Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany

Abuja, Nigeria. April 30, 2014. Protesters took to the streets around the three arms zones of Abuja to demand urgent action from the government in finding the 200 school girls kidnapped in Chibok. By Ayemoba Godswill. Demotix (c).

Abuja, Nizeria. 30 Aprily 2014. Nidina nameno ny arabe manodidina ireo toerana telo fitahirizana fitaovam-piadiana tao Abuja ireo mpanao hetsi-panoherana nitaky hetsika haingana avy amin'ny governemanta hitadiavana ireo ankizivavy 200 nisy naka an-kerny tao Chibok. Avy amin'i Ayemoba Godswill. Fizakàmanana Demotix.

Nahafatesana olona maro sy naharatràna maro hafa ireo fanafihana roa tamin'ny 22 Jona nataonà mpanao vy very ny ainy tao Maroua, avaratr'i Kamerona. Folo andro talohan'io, olona 15 no maty taminà fanafihana nataon'olona nanapoaka tena tamin'ny baomba tao anaty tsena hipoka olona marobe tao N'Djamena, renivohitr'i Chad. Telo herinandro katroka taorian'ilay fanapoahana baomba mitovy amin'izay ihany io fanafihana io, nahafatesana olona 27 tao amin'io tanàna io ihany.

Ny Boko Haram, vondrona jihadista mitoby ao Sahel izay vao haingana no nanambara ny tokim-panompoany tamin'ny ISIS, no nilaza ho tomponantoka tamin'ireo fanafihana. Herinandro vitsy taorian'ireo fanafihana tamin'ny Jona, namely indray ilay vondrona, tamin'ity indray mitoraka ity dia i Jos, Nizeria, nahafatesana olona 44 raha kely. Tato anatin'ny taona maro lasa, im-betsaka ny Boko Haram no efa nanao fanafihana mahafaty olona betsaka tao amin'ny faritr'i Sahel. Ho setrin'izany, nijoro ny fifanomezan-tànan'ireo firenena ao Afrika Andrefana mba hanao valim-panafihana miaramila amin'ny fanantenana handemy ny dindon'ilay vondrona.

Ampahany amin'ny fizotry ny fanafihan'ny Boko Haram izay nihitatra ho any Kamerona,Chad, Niger ary Nizeria ny taona 2015 ity eto ambany ity.

Ny toe-draharaha ankehitriny ao Kamerona
After months of captivity by suspected Boko Haram militants, ex-hostages arrive at Cameroon's Yaounde Nsimalen International Airport. Pubic Domain via Wikimedia Commons

Taorian'ny volana maro naha-babon'ireo heverina ho milisin'ny Boko Haram azy ireo,  tonga any amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Yaounde Nsimalen,ao Kamerona ireo takalonaina fahiny. Sehatra ho an'ny daholobe – Wikimedia Commons.

Hatramin'ny 1 Janoary 2015, 28 raha kely ireo fanafihana lehibe nataon'ny Boko Haram tao amin'ny tany Kamerone —ny ankamaroan'ireny dia tany amin'ny faritra farany avaratra. Araka ny filazan'ireo manampahefana ao an-toerana, any Maroua, tovovavy roa no nanatanteraka ny fanafihana tamin'ny 22 Jolay, tovovavy izay hita nangataka teny an'arabe andro maromaro talohan'izy iny. Ampolony raha kely ny olona maty tao amin'ny tsena afovoany, saingy tsy mbola fantatra izay tena isa marina. Loharano iray avy amin'ny mpitandro filaminana no nanamafy fa fipoahana roa no henon'ny mponina manodidina.

Na teo aza iny loza mahatsiravina iny, nahita fahombiazana vitsivitsy nanoloana ny Boko Haram ny miaramila Kamerone, na dia nila niatrika ny firohotan'ireo mpifindra monina marobe mandositra fifandonana koa aza ilay firenena.

Ny toe-draharaha ankehitriny ao Chad
Chad Air Force Sukhoi Su-25 at N'djamena Airport CC-BY-40 license. Via wikimedia commons

Sukhoi Su-25 an'ny tafika an'habakabaka ao Chad, tao amin'ny seranam-piaramanidina N'djamena. lisansa CC-BY-4.0 . Wikimedia commons.

Mba hanafenana ny baomba, nanafina endrika ho toy ny vehivavy nitafy voaly ilay lehilahy nanapoaka baomba tamin'ny 11 Jolay. Avy amin'io fampahafantarana io, nanapa-kevitra ny governemanta ao Chad handràra ny fisalorana voaly mba hisorohana ny fanafihana mitovy amin'izany. Tena manohintohina be ny fahamarinan-toerana any amin'ny faritra ny fiantraikan'ny fihokoan'ny Boko Haram, indrindra fa ao Chad, izay ny herin'ny tafika ao no fototra amin'ny fampandriana fahalemana any Sahel. Tato anatin'ny volana vitsy, efa nohontsonkontsonin'ny hetsi-panoheran'ny mpianatra sahady i Chad, ary ny 20 Jona fanombohan'ny fitsaràna ilay filoha taloha, Hissen Habre.

Ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ao Niger
"Landscape Diffa region Niger" by Roland Hunziker - http://www.flickr.com/photos/rolandh/151126866/. Licensed under CC BY-SA 2.0 via Wikimedia Commons -

“ny faravodilanitra ao amin'ny faritr'i Diffa , Niger” avy amin'i Roland Hunziker. CC 2.0 via Wikimedia Commons.

Ny fihokoana mitam-piadiana ataon'ny Boko Haram dia nanery olona an'aliny maro manerana ny sisintany ho any amin'ny tany hay atsimo-atsinanan'ny faritr'i Diffa ao Niger, vao mainka mampananosarotra ny olana efa henjana amin'ny maha-olona any. Tonga indrndra ao anatin'ny fotoana nanambaràn'i Niger ny fepetra amin'ny tany misy hotakotaka mba hiatrehana ireo mpihoko mitam-piadiana ny fitobahan'ireo mpialokaloka, izay mitondra ny toekaren'i Diffa ho amin'ny toerana tsy ambony tsy ambany ary mahatonga ny ankamaroan'ny vahoaka ho marefo.

Ny toe-draharaha ankehitriny ao Nizeria

Talohan'ireo fifidianana tamin'ny Martsa 2015, nahita vokatra goavana tamin'ny fanosehana ny Boko Haram ny tafika Nizeriana. Na izany aza, toa efa hita miomankomana any indray ny fanafihana vaovao ho ataon'ny Boko Haram, mialohan'ny fanokanana ny governemanta vaovaon'ny filoha Buhari. io dia na dia nisy aza ny hetsika voalohany nataon'i Buhari namindra ny foibe fibaikoana ny tafika hiala an'i Abuja renivohitra ho any Maiduguri, any amin'ny fanjakan'i Borno —toerana mampangotraka tokoa ny fihokoan'ny Boko Haram.

Voalaza ho nisy fipoahana tao #Gombe, avaratra atsinanan'i #Nizeria. Tsy mbola misy andinindininy

Na izany aza anefa, natosiky ny governemanta vaovao ny hisian'ny fanampiana goavana  iraisampirenena hanoherana ny asa fampihorohorana, noporofoin'ny fihaonana vao haingana teo amin'ny filoha Buhari tamin'ny filohan'i Chad. Kamerona, ary Niger. Nangataka ary nahazony fanomezan-toky avy amin'ny G7 sy Etazonia i Buhari, toerana izay misy azy amin'izao fotoana izao ao anatinà fitsidihana ara-panjakana. Nampanantena i Buhari fa hifampiresaka amin'ireo mpihoko, raha izany no hitondra amin'ny famotsorana ireo tovovavy Chibok 200 nalaina an-keriny efa ho taona iray mahery izao :

Raha toa isika resy lahatra fa afaka hahazo ireo tovovavy ireo, maninona moa, afaka mifampiraharaha isika. Ny hahazoana ireo tovovavy ireo no tanjontsika. Hanontaniantska azy ireo izay tadiaviny ary afaka ny hanafaka ireo tovovavy isika; mamerina azy ireny an-tsekoly; mampitambatra azy indray amin'ny fianakaviany ary mamerina ny haja amam-boninahiny, araka izany dia ho afaka hiainana fiainna ara-dalàna ry zareo.

Lahatsoratra niarahan'i Nwachukwu Egbunike, Dibussi Tande, sy Lova Rakotomalala nosoratana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.