Manakombona ny Vavany amin‘ny “Scotch” Ny Mpiangaly Mozika An’Arabe Ao Maosko Mba Hanoherana Ny Famoretana Ataon’ny Polisy

Single-person protest by a street musician on Arbat, Moscow, on July 2. Photo from Oleg Mokryakov on Facebook.

Fanoheran'olon-tokana nataon'ny mpiangaly mozika eny an'arabe tao Arbat, Maosko, ny 2 Jolay. Sary avy amin'i Oleg Mokryakov ao amin'ny Facebook.

Fantatra noho ny fanintonany mpizahatany ny làlana Arbat ao afovoan-tanànan'i Maosko, anisan'izany ny fivarotana fahatsiarovana, ny mpivarotra taozavatra, ny trano fisakafoana Rosiana, sy ny “Starbucks”izay ilaina. Mazava ho azy fa mandray anjara ihany koa amin'ny rivo-piainana izay mahasarika andiana mpitsidika any amin'ny faritra misy ny mpandeha an-tongotra ny mpiangaly mozika sy ny mpanakanto an’arabe ao Arbat. Ary mitaky ny zony hilalao eny an’arabe izy ireo ankehitriny.

Ny 28 Jona, afaka nijery andiany mpiangaly mozika sahabo 40 naneho fanoherana ireo izay nandeha tamin'i Arbat, ary ny 2 sy 8 Jolay, nisy olon-tokana ihany koa naneho fanoherana, miaraka amin'ny mpiangaly mozika sy mpanakanto hafa izay miara-mijoro amin’ny fitaovany, ny boatin-drakitra, ny vavany sy ny tànany mifatotra amin'ny “scotch” ho mariky “ny feony tsy mivoaka.” Maro ireo mpampiasa RuNet no nanome tahirin-kevitra momba ny hetsi-panoherana tao amin'ny media sosialy.

Manao fitokonana ataon’ny olon-tokana ao Arbat ireo mpiangaly mozika mba hanoherana ny fanagadràna tsy ara-dalàna ataon’ny polisy.

Ny fitombon’ny fanagadràna sy ny sazy ataon’ny polisy no tena antony nanosika ny mpiangaly mozika hanao hetsi-panoherana, izay inoan’izy ireo fa tsy misy antony ara-dalàna. Nanoratra tamin’ny Facebook i Oleg Mokryakov, mpitarika ny fiombonan’ny mpiangaly mozika ao Arbat, hoe te-hisarika ny sain'ny vahoaka sy ny governemanta ao an-toerana ho amin'ilay olan'izy ireo ny mpiangaly mozika. Namoaka sary vitsivitsy mikasika ny hetsi-panoherana i Mokryakov, izay mampiasa ny pejy Facebook-ny mba hanome tahirin-kevitra momba ny fanagadràna manerana an’i Maosko.

Полиция бросается на артистов, отвозит их в отделения, конфисковывает инструменты, выписывает повестки в суды, которые приговаривают их к огромным штрафам по разнообразным статьям, на какую только хватит фантазии (обычно 10000 рублей за устройство несанкционированного собрания зрителей).

Manafika ny mpanakanto ny polisy, mitondra azy ireo any amin’ny kaomisaria, misintona ny fitaovany, manome azy ireo fiantsoana ho amin’ny fitsarana, sy ny fitsarana ary avy eo dia milaza sazy ara-vola mihoa-mpampana mifototra amin'ny andinin-dalàna samihafa, araka izay any an'eritreriny (matetika 10.000 robla nohon’ny fiikarakaràna famoriana mpijery tsy nahazoana alalana).

Nampanantena i Mokryakov fa hitohy foana ny hetsi-panoherana ary lasa “miha-tsara kokoa” mandra-pahatongan’ireo izay nanararaotra ny fahefany ho voatàna ho tompon'andraikitra.

Nolazain'i Oleg Mokryakov, mpikarakara ilay fijaridinana, ny zavatra nampanantenain’ny solombavam-bahoaka Kapkov [filohan'ny departemantan’ny kolontsaina ao Moskoa teo aloha] momba ny hanaovana ho ara-dalàna ny mpiangaly mozika eny an’arabe.

Toa miray fo amin’ny tolon’ny mpanakanto ny mponina ao Maosko, na tao amin’ny valinten-dry zareo ho an'ny media lehibe izany, na tao anaty tranonkala. Nolazain'i Yury Saprykin tamin'ny onjampeo “Akon'i Maosko” fa heveriny ho toy ny “fitafiana voajanahary ho an’ny tontolo iainana an-drenivohitra” ireo mpanakanto eny an'arabe, ary lazainy hoe tsy “antony tokony hisamborana” “ny mozika mafy eny amin'ny araben’ny tanàna.”

Manohitra ny fandroahana azy ireo ny mpiangaly mozika ao Arbat. Ary manana ny rariny izy ireo, tsinontsinona i Arbat raha tsy eo ny mozika.

Nanontany ny amin’ny fanohanana mazava ny mpiangaly mozika an’arabe ny mpampiasa Twitter hafa, ary nanontany tena hoe nahoana izy ireo no mendrika izany fijerena manokana izany.

Ireny ihany koa ve ireo mpiangaly mozika sy mpanakanto izay tsy mandoa ny hetrany? Angamba izay no antony [ho an'ny fanagadràna]?

Raha manao voady ny hanohy ny tolony ny mpiangaly mozika ao Arbat, ny manampahefana ao Maosko kosa toa nihetsika nanoloana ilay hetsi-panoherana tany am-boalohany. Nitsangana nanohitra ny fanohanana ny hevitra hamorona rafitra momba ny patanty ho an’ny mpanakanto an’arabe i Aleksandr Kibovsky, filohan'ny Departemantan'ny Kolontsaina ao Maosko, hoy ny tatitra nataon'i Slon. Ny patanty, izay volavolain’ny departemanta sy ny komity ao amin'ny Duma ao Maosko amin'izao fotoana izao, dia mety hamela ihany koa ny fiparitahana'ireo mpiangaly mozika hanerana ny distrika ao Maosko, ary hikoriana indray ao amin’ny tetibolan’ny tanàna ny saran’ny patanty. Tsy mbola mazava ny fomba mety hiasàn’ilay rafitra patanty naroso ary raha toa ka mety hampihena ny loza mitatao amin’ny fanagadràna “ivelan’ny lalàna” ataon’ny polisy izany.

Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny manampahefana ao amin’ny tanàna mba hiatrehana ny fangatahana nataon'ny mpanakanto i Oleg Mokryakov, mpitarika tsy ofisialy ny hetsi-panoherana, fa nanameloka kosa ny famoretana tsy ankijanona ataon’ny polisy amin’izy ireo, miaraka amin'ny mpiangaly mozika maro nogadraina any amin’ny faritra maro ao Maosko tamin'ny andro izay nandinihan’ny manampahefana ny toe-draharaha manjo azy ireo.

Мы не примем подачек в виде разговоров о “диалоге”!
Мы требуем, чтобы полиция перестала приставать к музыкантам, художникам и другим представителям уличного искусства, выполняя уже существующие законы, уважая конституционные свободы.

Tsy hanaiky antontan-taratasy amin'ny endrika adi-hevitry ny “fifanakalozan-kevitr'olon-droa” izahay!

Takianay ny hanajanonana ny sotasota ataon’ny polisy amin’ny mpiangaly mozika, ny mpanakanto ary ny solontenan'ny zavakanto an’arabe, manaja ny lalàna velona sy manaja ny fahalalahana araka ny lalàm-panorenana.

Hetsi-panoherana ataon'olon-tokana ao Arbat. Hoy ny soratra “Polisy, tsy mitsabatsabaka amin'ny mozika an'arabe!” Sary avy amin'i Oleg Mokryakov tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.