Miara-mikaroka Izay Vaovao Mety Ho Azony Mikasika ireo Adihevitra Momba an'i Izan Ireo Mpanao Gazety

A popular meme mocking the delays in the nuclear negotiations that reach their third deadline today in Vienna.

Sary mahatsikaiky iray malaza maneso ireo fahatarana eo amin'ny fifanarahana ara-nokleary izay mahatratra ny fe-potoana fahatelony androany any Viena. Sary avy ao amin'ny Twitter-n'i Amin Khorami

Alatsinainy 13 Jolay anio, andron'ny fe-potoana fahatelo ho an'ny fifanekena manodidina ny tetikasa ara-nokleary ao Iran. Saingy aorian'ireo volana maromaro nifampiraharahana, mbola tsy nahatratra marimaritra iraisana ihany i Iran sy ireo firenen-kafa samihafa ao anatin'ny P5+1.

Nanorisory ireo mpanao gazety, izay nidina tany Viena, ny tsy fisianà hetsika sy ireo fahatarana. Tsy dia misy vaovao maro ho taterina izy ireo nefa tsy afa-miala, ka matetika dia ny mampita ny fahatongavan'ireo diplômaty na ny fisian'ny fivorian'ireo karazanà diplômaty maro mivondrona no hany azony atao.

Ireto misy vaovao roa fanairana izay lasa mahazatra tao anatin'ireo 20 andro farany tany Viena:

Nanomboka tamin'ny 1:45 hariva teo no ho eo ny fivorian'ny Minisitry ny Raharaha Ivelany Zarif & Seckerry atrehan'i Salehi, Moniz, ireo solombavam-bahoaka, Schmid, Fereidoun & Robert Malley.

Tonga i Christiane Camanpour — angamba marika iray sahala amin'ny fahatongavan'i Lavrov raha toa ka nanomboka ny fanisàna mihemotra mikasika ny fifanarahana.

Mety hanao fivoriana ireo Minisitry ny Raharaha Ivelany rehetra avy ao Iran & P5+1 anio alina amin'ny 9 ora, izay mety hanan-danja goavana.

Raha ny zava-misy amin'izao fotoana, toa manondro ireo diplômaty fa antomotra ny farany, miaraka amin'ireo olana mbola mialoha – mbola tsy fantatry ny vahoaka tanteraka kosa anefa ireo olana ireo, noho izany dia mijanona ho toy ny mahazatra ny vaovao.

Tsy misy misaina ny hanao fanitarana hafa. Miasa mafy ny rehetra mba hahazoana ny eny anio, saingy mbola ilaina hatrany ny fandavan-tena ara-pôlitika.

Nihaona tamin'i @FedericaMog sy @JZarif io MARAINA io. Mbola misy olana goavana hovahana.

Vahoaka Iraniana maro no nampiasa ny media sôsialy mba hanaovana hatsikana mikasika ireo fahatarana maro sy ny tsy fisiana hetsika anatin'ireo fifanarahana.

Mbola an-dàlam-pizorana ny fifanarahana momba an'i Iran… andraso azafady!

Tahaka ny sokatra ireo adihevitra momba an'i Iran

Sariitatra miavaka nataon'i Hadi Heidri, nakany hevitra avy tamin'”Ny Faharetan'ny Fahatsiarovana an'i Salvador Dalí

Ireo sary mahatsikaiky mikasika ny adihevitra momba an'i Iran any Viena (nahoana izy ireo no tsy tonga aminà fifanarahana mipoapoaka?)

Nilazalaza kely tamin'ny Global Voices mikasika ny toetry ny fandrakofana ny fizotra ara-diplômatika matetika miadam-pandeha amin'ny maha mpanao gazety azy i Arash Azizi, izay mandrakotra ireo fifampiraharahana ho an'ny Manoto TV, tambanjotra Iraniana iray mampiasa zanabolana mipetraka any Angletera.

20 andro izay no nahateto ahy ary tsy maintsy nanafoana andro tsy fiasàna roa aho hatreto, ny iray tamin'ireo dia nahakasika namana iray nisidina manerana ny làlana rehetra avy any Kanada. Na dia teo aza izany rehetra izany, raisiko ho tombontsoa ny fisiako eto mba hitenenana amin'ireo vahoaka Iraniana an-tapitrisany isak'alina sy ny fanomezana azy ireo ny vaovao farany momba ireo adihevitra mampisy tantara ireo. Saingy mazava ho azy fa mandany hery amin'ny fomba manokana izany: toy ny nihodinkodina izahay tato anatin'ny telo herinandro. Tsy dia nisy zava-nitranga firy! Eny, miresaka izy ireo. Ny tiako tenenina dia ny hoe izany no maha-izy azy ireo adihevitra ara-diplômatika. Aza adinontsika fa naharitra herintaona ny Fivoriana ho an'ny Fandriampahalemana natao tany Parisy! Mitovitovy tamin'izany ihany koa ny Kôngresin'i Viena tamin'ny 1815. Nisy ohapitenena iray tamin'izany manao hoe: “Mandihy ny Kôngresy, fa tsy mandroso”. Izay nampahatsiahy ireo lanonana nanaraka ireo diplômaty sy ireo mpanjaka nanatrika ny kôngresy. Tahaka ny tsy nanao n'inona n'inona izy ireo saingy tamin'ny farany, namokatra rafitra iraisam-pirenena marin-toerana naharitra roapolo taonany maro. Noho izany, tsy hafahafa ny fitohizana maharitr'ireo fivoriana ara-diplômatika. Angamba, tokony hampandinika antsika izany amin'ny fomba fanaovantsika ireo vaovao sy ny fanaovan-gazety ary ny fomba handrakofantsika ny zava-mitranga sahala amin'izany. Ny fahamaroan'ireo loharano sy ny sehatra dia midika fa maherin'ny 500 ireo mpanao gazety eto an-toerana (eo ihany koa ny fahalalana fa tsy latsaky ny firenena fito no voakasika anatin'izany). Mety hahaliana ny mieritreritra ny fomba tokony handrakofana ireo hetsika ara-diplômatika (ao ambadik'ireo varavarana mihidy araka ny toetrany) amin'ny fomba goavana. Efa miresaka an'izay ihany, teo amin'ny sehatra mahazatra kokoa, voatonona tanatinà gazety Aotrisiana iray aho mikasika ny olana maika noho ny tsy fisianà atin'akanjo madio intsony!! Ireo tsiaro mahatsikaiky ihany koa: manoro làlana ny olona sy ireo mpizahatany aho; misotro kafe tahaka ny mahazatra; manao fanatanjahan-tena toy ny mahazatra, niditra tao anatin'ny rafitry ny tanàna momba ny bisikileta ho an'ny vahoaka ary amin'izao fotoana izao dia mandray anjara betsaka amin'ny asako tsy mifandray amin'ny adihevitra, eto.

Anatin'izay fotoana izay, hita fa efa nanomana ny fandoavany ny saram-pivahinianany sahady ireo mpanao gazety sasany talohan'ny fanamafisana ny fiafaràna marina.

Nangorona entana sy nandoha ny saram-pivahinianany ny sasany amin'ireo mpanao gazety Iraniana ary toa vonona ny handeha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.