Manainga Fanahy Ireo Mpanao Sary Mahatsikaiky Ny Resabe Momba Ny Kolikoly Ataon'ny Praiminisitra Maleziana

One of the popular images that became viral in Malaysia. It features Prime Minister Najib Razak after Wall Street Journal reported that 700 million US dollars were transferred to his bank accounts.

Iray amin'ireo sary malaza lasa miparitaka be any Malezia. Mampiseho ny Praiminisitra Najib Razak taorian'ny nitanteran'ny Wall Street Journal fa vola mitentina 700 tapitrisa dolara Amerikana no nafindra tao amin'ny kaontim-bankiny.

Naneho ny fihetseham-pony ireo Maleziana tamin'ny tatitra fanadihadian'ny Wall Street Journal, izay nampavoarohirohy ny Praiminisitra Najib Razak ho nanao kolikoly, tamin'ny fankalazana ny tenifototra #1MDBMovies tanaty Twitter. Izany dia entina milaza ny fikorontanana ara-bola mahavoarohirohy ny 1Malaysia Development Berhad (1MDB), orinasa fampiasam-bola tantanan'ny fanjakana izay voalaza ho nanao famindram-bola tsy ara-dalàna maro tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Ny 02 Jolay, nitatitra ilay gazety Amerikana fa vola mitentina 700 tapitrisa dolara Amerikana (RM 2,6 lavitrisa) no nafindra tamin'ny kaontim-banky manokan'i Najib tamin'ny alàlan'ny 1MDB.

Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo #1MDBMovies malaza izay nampihomehy ireo Maleziana maro:

Ny Ringgit no volan'i Malezia

#1MDBMovies: I Rosmah mpamosavy

I Rosmah dia vadin'i Najib ary voarohirohy ihany koa anatin'ireo fiampangàna fanaovana kolikoly.

Ireo 4 Mahatalanjona: Fiakaran'ny RON95, ny hetra, sy ny maro hafa koa #1MDBmovies

Miseho eto ambony ireo voalaza ho aditoha nikotrika tamin'ilay resabe ara-bola.

#1MDBMovies: Lehilahin'ny Halatra.

Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Najib fa mifototra amin'ny porofo namboarina ilay tatitra. Niampanga ireo fahavalony ara-politika ho mikomy miaraka amin'ireo vahiny izy mba hanonganana ny fanjakana:

Tsy nanome porofo mihitsy ireo fanendrikendrehana ireo na tamin'ny inona na tamin'ny inona. Ny zavatra hany henontsika dia ny hoe mifototra amin'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka sy ireo mpanao fanadihadiana tsy mitonona anarana ireo fiampangàna ireo. Tsy naseho mihitsy ny loharanon'ireo antontan-taratasy ireo na indray mandeha monja aza, sady tsy mba nomena hohamarinin'ireo manam-pahefana.

Nandefa taratasy tany amin'ny Wall Street Journal ihany koa ireo mpisolovava an'i Najib mba hanazava ilay tatitra ary nilaza fa mety hitory ilay gazety an-tsoratra izy:

Mitaky valiny ato anatin'ny 14 andro izahay, ary miangavy anareo mba hilaza aminay raha nahatendry mpisolovava ao Malezia manaiky ireo zotran-dalàna mikasika ny sampan-draharaha ianareo.

Andro vitsy taorian'ny namoahany ilay lahatsoratra momba an'i Najib, namoaka antontan-taratasy sasantsasany nampiasaina ho fototra tamin'ny nanoratana ilay tatitra ny Wall Street Journal:

Ireo antontan-taratasy mampiseho ireo eritreretina fa famindram-bola efa mitentina ho 700 tapitrisa dolara tao amin'ny kaontim-bankin'i Najib

Vantany vao nihanalaza tanaty Aterineto ilay tenifototra #1MDBMovies, dia nampitandrina ny vahoaka hanajanona ny fanaparitahana tatitra diso ny Kaomisiôna Maleziana Misahana ny Serasera sy ny Fifandraisan-davitra:

Ilazàna ny vahoaka mba hanajanona ny fizaràna sary nasiam-panamboarana, vaovao diso na tsahotsaho momba ny fanadihadiana mikasika ny 1MDB amin'ny alàlan'ny media sosialy, isan'izany ny fampiarana WhatsApp.

Mamaritra io fanambaràna io ho fandrahonana ny fahalalahana miteny ny olona sasany, na dia nanamafy aza ny masoivoho taty aoriana fa tsy fandikan-dalàna ny fanaovana esoeson-teny na ny fanitaran-javatra ho lasa hanihany.

Nanome toky ny hisian'ny fanadihadiana tsy mitanila i Najib mikasika ny trosan'ny 1MDB izay miteraka resabe, nefa dia efa mitaky ny fametraham-pialàny sahady ny mpanohitra. Mandritra izay, nanaporofo ireo mpampiasa ny Aterineto ao Malezia fa afaka mampiasa tsara ny hanihany izy ireo mba hiresahana ireo olana goavana ara-politika, toy ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana, sy ny tsy fahaiza-mitantana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.