Alzeria: Lasa lamaody ve ny fihatsarambelatsihy?

Mandinika ny fihatsarambelatsihy ilay mpitoraka blaogy Alzeriana Salim (Ar) ary manontany hoe: Lasa lamaody ve ny fihatsarambelatsihy?

Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Gossip, Thanks to Hypocrisy [Fosafosa, Misaotra noho ny Fihatsarambelatsihy], manontany i Salim:

ذاك الذي يضحك في وجهي و يسعد بتشويه صورتي عند الناس في ظهري ، هل يستمتع ؟ . و ذاك الذي يلعن أم الحكومة في غيابها و يضحك للشرطي في الطريق و يهتف للرئيس في جولته ، هل هو مستمتع ؟ . ذاك الذي ينصحني و يفكر في أمري و يشغل باله بي ، هل يفعل ما يفعله في ظهري ؟ ..

Finaritra ve ireo izay mihomehy manoloana ahy ary avy eo manaratsy ahy any an-damosiko any? Ary ireo izay manozona ny governemanta an-tsokosoko sy mihomehy miaraka amin'ireo mpitandro filaminana eny an'arabe ary mihogahoga ny filoha rehefa manao fitsidihana izy, mahafinaritra azy ve izany? Ary ilay iray izay manoro hevitra ahy sy mieritreritra ny zava-mitranga amiko ary miasa saina momba ahy, manao izany any an-damosiko koa ve izy?

Ny valinteniny amin'ireo fanontaniana ireo dia:

لا، فور أن أعطيه ظهري، إن لم يلعن أمي كما لعن أم الحكومة، سيكرهني في نفسه رغم أنني و الله لا أفعل شيا يسبب كرهه لي . أصبح النفاق موضة، و أصبح الخبث موضة، و صار الخبيث من خيرة البشر، لأنه بدلا من المنافق صار يسمى الذكي، الذي يضحك في وجه كل الناس ليكسب حب الجميع، لكن الخبث خطأ، والخطأ يكشف في وقت من الأوقات، فلما الموضة من الأساس ..
Tsia, raha mbola manome lamosina azy aho dia hanompa ny reniko izy, tahaka ny hanompàny amin'ny reniny ny  governemanta. Mety hankahala ahy izy, na dia tsy nanao na inona na inona ho amin'izany aza aho. Lasa lamaody toy ny zava-dratsy rehetra ny fihatsarambelatsihy. Ireo olon-dratsy izao no olona mendrika indrindra, ary raha  mpiatsaravelatsihy no tokony hiantsoana azy ireo dia faritana kosa ho ny marani-tsaina. Ireo izay miara-mihomehy amin'ny olon-drehetra, lasa tian'ny olona. Nefa diso ny olon-dratsy ary farany dia hiaisotra ny saron-tavan-dry zareo. Ka ho fanombohana,  nahoana moa izy ireo no manaraka izany lamaody izany?

Manohy ihany ilay mpitoraka blaogy:

أعود للأسلة وهذه المرة سؤال بإجابته ..

بذمتك يا سليم، هل كنت سعيدا حقا أمس عندما تراقصت مع أصدقائك الستة الذين تحصلوا على البكالوريا ؟ كنت تقود بتهور و تشغل الموسيقى العالية و تصفق و تصرخ … وربي لم تسعد، كنت في هدوء صاخب، داخلك كان هادئا جدا باثر الحرقة .. على كل شيئ، و الصخب يملأ كل مكان حولك حتى جسمك ، من أيديك إلى أحبالك الصوتية المهتزة .. كم لوعة مرت عليها لتصرخ، إخراج كبت هو أم نفاق ؟؟

Hiverina hametra-panontaniana aho, nefa amin'ity indray mitoraka ity dia hisy valiny ny fanontaniako.

Resaka matotra ry Salim, tena faly tokoa ve ianao omaly raha niara-nandihy tamin'ireo namanao enina izay vao nahazo ny diplaoma Bakalorea-ny? Nitondra fiara tsy am-pitandremana ianao ary nandefa ny mozika faran'izay mafy, dia nitehaka dia nihorakoraka… Nefa ny marina dia tsy faly mihitsy ianao! Nikorontan-tsaina mangiana ianao. Tany anatinao tany, nangina ianao ary niakatr'afo noho ny zava-drehetra… nanodidina ny tenanao dia fikorontanana tanteraka, nanomboka tany amin'ny tananao hatramin'ireo tadim-peonao  mihetsiketsika. Fanaintainana toy inona no efa nodiavinao ka nahatonga anao hihorakoraka be toy izao? Namoaka ny tao am-ponao ve ianao sa nihatsaravelatsihy?

Mamarana i Salim:

أذا كان هذا نفاقا فمن الأكيد أن ذاك الذي يطعنك في ظهرك و ينافق الحكومة ليس مستمتعا ، لأنك أنت يا سليم حزين بنفاقك مع نفسك .. ومع الكل الذي لاحظ الحزن عليك ..

Raha fihatsarambelatsihy iny, dia azo antoka fa ireo izay nanatsatoka antsy tao an-damosinao sy ireo mihatsara velatsihy manoloana ny governemanta dia tsy faly koa satria ianao, Salim, nalahelo fa nihatsaravelatsihy tamin'ny tenanao sy ireo rehetra nahatsikaritra ny hakivianao.

Lasa lamaody koa ve ny fihatsarambelatsihy any amin'ny fiarahamonina misy anao? Mandraisa anjara amin'ny adihevitra amin'ny fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.