Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia

Regulatory Christmas comes early for Twitter in Russia this year. Image edited by Kevin Rothrock.

Tonga alohan'ny fotoana ny Noely ho an'ny Twitter ao Rosia tamin'ity taona ity. Sary avy amin'i Kevin Rothrock.

Nambaran’ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia. Ny 17 Jolay, nilaza tamin'ny gazety i  Alexander Zharov, filohan'ny Roskomnadzor, ilay toy ny alikan'i Kremlin miambina ny media, fa hoe tsy mijery ireo karazana angon-drakitra tazonin'ny Twitter ho toy ny “mombamomba manokana ny mpampiasa azy” ireo federaly mpanao sivana, amin'ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana.

Ho an'i Zharov, misy eo amin'ny 2,6 tapitrisa eo ireo orinasa erantany izay manangona ny karazana angon-drakitra voafaritra ao anatin'ilay lalàna vaovaon'i Rosia. Mpandraharaha tafiditra amin'ity lisitra ity ny AliExpress, Booking.com, Uber, PayPal, Samsung, sy Lenovo— ireo rehetra ireo izay nanaiky ny hividy na handefa lohamilina mipetraka any Rosia, hoy ny Roskomnadzor.

Alohan'ny 2016, hoy ireo manampahefana dia hanao fitsirihana ireo orinasa 317 ry zareo mba hijerena raha nanaraka izany na tsia. Ho an'i Petr Birger avy amin'ny Slon.ru, ireo fitsirihana hataon'ny Roskonadzor dia ho voafetra amin'ny firaketana hanaporofoana fa ny orinasa iray dia nanao fifanarahana taminà Rosiana iray mpanome tolotra mba ho fampiantranoana ny lohamiliny. (Raha ny fahitàna azy, tsy misy fanomanana fidinana mivantana ny fitsirihana hijerena ireo fotodrafitrasa misy ny lohamilina.)

Fanampin'ny famelàna ny Twitter ho afaka amin'ilay fatotra, milaza ny Roskomnadzor fa tsy manana drafitra hanao fitsirihana ny Facebook na Google, izay lazain'ireo solontena Rosiana fa mampangetaheta azy ireo fatratra ny hihaonana amin'izy ireny indray.

Ny Aprily 2015, notaterin'ny media Rosiana fa nahavita fifanarahana iray ny Google sy ny Rostelecom, iray amin'ireo Rosiana sangany amin'ny fanomezana tolotra fifandraisan-davitra, mba hanofàna toerana aminà lohamilina ao Rosia. Ny Aprily 2015, nilaza tamin'ny Global Voices ny mpitondra teny iray avy amin'ny Google fa tsy “mitombina” ireny tatitra ireny, nandà tsy nitondra fanazavàna misimisy izy.

Kely monja no fantatra momba ny ezaky ny Facebook, na tsy fisiany mihitsy, hamindra ny angon-drakitra momba ireo Rosiana mampiasa azy ho amin'ireo lohamilina Rosiana.

Mahalasa saina ihany ny fanekena tampoka avy amin'ny Roskomnadzor momba ny Twitter, indrindra raha ny fibaribarin'ny ezaka teo aloha nataon'ny Kremlin hahazo miditra amin'ny fijerena antsipirihany ny momba ireo mpampiasa io tolotra io. Raha ny marina, ny fahadisoam-panantenan'ilay masoivoho tamin'ny Twitter no nitondra azy io tamin'ny Desambra 2014 hiangavy mivantana ireo bilaogera, ary somary nahavàka saina ihany, hanome “dikasarin'ny fàfana” misy ny antsipirihany mombamomba azy ireo, izay nolavin'i Twitter ny hanome azy ho an'ny governemanta Rosiana. Toa tato anatin'ny taona vitsy monja no nitombo ny fahalinan'i Rosia amin'ny Twitter. Tamin'ny tapany farany tamin'ny 2014, nitombo 40 isanjato ny fangatahan'ny governemanta Rosiana angon-drakitra mombamomba ireo mpampiasa samihafa, araka ny tatitry ny Transparency tamin'ny Febroary 2015.

Heverin'i Petr Birger fa ny finiavana tampoka avy ao Maosko hihemotra tsy hanao tsindry amin'ireo telo goavan'ny Aterineto (Google, Facebook, sy Twitter) dia mety ho ezaka hanarenana ireo famantarana mifanohitra nalefan'ny mpandrindra ny aterineto ao Rosia tsy ela akory izay. Ohatra, ilay lalàna momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia mitaky hoe mila manao fampiasam-bola goavana ao Rosia ireo orinasa mpisahana aterineto, manofa lohamilina, ary ny tsara indrindra dia mametraka solontena ara-dalàna. Misy andianà lalàna hafa, anefa, toy ny fandraràna ny “fampielezankevitra miresaka famonoantena” na “zava-mahadomelina,” midika fa ireo orinasa momba ny aterineto ao Rosia amin'izao fotoana izao dia azo avahana tsara, saziana, ary sakànana mihitsy aza—izany rehetra izany miainga avy aminà zavatra tsy mety nataonà mpampiasa iray tsy mitonona anarana.

Ny fanapahankevitry ny Roskomnadzor hanemotra ny fitsirihana ny Facebook sy  Google, ary ny fakirizany hoe tsy tratran'io lalànan'ny angon-dakitra fijerena toerana io ny Twitter, dia manaporofo fa mbola mamela ny safidiny hisokatra i Kremlin, no sady miezaka misoroka izay mety ho olana manozongozona avy amin'ny aterineto ka mety hitondra amin'ny tsy fananan'ny firenena ireny tolotra tena malaza be ireny. i Maosko, raha ny fahitàna azy, dia miloka hoe hampiasa vola any Rosia ireo orinasa Amerikana mikirakira ny aterineto, raha toa ka omena fotoana izy ireny, ary tsy ampihàrana ireo lalàna maro navoaka vao haingana sy maneritery ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.