Taorian'ny Tsindry Avy Amin'ny Vondrona Mpanohitra Ny LGBT, Nandao Ny Anjerimanontolon'i St. Petersburg Ilay Psikôlôgy

St. Petersburg State Pediatric Medical University's school logo. Edited by Kevin Rothrock.

Fangon'ny Anjerimanontolom-Panjakana Fianarana Ho Mpitsabo Zaza ao St. Petersburg. Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Nofoanan'ny Anjerimanontolom-Panjakana Fianarana Ho Mpitsabo Zaza ao St. Petersburg ny kaomisiona medikaly nomen'ny lalàna alàlana hisahana ny fanomezana fahazoan-dàlana hanao fandidiana fanovàna taovam-pananahana ireo olona 21 no mihoatra tonga manatona azy, ary toa noroahany aza i Dmitry Isaev, ilay dokotera izay nitarika ilay kaomisiona. Niharan'ny fanenjehana nataon'ny vondrona iray manohitra ny pelaka, fantatra amin'ny hoe Moscow Is Not Sodom and St. Petersburg Is Not Gommorah! (Tsy Sôdôma i Maosko ary Tsy Gômôra i St Petersburg)  i Isaev, manampahaizana manokana fanta-bahoaka, nitarika ny departemanta momba ny psikôlôjia klinika tao amin'ilay sekoly, taorian'ny nanolorany tafatafa ho an'ny Children-404ilay vondrom-piarahamonin'ny tanora LGBT.

Ny 14 May, nandray anjara taminà tafatafa iray miendrika hoe “Anontanio ahy ny zavatra rehetra” i Isaev, tafatafa niarahany tamin'ny Children-404  vondron'ny LGBT an'i Lena Klimova, ka tao izy no namaly ireo fanontaniana samihafa momba ireo olana miainga amin'ny lalàna Rosiana fanampenam-bava atao ny vondrom-piarahamonin'ny LGBT ka hatramin'ny fomba mendrika hitaizàna rehefa hita fa pelaka ny zaza.

Herinandro roa taty aoriana, nikarakara fanentanana iray hanoratana taratasy ny Moscow Is Not Sodom hanoherana an'i Isaev, miampanga azy ho olona narary saina fahiny nahavita heloka, tamin'ny filazàna fa azo ambara ho “tsy nandà velively” ireo fangatahana avy amin'ireo olona voalaza ho nangataka hanova taovam-pananahana izy, tsy toy ireo “mpitsabo saina nentim-paharazana nitàna io toerana io”. Nandrisika ireo mpanjohy azy ilay vondrona mba handefa fitarainana any amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao amin'ny distrikan'i St. Petersburg, hitakiana amin'ny polisy ny hamerenana mandinika ny asany amin'ny maha-mpampianatra sy amin'ny maha-filohan'ny kaomisiona medikaly mpanome alàlana ny fanovàna taovam-pananahana azy.

Ny 10 Jolay, nanomboka niparitaka tety anaty aterineto ireo siosion-dresaka hoe niforitra noho ny tsindry avy amin'ilay fanentanana manohitra ny pelaka, nandroaka an'i Isaev ary nanafoana ilay kaomisiona ilay anjerimanontolo. Ny 16 Jolay, nohamafisin'i Isaev tamin'ireo mpilaza vaovao fa nifarana ny fe-potoam-piasàny tao amin'ilay anjerimanontolo, na dia tsy nety nanome ny antsipirihany momba izay antony aza izy, tamin'ny filazàna fa izay no fanirian'ny sekoly. Tany aloha i Isaev dia nilaza fa tolona natrehan'ny fitantànana ny anjerimanontolo ny hamaly ny fitobahan'ireo fitarainana sy ny antso an-telefona.

Tsy vao izao no voalohany nitafatafan'i Isaev tamin'ny Children-404Taona roa mahery lasa izao, niresaka ela tamin'ilay vondrona izy, nanakiana ny fitomboan'ny kolontsain'ny “tsy fandeferana” ao Rosia ary amin'ny ankapobeny dia nampietry  ny fahatakarana/fahalalàna ny vondrom-piarahamonina LGBT. Nanisy tsindrim-peo ihany koa i Isaev hoe ny fanambadiana olona mitovy taova amin'ny tena sy ireo fironana ara-nofo hafa dia zavatra voajanahary ary tsy tokony hailika amin'ny maha-safidim-pomba fiainana azy.

Raha nanoratra tao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra malaza indrindra ety anaty aterineto ao Rosia, nitsetra ny fametraham-pialàn'i Isaev i Lena Klimova mpanorina ny Children-404, tamin'ny filazàna hoe  “Noheveriko ny hahatanterahan'izany. Hita izao fa tsy misy afaka mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.