izy. Noho ny fanomezana fahefana ny polisy [ho mpampihatra ny lalàna] dia manampahefana kokoa noho ny olom-pirenena tsotra ry zareo ireo, ity tranga ity no [hitarika mankany amin'ny fihoaram-pahefana] rehefa tonga hatrany amin'ny resaka fa afaka tsy hiraharaha fitarainana fanohintohinana ara-pananahana ry zareo [rehefa manao fanamiana ny polisy].

Gloria Yip, a local artist, initiated a online poster action: Breasts are no weapon.

Gloria Yip, artista iray ao an-toerana, no nanomboka ny hetsika afisy an-tserasera: Tsy fitaovam-piadiana ny nono.

Artista mpiantsehatra Gloria Yip no nanomboka ny hetsika afisy an-tserasera ho fanoherana ny fametrahana ny nonon'ny vehivavy ho fitaovam-piadiana.

Ireto ambany ireto ny notsongaina tamin'ny afisim-panoherana antserasera :

Photo uploaded by Kobe.

Sary nampidirin'i Kobe.

Poster uploaded by a theatre actor, Leo.

Sary nampidirin'ny mpiantsehatra teatra iray, Leo.

Image uploaded by Bull Tsang

Sary nampidirin'i Bull Tsang

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.