Bahrain: Atsaharo amin'izay!

Miaraka amin'ny volana masin'ny Ramadan silamo (volana fifadian-kanina) izay mihamanakaiky haingana dia haingana, ilay mpitoraka blaogy Bahraini Tawfeeq Al Rayash dia manenjika bitro roa. Mifady hanina mandritra ny telo volana izy ary miala amin'ny fifohana sigara taorian'ny antso fampahatsiarovan-tena avy amin'ny zanany vavy.

Manambara ilay mpitoraka blaogy:

قررت أن أبدأ صيام ثلاث شهور متواصلة رجب شعبان ورمضان ، وهذا القرار لا يرجع الى اي جزاء أو كفارة !!! بل هو رغبة طالما راودتني منذ سنين ولكن لم تكن الظروف مواتية حيث كان السفر عائق لمواصلة اي صيام. إلا أن هذا الصيام جاء في أشهر شديدة الحرارة والرطوبة …. ربي يصبرني !! وإتخذت معه قرار كبير جداً في حياتي وهو التوقف نهائيا عن التدخين ، لمن لا يعلم فأنا مدخن شره (عشرون سيجارة في اليوم) ولمدة ١٨ سنة متواصلة يعني الرئة راحت عليها
Nanapa-kevitra aho fa hifady hanina mandritra ny telo volana misesy - Rajab, Sha'ban ary Ramadan. Ary ity fanambaràna ity dia tsy sazy na fanonerana ny heloka vita!! Faniriako efa hatry ny taona maro izao nefa tsy namela ahy nanao izany ny zava-nisy, sakana ho an'izany ireo fivezivezeko. Na izany aza, amin'ny fotoana mafana sy mando indrindra ny fotoana ifadiako hanina. Hanome faharetana ahy anie Allah! Miaraka amin'ity fanapahan-kevitra ity, naka fepetra lehibe iray amin'ny fiainako aho  dia ny hanatsaharako ny fifohana sigara mandrakizay. Ho an'ireo izay tsy mahalala ahy, mpifoka sigara mavitrika aho (sigara 20 isan'andro) nandritra ireo 18 taona farany teo ary midika izany fa mijaly ny avokavoko

Maro ireo Silamo mpanota no mifady hanina mandritra ny telo volana, anatin'izany ny Ramadan, ho endrika ivelany amin'ny fivavahana.

I Al Rayash koa dia mamolavola ny fanapaha-kevitra hanatsaharana izany ary milaza hoe:

ويعود السبب الرئيسي للقرار الأخير هو أن إبنتي الصغيرة وإبنتة خالها توقعو موتي اذا استمريت في التدخين !!! وعليه جاء هذا القرار ولكن ليس بسبب الخوف من الموت بل لأن إبنتي بدأت تشاهدني وأنا ادخن !!! حيث إنني وطوال فترة تدخيني لم اتجرأ ….إحتراماً وليس خوفاً من أن أدخن أمام ابي أو أمي ولم إدخن داخل بيتي ، قررت أن أترك التدخين خوفاً من إنتقال هذه العادة الى الجيل القادم من سلالتي

فلاتنسوني من الدعاء

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.