Maraoka: “Mbola mipetraka ao amin'ny tranon'ny raiamandreniko ” hoy ny tovovavy antitra iray efa 40 taona

Araky ny fanisam-bahoaka farany , 39 isan-jato amin'ireo vahoaka  Maraokana tonga taona no tokantena , iray amin'ireo avo indrindra any amin'ny faritra Arabo. Saika lehilahy ny ankamaroan'ireo tokantena nefa koa mbola ambony ihany ny vehivavy tsy manambady, mampiaiky fa mahatratra ny 33.3% . Mieritreritra ny mikasika ireo antony ao ambadiky ny fanavakavahana atrehan'ireo vehivavy ny vahoaka ary ireo fanadihadiana farany nataon'ny mpanaramaso ( jereo ny UN 2005 Arab Human Development Report) dia nanao tsoa-kevitra fa na afaka manazava ny sasany amin'ireo fetra atrehan'iro vehivavy aza ny resa-pinoana,  dia saika ny halafosan'ny fiainana ara-toe-karena, ny tsy fahampian'ny fanabeazana, ny tsy fisian'ny demokrasia sy ny fiarovana ny fombandrazana no tena mahazava tsara ireny fomba amam-panao ireny . Tena fiaraha-monina faran'izay tena mpandàla  fombandrazana indrindra i Marõka : naneho ny fifidianana farany teo [Fr] fa saika ny iray amin'ireo Marõkana roa no mino fa lasa lavitra loatra ny Lalana mifehy ny ankohonana vao avy nasiam-panavaozana teo, malaza eran-tany amin'ireo andalany maneho fahalalahana, ka manindrahindra fatratra ny zo ho an'ireo vehivavy.

Tsy misy loahteny avy amin'i albe! tao amin'ny Flickr

Mpitoraka blaogy Marõkana i Samira . Mametraka ny tenany samirery ho “zazavavy antitra , 40 taona, tsy an'asa ary mbola mipetraka an-tranon-draiamandreniny” izy. Mizara malalaka ireo traikefany isan'andro isan'andro i Samira eo amin'ny blaoginy izay vao noforoniny tsy ela akory, Marocanication [Fr]. Nanoratra izy:

Vivre chez ses parents à 40 ans peut sembler banal, voire évident dans notre société et tout naturellement fatal quand on est née dans le sexe faible. Car au Maroc, tant que tu n’es pas casée, tu es traitée en être jeune, irresponsable et potentielle source à problèmes, ben voyons !
Pas étonnant en un sens. Une société à la sexualité refoulée ne peut qu’associer liberté à débauche. Je me suis longtemps demandé, comme tout le monde je suppose, pour quelle raison l’homme échappait à ces restrictions. Je suis partie dans toute une analyse à la noix que j’ai dissoute dans un bol de hrira un jour de grosse déprime. Mais ça, j’en ferai un autre billet.

Mety ho zavatra efa mahazatra eto amin'ny fiaraha-monintsika ny miara-mipetraka amin'ny raiamandreny nefa efa 40 taona, ary efa lahatra tsy azo ialana indrindra rehefa ianao teraka ho fanaka malemy . Satria , any Marõka, atao toy ny tanora, tsy mahavita mandray andraikitra sy fototry lalin'ireo olana ianao raha mbola tsy nahita vady . Ie! Marina e!
Amin'ny lafiny iray, tsy dia mahagaga izany eo amin'ny fiaraha-monina izay manasazy ny firaisana ara-nofo ary mampiaraka ny fahalalahana ho filàna ara-nofo. Efa ela aho no nanontany tena, toy ny olon-drehetra angamba araky ny hevitro, fa maninona ireo lehilahy no tsy iharan'ireo faneriterena ireo . Nandeha nanao fanadihadiana tsy dia tsara aho fa niala maina teo anatrehan'ny lovia-na Hrira (lasopy Maraokana) tamin'ny andro iray tsy nampavitrika ahy mihitsy. Fa mbola resaka hafa izany .

Nandeha i Samira sady nanontany tena ny fomba mety ilazany ireo raiamandreniny fa te hanana ny fiainany azy samirery izy ary te-handeha :

[J]e pense en ce moment à la liberté de vivre seule, au bled. J’ai passé la nuit à imaginer la scène où je leur dirai que je vivrai seule. Ma mère me regardera avec dédain comme si j’avais dit une énième bêtise qui ne ferait que renforcer le manque d’estime qu’elle a pour moi.
Parce que le manque d’estime est quasi indissociable du statut de vieille célibataire : vieille fille c’est certainement une invention féminine, seule une femme peut et sait blesser une autre femme !

Mieritreritra aho amin'izao fotoana izao ny mikasika ny fahalalana ny hipetraka irery. Nandany ny alina aho nanao sary an-tsaina ny tantara raha hiteny amin'izy ireo aho fa handeha hipetraka irery. Hijery ahy amin-katezerana ny reniko toy ny hoe nilaza fahotana adalabe ireny aho. Ary dia hanamafy ny tsy fisian'ny fanajana ho ahy avy any aminy izany.
Satria saika tsy misaraka amin'ny toeran'ireo tovovavy antitra tsy manambady ny tsy fisian'ny fanajana . “tovovavy lany zara”: tena angamba teny noforonin'ny vehivavy izany , satria ny vehivavy ihany no mahalala ny fomba hanaovana maharary ny vehivavy hafa !

Misy henatra ratsy anankiray miaraka amin'ireo vehivavy tsy manambady, hoy i Samira manazava:

[C]e n’est même pas pris pour une malédiction mais pour une incompétence, un échec, une incapacité à attirer, à séduire, à donner envie à un homme de faire sa vie avec toi. Même si c’est toi qui refuse l’homme, tu seras toujours la bête en attente d’un maître. Et tu finis par devenir une vieille bête errante parce que personne n’adopte de vieux chiens.

Tsy heverina ho toy ny vitan-dratsy akory izany, fa toy ny tsy fahaizana, tsy fahombiazana, tsy fahavitana misarika, manintona, na manaitra ny filàn'ny lehilahy hizara ny fiainany miaraka aminao. Heverina ho biby miandry ny tompony ianao eny fa na dia ianao aza no mandà ilay lehilahy . Ary lasa biby be mirenireny no fiafaranao satria tsy misy olona te-hitaiza alika antitra mpirenireny .

Goavana be  ny tsy fisian'ny fanohanana ara-bola :

Vieille fille qui ne bosse pas, c’est le comble. Pourtant, j’ai une formation littéraire assez bonne. Je ne sais pas, je peux rédiger des idioties comme ça à longueur de journée, par exemple… ou taper sur une machine… ou préparer des cafés. Mon chômage ne m’aide pas. Je suis non seulement sans foyer mais également sans revenu. Je suis bonne à tout faire dans les maisons de mes parents, mes oncles et tantes et de mon frère. [Ma soeur] Jamila n’arrête pas de se révolter contre la tyrannie générale et contre mon exploitation, mais je ne parle pas.

Ny tovovavy antitra lany zara ary tsy an'asa … Izay no tena loza !!! Nefa izaho manana fiofanana tsara amin'ny haisoratra .Tsy haiko, mahavita manoratra zavatra tsy misy dikany aho ao anatin'iray andro maninjitra… na manoratra eo amin'ny solosaina … na mikarakara kafe. Tsy manampy ahy mihitsy ny tsy fiasàko . Tsy vitan'ny tsy manan-trano aho fa mbola tsy manana fidiram-bola ihany koa. Tsy manana tombony mihitsy aho sady manao ireo raharaha rehetra ao amin'ireo tranon-draiamandreniko , an'ireo dadatoako, an'ireo nenitoako ary ny an'ny anadahiko.Tsy mitsahatra ny manohitra ny didiko fe-lehibe amin'ny ankapobeny sy ny fanararotana atao ahy i Jamila [rahavaviko] .Izaho tsy miteny .

Manana tetika i Samira :

Quand je leur dirai que je partirai, ils vont crier au scandale, à l’ingratitude, à la honte ! Une « fille » ne vit seule que parce qu’elle veut batifoler… quand ils ont pas cette idée tordue, ils pensent d’elle qu’elle est fille indigne qui lâche ses vieux parents après tout ce qu’ils ont fait pour elle. Ils feront tout pour étrangler l’idée dans son berceau, ignorant qu’elle a déjà pris des dimensions adultes. Je ne peux pas le leur annoncer avant d’avoir trouvé où me nicher.
[…]
Je trouverai l’argent pour me louer 8m³ quelque part. Et je m’en irai.
Je parle au futur, pour garder vivant cet espoir, en ultime porte de sortie possible.

Rehefa hiteny azy ireo aho fa handeha, hitabataba izy ireo noho ny tsy fahaizako mankasitraka sy ny henatra izay omeko azy ireo ! “Hisary adala ihany no antony iray mahatonga ny ‘tovovavy’ te-hipetraka irery “… Rehefa tsy manana izany hevitra adala izany izy ireo ao an-dohany dia mihevitra fa zanakavavy tsy mendrika aho ka mandao ireo raiamandreniny taorian'ireo zavatra rehetra nataon'izy ireo ho azy. Hataon'izy ireo daholo izay rehetra hahafaty an-karanany izany hevitra izany . Tsy afaka miteny amin'izy ireo aho raha tsy efa mahita ny toerana izay alehako .
[…]
Hahita vola aho hanofako efitra kely iray any ananona any  ary handeha aho .
Tena fanahy iniako mihitsy ny mampiasa ny fotoana ho avy eto mba hitazonako ho velona ny fanantenako fa izao ankehitriny izao no manamboatra ny lalako hivoaka .

Tsy irery i Samira amin'ny toerana misy azy, ary feo maro, indrindra avy amin'ny fiarahamonina sivily no miantso  ho amin'ny firaisankina kokoa, ny fitoviana, ary ny rariny ara-piaraha-monina .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.