Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

Tamin'ny faha-17  Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora .

Raha itodihana ny fihaonam-be, mitatitra i Sylvanus Abano ao amin'ny bilaogy togo-presse-liberte fa mampitandrina amin'ny loza mety ateraky ny heloka bevava anaty Aterineto i Hamadoun Touré, Sekretera Jeneralin'ny Union internationale de télécommunication [UIT] [fr]:

« la cybercriminalité coûte 1000 milliards de dollars chaque année, nous sommes plus vulnérables que nous ne le pensons».

100 lavitrisa dolara isan-taona no saran'ireo heloka bevava anaty Aterineto  ary tsy tsara fiarovana araka izay eritreretintsika iska .

Manadihady an'i Roger Kpakote, mpahay informatika sy Tale Jeneralin'ny Vondrona RTK ao Lomé mikasika ny fivoaran'ny ICT eo amin'ny fireneny [fr] i Togozine, sehatra aterineto Togolezy iray manana ny lanjany, :

Mr. Kpakote crée avec ses amis de l’Organisme pour la Promotion de l’Internet et du Mobile (OPIM) au Togo. [..] OPIM a pour but de promouvoir l’utilisation des outils technologiques par toutes les classes sociales du pays. Il souhaite aussi voir se créer au Togo un pôle d’excellence de compétitivité internationale dédié au rayonnement de la Biotechnologie et des Technologies de l’information. De nombreux projets sont en cours de préparation tels que le 1er Barcamp au Togo.

Namorona ny OPIM  [Organization for the Promotion of Internet and Mobile (teknolojia)] any Togo  Andriamatoa Kpakote sy ireo namany[..] Te hanaparitaka ny fampiasana ny teknolojian'ny fampitam-baovao  ho an'ireo ambaratongam-piaraha-monina rehetra eo amin'ny firenena ny OPIM. Maniry ihany koa izy ny hamorona vondrona iraisam-pirenena momba ny teknolojia any Togo izay atokana hanapariahana ny teknolojia mampiasa ny zava-maniry [Biotechnology] sy ny teknolojian'ny fampitam-baovao. Efa eo am-panomanana amin'izao fotoana izao ireo tetikasa maro toy ny Barcamp voalohany any Togo.

Togoley mpianatra amin'ny Ambaratonga Ambony nalaina tamin'ny Flickr-n'i Paul-W ary mampiasa ny CC license < http://www.flickr.com/photos/paul-w-locke/ >

Ao amin'ny bilaogin'ny OPIM, manoritsoritra  ny taharon'ny fahombiazany teo amin'ny sehatry ny teknolojian'ny fampitam-baovao [fr] i Mr Kpakote:

il faut réunir les trois acteurs-clé que sont : les possesseurs de contenus (dont les journalistes), les entrepreneurs et les développeurs [..] La recette consiste à être présent sur le Net, être utile à un maximum de personnes pour récolter les fruits après. Des conditions qui, pour le moment, ne sont pas réunies en Afrique.

Tokony hanana fanalahidy telo lehibe ny tsirairay : iireo manana ny votoatiny ( ahitàna ireo mpanao gazety ), ireo mpandraharaha ary ireo mpanorina [..] Ny endriky ny fanalahidy dia ny tokony haha-eo amin'ny aterineto ny tsirairay, ilain”ny vahoaka maro ary mahazaka ny vokatr'ireo zavatra natao ireo ao aoriana kely. Tsy mbola tonga miaraka anefa ireo fepetra ireo any Afrika  .

Mihevitra i Muriel , mpianatra any Lome, fa , na dia eo aza ireo olana vao haingana, misy ny fanantenana ho amin'ireo vehivavy Togolezy eo amin'ny sehatry ny ICT [fr]:

Les femmes ont intégré ce nouveau monde malgré toutes les difficultés d’adaptation. Ceci reste un grand enjeux pour la société africaine en particulier et par conséquent pour les femmes africaines qui doivent donc œuvrer activement en saisissant toutes les opportunités que leurs offrent ces nouvelles technologies.

Tokony hanararaotra ity tontolo vaovao ity ireo vehivavy na dia eo aza ireo olana amin'ny fidirana amin'izany . Tena zava-dehibe mihitsy izy ity ho an'ny fiaraha-monina Afrikana ary arak'izany tokony hiasa mafy ireo vehivavy Afrikana mba handray ireo tranga rehetra miseho atolotry ny teknolojia .

Manoratra somary lavalava i Claudine Assiba Akapko mikasika ny anjara asan'ireo vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana any Afrika [fr]:

Les femmes et les enfants représentent plus des trois quarts des 40 millions de personnes déplacées à la suite de crises ou de violents conflits sur notre continent. Les femmes africaines ont un rôle particulier à jouer. Il est nécessaire de les impliquer dans les processus de négociation et de construction de la paix [..]
Comment mieux impliquer les femmes au processus de paix ?
1. Appuyer la participation des femmes aux négociations de paix car les femmes rencontrent beaucoup d'opposition quand il s'agit de participer aux négociations de paix officielles.
2. Accroître la participation des femmes aux règlements des conflits et à l'élaboration des décisions; notamment en mettant les femmes aux postes décisionnaires liés aux négociations de paix et à la réconciliation nationale.
3. Former les femmes aux techniques de négociation
4. Une éducation plus juste et meilleure pour les filles : Le renforcement des capacités des filles par l’éducation est une nécessité.

Maneho mihoatra ny 3/4 amin'ireo vahoaka 40 tapitrisa nafindra monina tao aorian'ny krizy na ireo ady nangotraka teto amin'ny kaontinantantsika ireo vehivavy sy ny ankizy. Manana anjara asa lehibe raisina ireo vehivavy . Tena zava-dehibe ny mampiditra lalina azy ireo amin'ny fifampiraharahana sy ny fananganana drafitra ho amin'ny fandriampahalemana [..]
Ahoana ny fomba ahafahan'ireo vehivavy mandray anjara bebe kokoa amin'ny fananganana drafitra ho amin'ny fandriampahalemana?
1. Asandratra ny fandraisan'anjaran'ireo vehivavy amin'ny fifampiraharahana ho an'ny fandriam-pahalemana satria matetika ireo vehivavy no misedra olana mafy rehefa manao zavatra izy ireo .
2. Ampitomboina ny fandraisan'ireo vehivavy anjara amin'ny fametrahana azy ireo amin'ireo toerana mandray fanapahan-kevitra amin'ny fananganana ny fandriampahalemana sy ny fampiraisam-pirenena .
3. Zarina amin'ireo teknikan'ny fifampiraharahana ireo vehivavy.
4. Fampianarana beb kokoa sy mendrika ho an'ireo tanora tovovavy : tena filana fototra tsy maintsy atao ny fanohanana ny fahaiza-manaon'ireo tanora tovovavy  mandritry ny fampianarana azy ireo .

Manomboka mihazakazaka miditra amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa ireo tanora. Ao amin'ny Blaogy Médias Jeunesse et Développement , miresaka i Marie momba ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ireo ankizy tsy dia nahazo tombony rehefa tonga amin'ny haino aman-jery vaovao izany [fr]:

Dans les pays africains, on peut distinguer deux catégories d’enfants : les lettrés et les illettrés. Souvent, les lettrés sont issus des familles riches bénéficiant d’une éducation. Par contre, les pauvres n’ont pas souvent cette chance [..] L’intégration des enfants dans les clubs médias leur permettra à travers des émissions de témoigner de leur situation et désormais défendre leurs droits.

Any amin'ireo firenena Afrikana, misy karazany roa ny ankizy : ny iray izay afaka mamaky teny ary ireo izay tsy afaka . Matetika ireo mahay mamaky teny sy manoratra no avy amin'ny fianakaviana manana izay nahita fianarana, ary etsy andaniny kosa ny mahantra tsy afaka mahazo izany zava-tsoa izany [..] Hahatonga azy ireo ho afaka hanome ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona mikasika ny toe-piainany sy hiaro ireo zony ny fampidirana ireo ankizy ireo amin'ny vondron'ny haino aman-jery .

Eo amin'ny sehatra io ihany, i Détogra Jérôme dia mandanja ihany koa  ny tombontsoa amin'ny fahazoan'ireo ankizy handray anjara [fr]:

Leur participation leur permet de donner leur opinion sur la résolution des problèmes de leur milieu pour permettre l’évolution de leur communauté. Le plus grand succès qu’ont connu ces initiatives, c’est que les enfants peuvent imaginer et passer leurs idées par les médias.[..] Il faut souligner qu’au début, nos parents n’étaient pas pour cette participation, mais par la suite, en nous voyant produire, ils ont compris que c’est notre avantage

Hahatonga azy ireo ho afaka haneho ny heviny amin'ny famahana ireo olana ao anatin'ny fiarahamoniny ny fandraisan'izy ireo anjara, ka ahatonga azy ireo hio afaka mitombo miaraka amin'ny fiarahamonina. Ny fahombiazana lehibe amin'ireto fandraisana fepetra ireto dia ho afaka ny haminavina ny ho aviny ireo ankizy ary hizara ny heviny amin'ny alalan'ireo haino aman-jery [..] Tsy maintsy nahatsikaritra ny tsirairary fa voalohany indrindra, tsy nanaiky loatra izao ireo raiamandrenintsika, fa rehefa hitan'izy ireo ny vokatra azontsika, dia fantatr'izy ireo fa ho an'ny tombontsoantsika izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.