Amboara Eran-tany taona 2010: Iza no omena tsiny tamin'ny fomba filalaon'i Nizeria?

Diso fanantenana ny mpankafy baolina kitra tamin'ny talata raha nihena tsikelikely ny vintana farany ho an'ny  ekipa Nizeriana handroso amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany taona 2010  raha niafara tamin'ny isa 2 noho 2 ny fihaonany tamin'i Korea Atsimo. Ohatran'ny nahavelom-panantenana ny ho avy tamin'ny fiatombohan'ny lalao niadiana ny amboara: ekipa iray anisan'ireo mitana laharana ambony indrindra eo amin'ny ekipa Afrikana i Nizeria (faha 21 eo amin'ny filaharana maneran-tanin'ny FIFA — aorian'i Ejipta sy Kamerona eo amin'ny Kaontinanta Afrikana); saingy navesatra tamin'io ekipa io ny  fahadisoam-panantenana, tafiditra ao anatin'izany koa ny fametrahana mpanazatra vaovao telo volana monja nialoha ny  lalao niadiana ny amboara sy ny fanomezana karatra mena ho an'ny mpilalao fanta-daza iray.

Ho an'ny mpankafy an'i Nizeria, nahasorena azy ireo ny fomba filalaon'ny Super Eagles (voromahery matanjaka): Nanao lalao nampihetsi-po tokoa  io ekipa io tamin'ny fiantombohan'ny lalao fiadiana ny Amboara Eran-tany tamin'ny taona 1994, fa fotoana kely taorian'io dia nanomboka nihasolafaka izy ireo, ka tsy nandresy tamina lalao fiadiana ny amboara mihintsy nanomboka tamin'ny taona 1998. Maro no nanantena hoe mety ho fiolahan-dalana ho azy ny taona 2010, fa ny vokatra tamin'ny talata dia nanambara mazava tsara fa ireo rehetra niandry fahateraham-baovaon'ny baolina kitra Nizeriana dia tsy maintsy hiandry hatramin'ny taona 2014 — na mihoatra an'izay.

Teo amin'ny tontolon'ny blaogy, ny fahadisoam-panantenana no tena nanjaka, na tsy dia nahagaga loatra ny mpankafy maro aza ny voka-dalao.  “Tsy handresy na oviana na oviana amin'io lalao io mihintsy ry zareo ,” hoy ny nosoratan'i Bc Osunneye:

Tsy fahatomombanan'ny famandrihana efitra tao amin'ny trano fandraisam-bahiny, fiaramanidina nanana olana ara-teknika, firaisantsaina tsy nahomby, fiovana teo amin'ny fotoana nifanaovana tamin'ny namana sy tapaka, fihaonana tsy nahomby teo amin'ny mpanazatra sy ny mpilalao, hafohezan'ny lisitra  nanoratana ny anaran'ireo mpilalao, NFF izay mbola tompon'i  Chukwu, Eguavoen sy Amodu [Mpanazatra taloha ny Super Eagles] ny asa vita hatrizay efa ho 5 taona [izao] dia voarakitra tao anaty boky  izay mitantara ireo lesoka rehetra.

Nanameloka ny kolikoly ho anisan'ny antony nahatonga ny fomba filalaon'ny ekipa ho latsaka ambany dia ambany i Adeola Aderounmu:

Inona avy ireo zavatra angatahana mba hidiran'ny mpilalao ao anatin'ny ekipa nasionaly? Niresaka tamin'ny mpilalao iraisam-pirenena taloha miisa 2 farafahakeliny aho ary ny valintenin'izy ireo dia nandratra fo tokoa. Amin'ny fotoana sasany, manindry aloka eo amin'ny fifantenana ny mpilalao ho tafiditra ao amin'ny ekipa nasionaly ny mpanao politika Nizeriana, ny mpanao didy jadona sy ny mpikambana ao anatin'ny fianakaviany.  Misy resaka fanomezana tsolotra ny mpanazatra eo amin'ny fisafidianany ny mpilalao ho ao anatin'ny ekipa.

Ny olona sasany dia nanome tsiny an'i  Sani Kaita noho ny faharesen'ny ekipa. Nampihoron-koditra ireo mpankafy i Kaita  noho izy mpilalao Nizeriana voalohany voaroaka voalohany hiala ny kianja  nandritry ny lalao iray fiadiana ny Amboara Eran-tany, taorian'ny nahazoany karatra mena raha izy nikasa ny handaka ny mpilalao iray mpifanandrina taminy.  Nivadika ho ratsy ny fahazoana ilay karatra mena satria efa nanomboka nahavelom-panantenana ny lalao:  1 sy 0 ny baolina talohan'io zava-nitranga io. Nilaza i Peterside Idah, mpitondra tenin'ny ekipa fa  naharay fandrahonana ho faty mihoatra ny 1000 avy amin'ny mpankafy i Kaita taorian'ny lalaon'i Grèce.

Namorona sangisangy momba io zava-nitranga io i Nigerian Curiosity ary namoronany matoanteny vaovao iray:

KAITA (Kai-ta)

v. Kai*ta, Kai*tas, kai*ta'ed, kai*ta'ing

1. Ny fandraisana baolina amin'ny tanan'ila dia manimba ny fanantenana sy ny fanirian'ny firenena iray no sady mampamirapiratra ny firenena hafa

2. Ny famelezana daka mandritry ny lalao dia làlana hivoahanao ny sehatra goavana amin'ny fomba izay  mbola tsy fahitan'ny olona

3. Ny fanimbana/ny famonoana/ny fndnin-kery sy tanjaka ireo mpiara-mlalao ao anaty ekipa sy ny vahoaka 140 tapitrisa nohon'ny hadalana tsy hay ho hazavaina.

4. Ny fanaovana adalana tsy am-pisainana tsara na tsy am-piheverana sy ny fanenenana AVY HATRANY ny tsy nety natao  eo am-pandohalihana

Ny teny niverimberina:

1. “Aza atao KAITA re ny zavatra rehetra naorinay tao anatin'ny 50 taona teo ho eo azafady indrindra e! Oloshi!”

2. “Tsy miraharaha izay lazain'ny olona aho, fa hataoko  KAITA ny fikasana ny arivo tapitrisa dolara!”

Nitaraina ihany koa ireo mpankafy tamin'ny fanoloana an'i  Shaibu Amodu izay nataon'ilay mpanazatra Suédois Lars Lagerbäck telo herinandro monja talohan'ny fiadiana ny amboara. Nanambara ny lahatsoratr'i New York Times, nanontany tena i Chxta hoe  : fa naninona ary no tsy nosoloina mpanazatra Nizeriana  efa ampy traikefa i Amodu?

Fa nahoana isika no manana ity fiheveran-tena ho tena ambany ity? … Nilaza aho hoe manorena avy any amin'ny faratampony… Handeha isika hanangona ireo mpilalao taloha izay kinga dia kinga – Manome soso-kevitra an'i  Siasia/Oliseh aho – ary hamolavola ekipa iray izay mifanaraka amin'ny toetry ny firenena.

Nalahelo tamin'ny fahasorenan'ny mpankafyNizeriana i Max Siollun izay nanatrika ny lalao natao tamin'i Korea Atsimo: 

Tao aorinako dia nisy Nizeriana izay nitàna faneva kely iray, tsy nitsahatra nanofahofa ilay faneva izy ary nametraka ilay izy teo ambony lohako. Efa im-betsaka aho no niteny azy hoe: tsy andry fametrahana faneva ny lohako fa esory teo io. Fa mbola niziriziry nanetsiketsika tsy an-kiato an'ilay faneva nanodidina ny lohako avy ao aoriana izy. Nisy fotoana, sosotra tamiko izy noho IZAHO nimenomenona momba ilay faneva nipetraka teo ambony lohako avy ao aoriana. Noho izany, nanomboka nimonomonona moramora tamin'ny namany izy sady nanevateva ahy tamin'ny tenin-dreniny.

Tsy nahitana mangirana tamin'ny fomab filalaon'i Nizeria,  nampionon-tena tamin'ny fametahana sary mirakitra ny fotoana nampamiratra ny voninahitry ny ekipa i  Bc Osunneye: “Dia mbola hahita fotoana toy ity ve isika?” hoy izy nanontany.

Teo ambanin'io fanontaniana io izy dia nametraka horonantsary mirakitra ny fotoana nahafinaritra azy indrindra tamin'ny lalao baolina kitra  Nizeriana. : ny baolina tafiditr'i Oliseh indray alahady izay nifaninanany tamin'ny ekipan'i  Espana tamin'ny taona 1998.


Jereo eto raha te hahita bebe kokoa  ny tantaran'ny Super Eagles tamin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.