Sangy Ratsy Tafahotra Fa Tsy “Hery” No Fahitan'Ireo Mpisera Ilay Antoko Politika Vaovao Ao Trinidad & Tobago

"Balisier House prepares"; photo by C*POP, posted by Georgia Popplewell and used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

“Manomana ny ao amin'ny Trano Balisier “; Sary an'ny C*POP, nakarin'i Georgia Popplewell ary nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Ireo fiomankomanana ho amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao Trinidad sy Tobago amin’ ity 2015 ity no manaporofo ny maha-mbola zavatra iray mahaliana indrindra ny adilahy politika. Hatreto aloha, i Jack Warner, ilay filoha lefitra taloha voaongotra tamin'ny toerany tao amin'ny FIFA izay efa indray mandeha no nahafatifaty ny mpitantana ankehitriny, no namoaka izao karazana vaovao mamatopatotra rehetra izao momba ny praiminisitry ny firenena, Kamla Persad-Bissessar, sy ireo mpiara-dia aminy ara-politika.

Miaraka amin'ny fametrahana ny datin'androm-pifidianana ho ny 7 Septambra, efa miomana ihany koa ireo Trinbagoniana ny amin'ny mety hivadihan'izany ho ny fotoam-pifidianana faran'izay maloto indrindra nisy tany aminy. Raha toa ka ireo antoko politika goavana roa eo amin'ny nosy ihany no toa tena tazana mifaninana — ny an'ny praiminisitra, United National Congress ( Kaongresy Nasionaly Mitambatra, izay mitarika ny governemanta iaraha-mitantana amin'izao fotoana izao) sy ny an'ny mpanohitra People's National Movement (Hetsi-Bahoaka Nasionaly), dia ny baomba ara-politikan'i Warner kosa no rantsan-kazo mampitohana ny kodiarana.

Azo notakarina an-tsaina ihany ny ahiahin'ny olona naterak'izany, rehefa, roa volana alohan'ny fifidianana, teraka ny antoko politika iray vaovao, izay tarihan'ilay filoha fahiny tao amin'ny antenimieran-doholona, Timothy Hamel-Smith, ary miseho amin'ny anarana mampalahelo hoe  “The Third Force Movement” (Hetsiky ny Hery Fahatelo). Isan'ny mpikambana ao anatiny ny  Fiaraha-mientana Nasionaly ho Fanarenana, vondrona politika iray nitantana an'i Trinidad sy  Tobago ny 1986 hatramin'ny 1991 saingy hatramin'izay dia tsy nahavita intsony niaka-tsehatra nitondra zavatra mitombina, ary vondrona iray mitonona ho Vovonan'ny Mahaleotena, ahtàna betsaka kokoa ireo mpikambana fahiny tao amin'ny Kaongresim-Bahoaka (antoko politika iray isan'ny ao anatin'ny governemantam-bahoaka iarahana mitantana) sy ny Kaongresy Nasionaly Mitambatra.

Fanombohana mahatsikaiky tsy niniany natao no niaingàn'ilay vondrona. Maro tamin'ny mpisera ety anaty aterineto no naka ilay fomba Trinbagoniana amin'ny fanononana ny “th” ho “t”, hanovàna anarana ilay vondrona ho “The Turd Force”, fenoina aminà vazivazy mikasika ireo toeram-pivoahana sy ireo fihetsiky ny tsinay miolankolana. Tsy tsara loatra ny kiana nataon'ny olona momba ilay fango; nizara ity sary ity tao amin'ny fitohitohizan-keviny ao amin'ny Facebook i Rhoda Bharath :

Rhoda pic

Soratra anatin'ny sary: Fa dia ahoana no nahatonga itony olona itony aminà fango tahaka izao. Maivan-danja sy toy ny meggie. Misy masoandro miposaka koa ao ambadik'ilay tànana Mba miteny fotsiny. Fa izany eo ihany, mila vahaolana vitsivitsy tena mahomby ny politika eto Trinidad. Raha iray io dia tsara ho azy ireo izany!

Ny meggie dia fihetsika ampiasàna ny rantsan-tànana ho entina maneso/manambany izay olona iantefany; ary ny masoandro miposaka dia fangon'ny Kaongresy Nasionaly Mitambatra.

Tsy vitan'ny hafa ny tsy hahamarika hoe misy itoviany amin'ny an'ny Star Trek ilay fango :

spock

Endrika mahonena, nampivadiana taminà hadalàna teknika tsy nasiam-pitandremana tao amin'ny fikarohan'ny Google ho an'ny tranonkalan'ilay antoko politika vaovao izay mamily ireo mpitsidika ho any amin'ny pejin'ny Kaongresy Nasionaly Mitambatra, manampy ny … pfffff … diky fafy katrana manodidina ny Hetsiky ny Hery Fahatelo. Tao anaty famoahana iray natao ho hitan'ny daholobe tao amin'ny Facebook, nandefa lahatsary iray i “Carbon the Element” momba ny valin'ny fikarohany, no sady efa niomana mialoha fa tsy hiasa intsony ilay rohy afaka fotoana fohy :

#3rdFarceTha hubris is strong with this farce… They won't even update their DNS or maybe pay Godaddy/Hostgator the small $$$ for hosting. They in a folder prolly on their ‘home website’.From “don't split the vote” to “what can we do to split the vote?” – one party talking bout manifestos and plans the other party is doing all it can to steal the election because they bought it the last time…

Posted by Carbon TheElement on Saturday, July 4, 2015

Henjana be ny TsyFanajan'ny#3rdFarce tamin'ity vazivazy ratsy ity… Tsy hanova akory na dia ny DNS ndry zareo aza ry zareo na angamba tsy handoa na dia izay $$$ vola kely tokony haloany amin'ny Godaddy/Hostgator amin'ny fampiantranoana azy. Nanoratra ry zareo ao amin'ny ‘pejy fandraisan'ny tranonkalany’. Avy amin'ny hoe “aza zarazaraina ny vato” ho lasa hoe “inona no azontsika atao hitsinjarazaràna ny vato?” – Antoko iray miresaka momba ireo fanambaràna politka no sady manomana izay rehetra azo atao mba hangalarana vato satria nividy izany izy ireo tamin'ny farany teo

Tamin'ny fampiasàna ny tenifototra  #3rdFarce, hoy izy naneho hevitra :

Henjana be ny TsyFanajan'ny#3rdFarce tamin'ity vazivazy ratsy ity… Tsy hanova akory na dia ny DNS ndry zareo aza ry zareo na angamba tsy handoa na dia izay $$$ vola kely tokony haloany amin'ny Godaddy/Hostgator amin'ny fampiantranoana azy…

Tsy ela tamin'ny filazàny ilay antoko, tamin'ny alàlan'ny fanambaràna an-gazety, hoe niharan'ny “fanafihana tety anaty aterineto izay toa namoronan'ireo pranksters anaran-tsehatra iray tsy nahazoana alàlana ary misalovana ny an'ny Hetsiky ny Hery Fahatelo, sy namindra izany anaran-tsehatra izany ho an'ny tranonkala iray hafan'ny antoko politika mba hanaovana zava-tsy manjary”.

Na marina na tsia izany, voatery ankehitriny ilay antoko mitady izay hamafàna ireo fiahiahiana azy ho saribakolin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, nomena iraka hanao izay hampizarazara ny vato amin'ny 7 Septambra, aminà fifidianana iray izay efa novolavolaina sahady hao anaty fotoana faran'izay akaiky ny fiantsoana azy.

Niantefan'ny tifitry ny mpitarika ny fanoherana ihany koa i Timothy Hamel-Smith, filohan'ny Hetsiky ny Hery Fahatelo, mahakasika indrindra ilay fanampiana ny Artikla faha-34 miteraka resabe amin'ilay Lalàna tamin'ny 2012 momba ny Fandikàn-Dalàna Azo Enjehana. Ilay andàlana dia noheverina ho natao hanafoanana ny fanenjehana ireo manana raharaham-pitsarana nasiana fanemorana efa ho 10 taona mahery taorian'ny filàzana ny fisian'ny heloka nambara ho nataony. Raha tsy tafiditra amin'io ny heloka nandatsahan-drà, dia mety hanafaka madiodio mpandraharaha roa ilay fanitsiana — mpandraharaha izay mpamatsy vola ny antoko eo amin'ny fitondrana rahateo koa, izay miatrika vesatra noho ny fanaovana hosotra sy famotsiam-bola maloto ary naniry ny hampodiana azy avy any Etazonia. Nampahatsiahy ny olom-pirenena ny Dr. Keith Rowley fa rehefa nangatahana hanao fanadihadiana ny zava-nisy nanodidina ny fotoana nampidirana ilay andàlana vaovao i Hamel-Smith, izay filoha amperinasa tamin'izany fotoana izany, dia nilaza ho “tsy nahita zavatra hafahafa “. Nanomboka tamin'izany ny Artila faha-34 no efa nofoanana.

Amin'ny endrika iray hafa, eo amin'ny sehatra politika misy azy dia manosika fanavaozana ny famatsiana azy sy ny ho fanohanana ara-bola ny fampielezankevitra ilay vondrona, saingy nandà tsy hampahafantatra ny mombamomba ireo mpanohana azy ara-bola. Tsy mahagaga araka izany, ho an'ny maro mpisera ety anaty aterineto, raha toa ka tahàka ireo maro efa misy ao Trinidad sy Tobago ihany ity antoko politika vaovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.