Tafika Meksikana Nampangaina Ho Nitifitra Olon-tsotra Nandritra Ny Fanafihana Tany Michoacán

Ejército mexicano en Santa María de Ostula. Medios alternativos y fuentes locales denuncian ataques a civiles durante operativo. Esta y otras imágenes han destacado en el flujo de información que mantiene la atención de los infociudadanos en México.

Sary nozarain'ireo media maro. Mampiseho ny Tafika Meksikana ao Santa María de Ostula. Niampanga ny fanafihana olon-tsotra nandritra ny hetsika natao, ny mpanao gazety tsy miankina sy ireo mpanome vaovao ao an-toerana. Napoitra ito sary ito sy ireo hafa ihany koa, nandritra ny hetsika, izay nanintona ny sain'ireo mpampiasa Aterineto any Meksika.

Araka ireo media maro tsy miankina any Meksika, nolazaina ho nitifitra  olon-tsotra tao amin'ny vondrom-piarahamonina teratany any Santa María Ostula, ao amin'ny kaominin'i Aquila, Michoacán, ny Tafika Nasiônaly, nandritra ny hetsika nisamborana ny iray amin'ireo mpitarika ny fiarovantenan'ny Fanjakana.

Tsy mbola mazava ny totalin'isan'ireo voatifitra, fa araka ny vohikala Desinformémonos , iray farafahakeliny no olona maty — izay ankizy lahikely 12 taona — ary efatra naratra. Amin'izao fotoana anoratana izao, ny Vondrona Mpandrindra Michoacán, ambany fitantanan'ny tafika, dia nanamafy fa nisy fanafihana nataonà vondrona mitam-piadiana tsy fantatra, izay nitifitra ireo mponina, ary nianiana ny hitady ireo tompon'antoka tamin'izany izy.

Namoaka biletà iray nosoniavin'ny “ekipan'ny fanohanana sy firaisankina amin'ny vondrom-piarahamonina teratanin'i Santa María Ostula” ny pejy Facebook-ny Cooperativa de Medios (Fikambanan'ny Media):

El día de hoy aproximadamente a las 10 hrs un pelotón del ejército mexicano se presentó en los parajes de El Duín y Xayakalan, en la comunidad indígena de Santa María Ostula, Municipio de Aquila, Michoacán. […] Los miembros de ejército impactaron sus vehículos contra los puestos de vigilancia y realizaron disparos…

Androany, tamin'ny 10 maraina teo ho eo, nipoitra tao amin'ny tanin'ny El Duín sy Xayakalan ny tafika Meksikana, tao amin'ny vondrom-piarahamonina teratanin'i Santa María Ostula, Kaominin'i Aquila, Michoacán […] Nandona ireo fiarany tamin'ireo toerana fisavàna ireo mpikambana tao amin'ny Tafika ary nanomboka nitifitra…

Tamin'izany filazàna izany ihany, nitatitra ny fisamborana ny iray amin'ireo kaomandin'ny mpitandro filaminan'ilay Voncdrom-piarahamonina izy ireo, izay tompon'andraikitra ihany koa ao amin'ny Fandrindrana Ankapobeny ny Fiarovantena an'ireo kaominin'i Aquila, Coahuayana sy Chinicuila :

De manera paralela otro grupo del ejército mexicano detuvo a Cemeí Verdía Zepeda […] en el poblado de La Placita. En ambas acciones los miembros de ejército no presentaron órdenes de aprehensión y se desconoce los delitos de los que acusan a los detenidos. Cabe mencionar que hasta el momento no han sido presentados ante ninguna agencia del ministerio público y se ignora su paradero.

Niaraka tamin'izay hetsika izay, nisy vondron-tafika Meksikana hafa nisambotra an'i Cemeí Verdía Zepeda […] tao amin'ny vondrom-piarahamonin'i La Placita. Tao amin'ireo hetsika roa ireo, tsy nampiseho taratasy fampilazàna fisamborana na nilaza ny heloka iampangàny ireo voatazona akory ireo tafika.

Ny farany, nampiseho ny valintenin'ireo hery fiarovan'ny vondrom-piarahamonina teo an-toerana ihany koa ilay biletà:

Ante las acciones emprendidas por las fuerzas federales la comunidad de Santa María Ostula se movilizó y en estos momentos mantiene retenidos a  miembros del ejercito mexicano que participaron en las agresiones. Se debe advertir que se está viviendo una situación de tensión extrema en la región.

Noho ireo hetsika noraisin'ireo hery federaly, nikarakara sy nitazona ireo mpikambana amin'ny Tafika Meksikana izay nandray anjara tamin'ilay fanafihana ny vondrom-piarahamonin'i Santa María Ostula. Tokony hampitandremana fa miatrika toe-draharaha tena mafana tokoa ankehitriny ilay faritra.

Nanomboka niparitaka tamin'ny Aterineto ny vaovao momba io zava-nitranga mampalahelo io, na dia nandritra ilay hetsika aza. Lasa nalaza be tamin'ny Aterineto ny sarin'ireo zaza naratra niaraka tamin'ireo fiampangàna ny tafika. Nandefa izao i César Vázquez, ao amin'ny vohikalam-baovao tsy miankina Revolución 3.0:

“Al escuchar el escándalo que se generó después de la agresión niños se asomaron desde las ventanas de sus casas llamados por la curiosidad, los cobardes elementos del Ejército Mexicano les dispararon a mansalva”, asegura testigo que presenció la escena.

El resto de los niños tienen balas incrustadas en el vientre, en los pies y en varias partes de sus cuerpos, aunque no estaban asomados por las ventanas […] las [casas] de madera no fueron capaces de detener las balas de loe elementos castrenses, por eso se reportan infantes heridos y asesinados.

“Noho ireo kotaba rehetra natao taorian'ilay herisetra, nijery teo amin'ny varavaran-keliny ireo ankizy sasany liana te-hahalala ny zava-miseho. Tonga dia nitifitra azy ireo avy hatrany ireo Tafika Meksikana kanosa,” hoy ny vavolombelona iray nanatri-maso ny fandehan-javatra.

Ny ambiny tamin'ireo ankizy, tratran'ny bala teo amin'ny kibony, teo amin'ireo tongony ary tamin'ny faritra hafa teo amin'ireo vatany, na dia tsy nijery teo amin'ny varavaran-keliny aza izy ireo […] tsy nahatàna ny balan'ireo miaramila mantsy ireo trano hazo, izay no antony nisian'ireo tatitra momba ny fisian'ireo ankizy naratra sy maty.

Nitatitra ihany koa io vohikala io fa niampanga ny herisetra nataon'ny Tafika Meksikana nandritra ny hetsika nataony, i José Luis Arteaga Olivares, ben'ny tanànan'i Aquila. Niantso vonjy ny ben'ny tanàna ary nilaza hoe “mamono ny vahoakantsika” ny Tafika:

Ya nos están matando a la gente, el Ejercito; me lleno de impotencia por la forma en que matan a su pueblo. Ojalá puedan hacer algo, ocupamos ambulancias hay muchos heridos.

Efa eo am-pamonoana sahady ireo vahoaka ry zareo, ny Tafika; tena tsy afa-manoatra aho amin'ny fomba entin'izy ireo mamono ireo vahoaka. Manantena aho fa hisy zavatra ho azo atao, mila fiara mpamonjy maratra haingana izahay, misy maratra maro.

Amin'ny Twitter, lasa resaka malaza manerana ny firenena, tao anatin'ny ora vitsy ny tenifototra hoe #Ostula. Maro amin'ireo fihetseham-po no maneho fandàvana, rikoriko ary fahaverezan-toky.

#Ostula izay paradisan'ireo harena natoraly, tafihan'ny Tafika izay tokony hiaro azy

Heloka bevava atao amin'ny maha-olona ny any Ostula, nataon'ny Tafika Meksikana tamin'ity indray mitoraka ity. Ireo tra-boina; ankizy iray maty ary ankizy roa naratra mafy

Tsy maty izy, fa novonoin'ny Tafika Meksikana

Raha manana bala ny fitondrana ary isika manana ny maty, tsy nisy fifandonana tamin'izany, fa nisy famonoana olona kosa.

Ireo sasany nanontany tena ny ny mety no endriky ny filazàna ofisialy momba ilay tantara niseho:

Hilaza tantaranà fifampitifirana indray ve ry zareo?

Raha nanipika ny tsy fahampian'ny fanehoan'ny media nentim-paharazana ny zava-niseho ny sasany, nefa maro tokoa ireo vaovao momba io tao amin'ireo media sosialy, ny lalao baolina kitra Amboara Volamena nifandonan'i Meksika tamin'i Costa Rica no nandeha:

TANDREMO: Raha teo am-pijerentsika ny lalao isika, any Michoacán, manafika ireo mponina teratany any Ostula kosa ireo tafika

Tapitra izao ny lalao. Afaka manodina ny fijerintsika ho any amin'ireo zava-mitranga any Ostula ve isika. Mahamenatra! Endrika iray amin'ny tsy firaharahiana ny zon'olombelona.

Tsy nisy filazana ofisialy natao mikasaka ny isan'ireo olon-tsotra maty, fa nanamafy ny fisian'ny fisamborana ny mpitarika Cemeí Verdia ny governemanta, noho ny filazàna azy ho nanitsakitsaka ny Lalàna Federaly momba ny Fitaovam-piadiana sy ny Baomba.

Tsy mbola misy biletà/fanambaràna momba an'i Ostula ihany. Mbola tara indray izy ireo [ Ny Filoha sy ny Sekreteran'ny Atitany ] vao nahita ny zava-nitranga ary tsy nanao na inona na inona

Ny faran'ny taona 2012 sy fanombohan'ny taona 2013, naka ny fifehezana  ireo kaominina maro ireo vondrona mpiaro tena avy tamin'i Michoacan, mba hanaisorana ireo fikambanana mpanao heloka bevava, toy ny Templar Knights. Iray amin'ireo kaominina telo mametra ny morontsiraka Pasifikan'i Mochoacan i Aquila, faritra ampiasain'io vondrona olon-dratsy io sy ireo fikambanana mpivarotra zava-mahadomelina mba hahazoana ireo “cocaîne” alefa avy any Amerika Atsimo.

Raha te-hahita bebe kokoa ny toe-javatra any amin'ny vondrom-piarahamonin'i Ostula sy ny fandraisany anjara amin'ny hetsika fiarovan-tena samirery, jereo ny lahatsary eto ambany (misy dikanteny ery ambany amin'ny teny Anglisy) avy tamin'i Los Tejemedios:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.