VAOVAO MAFANA: Fifampiraharahana Ara-Nokleary Manatantara Ho an'i Iran Vita Tao Viena

Frederica Mogherini and Javad Zarif announce their arrival at the final nuclear agreement in Vienna Tuesday morning following their final meeting.

Frederica Mogherini sy Javad Zarif manambara ny fahavitan'ny fifanarahana ara-nokleary tao Viena ny marainan'ny talata taorian'ny fihaonana farany nataon'izy ireo.

Ny alatsinainy alina ny fe-potoana farany, ary maro no efa natoky fa ho tontosa mialoha ny fiafaran'ny andro ny fifanarahana. Fa mety ho nisy ny fanemora-potoana indray raha manatomotra ny fanakatonana azy ny roa taona lava dia lava amin'ny resaka fifampiraharahana amin'i Iran eo amin'ny sehatra nokleary, izay nanomboka tao anatin'ny fotoana itondran'ilay Filoha tony fihetsika Iraniana Hassan Rouhani tamin'ny 2013.

Vita ny fifampiraharahana Iraniana. Nahazo ny fifanekena isika.

Nambara ny fisian'ny fifanarahana ny maraimben'ny talata, ary an-dalana ny famaranana ny fihaonana, hoy i Javad Zarif, Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana ary mpitarika ny ekipa iraniana amin'ny fifampiraharahana tamin'ny mpanao gazety:

We are reaching an agreement that is not perfect for anybody, but it is what we could accomplish, and it is an important achievement for all of us. Today could have been the end of hope on this issue. But now we are starting a new chapter of hope.

Nahavita fifanarahana izay tsy lavorary ho an'ny rehetra izahay, saingy io no vitanay, ary dingana lehibe ho antsika rehetra izany. Anio no mety ho faran'ny fanantenana momba ity lohahevitra ity. Saingy eo am-panombohana toko vaovao amin'ny fanantenana isika.

Tsara fandraisana amin'ity fifanarahana ity ho fitarikandron'ny fanantenana na ny Iraniana anatiny na ny Iraniana ivelan'ny firenena. Antenaina ny isian'ny fandrosoana ara-toekarena, miaraka amin'ny fitandremana noho ny lazan'ny olana zon’ olombelona mampalaza ny firenena.

Asehon'ny fifanarahan'i Iran ny asam-panolorantena manorina. Rehefa voavaha ity natao ho olana ity dia hisongadina amin'ny fanamby nifampizaràna ny faravodilanitra vaovao.

Fandresena ho an'ny Diplaomasia sy ny Fandriampahalemana ity Fifanarahana ara-nokleary nataon'i Iran ity.

Tokony ho androm-pankalazana (amim-pitandremana) ho an'ny mpiaro ny zon'olombelona ity andro ity, fifohana rivotra madio,aingam-panahy hiasa mafy kokoa.

Inona moa no ho dikan'ny fifanarahana?

Hivoaka tsy ho ela ny Drafitrasa iraisana , saingy indreto ny tsotra indrindra antenaina ho tao amin'ny fifanarahana:

  • Lazaina mialoha tsy hanao fitaovam-piadiana nokleary farafahakeliny ao anatin'ny folo taona i Iran, ary hisy ny fisafoana vaovao indray ny toerana ara-miaramila sy ara-nokleary.
  • Mbola hihatra amin'i Iran dimy taona fanampiny ny tsy fahazoana mivarotra fitaovam-piadiana napetraky ny Firenena Mikambana, saingy mety hifarana izany raha madio tsara eo anatrehan'ny Sampandraharaha Iraisampirenena Misahana ny Angovo Atomika fa tsy manam-pikasana ny hanangana fitaovam-piadiana nokleary i Iran.
  • Mety afa-manao fanerena hitsidika toby miaramila iraniana ny mpanao fisafoan'ny Firenena Mikambana, saingy tsy mazava ny antsipirihany amin'ity fifanarahana ity satria io no teboka notoherin'ny Mpitarika Faratampon'i Iran indrindra.
  • Handray ireo renivola zato miliara dolara tsy azo nahetsika tany ivelany i Iran ary hiala tsikelikely ny fahirano ara-tsolika nataon'ny Eoropeana sy ireo fameperana isan-karazany natao tamin'ny banky iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.