Mandrahona Hanakatona Ny Youtube Ny Mpanao Sivana Aterineto Ao Rosia

Roscomnadzor suggests that the latest block may restrict some Russians' access to all of YouTube. Images mixed by Tetyana Lokot.

Milaza ny Roscomnadzor fa mety hametra ny fidiran'ny Rosiana sasany amin'ny Youtube rehetra ny fanakanana farany niseho. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Namoaka fampitandremana ofisialy hoan'ny mampiantrano habaka lahatsary Youtube ny Roscomnadzor, sampam-panjakana mpanaramaso ny haino aman-jery sy ny aterineto ao Rosia fa mety hampiditra azy ao anatin'ny lisitra maintin'i Rosia noho ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona maro hita ao. Mety hahatonga ny Youtube tsy ho hitan'ny mpiserasera sasany tanteraka intsony ny fanakatonana amin'ity indray mitoraka ity.

Manana olana amin'ireo sivana ao Rosia ny mpampiantrano lahatsary iray noho ny fandikàna tsy nahazoan-dalana ireo fandaharana roa amin'ny fahitalavitra Rosiana, “Chernobyl” ny “Fizruk” (“Ilay Mpampianatra PE”) izay nisongadina tao amin'ny tranonkala. Namoaka didy ny fitsarana ambaratonga voalohany ao an-tanànan'i Moskoa tamin'ny 7 Aprily fa natosaka tao amin'ny Youtube tao anatin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona ireo andiam-pandaharana, ka tsy maintsy noesorina. Nanaiky avy hatrany ny Youtube, saingy nilaza ny Roscomnadzor fa natosaka indray tao amin'ny habaka ireo dika vaovaon'ny andiam-pandaharana hatramin'izay fotoana izay ary mitotaly 137 ireo lahatsary tsy ara-dalàna izay mbola ao amin'ny habaka araka ny hita tamin'ny 20 Jolay.

Tsy mba mahazatra ny Roscomnadzor ny mampitandrina habaka rehefa mampiditra azy ireo ao anatin'ny lisitra maintin'ny RuNet, fa navahana ny YouTube noho izy sokajiana ho habaka iray be mpitsidika indrindra manerantany. Tamin'ny 22 Jolay tao anatin'ny lahatsoratra ao amin'ny habaka ofisialin'izy ireo, nilaza ny Roscomnadzor fa tsy mazava ny antony mahatonga ny YouTube tsy manaja ireo fangatahana fanesorana votoaty vao haingana ary nilaza fa hametraka izany URL izany ao anatin'ny lisitra mainty amin'ny 27 Jolay. Raha mbola ao ny lahatsary mandritra ny telo andro aty aoriana, hakatona amin'ny mpiserasera ao Rosia ny habaka.

Tsara ny manamarika fa nampidirina imbetsaka tao anatin'ny lisitra mainty Rosiana ny pejy YouTube (anisan'izany ny lahatsarin'olona manokana, ny mombamomban'ny mpiserasera, ary ireo fantsona), fa amin'ity tranga ity, nahita ny Roscomnadzor fa tsara ny misarika ny saina mikasika ny mety hisian'ny fanakatonana tanteraka amin'ny Rosiana mpiserasera sasany ny habaka, angamba noho ny arofenitra fanafenan-tsoratra HTTPS ampiasain'ny YouTube, izay manakana ireo mpamatsy tolotra aterineto tsy hahasakana ny mpiserasera.

По истечении трех рабочих дней в случае неудаления противозаконной информации доступ к этим ссылкам будет ограничен операторами связи. Это может привести к тому, что для абонентов отдельных интернет-провайдеров будет ограничен доступ ко всему сервису YouTube.

Aorian'ny telo andro iasàna, raha tsy esorina ny vaovao tsy ara-dalàna, hoferan'ny mpamatsy tolotra aterineto ny fidirana amin'ireo rohy ireo. Mety midika izany fa tsy hahazo hiditra amin'ny tolotra Youtube manontolo ireo mpanjifan'ny mpamatsy tolotra aterineto sasany.

Nilaza ny Roscomnadzor fa manantena ny YouTube hanaja tanteraka ny didim-pitsarana amin'ity raharaha ity izy ireo. Tamin'ny famaliana ny fanehoan-kevitry ny Vedomosti, nilaza ny solontenan'ny Google (izay tompon'ny YouTube) fa “mandinika ny raharaha” izy ireo ary mety hamoaka valinteny ofisialy atsy ho atsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.