Maherin'ny 100 Ireo Olona Novonoina Ivelan'ny Fitsaràna Tany Bangladesh Tamin'ity Taona Ity

A relative holding up a portrait of the disappeared person. Image by Indrajit Ghosh. Copyright: Demotix (30/08/2014)

Ny havany mitazona ny sarin'ilay olona tsy hita. Sary avy amin'i Indrajit Ghosh. Fizakàmanana: Demotix (30/08/2014)

Vao haingana, nisondrotra kely niala teo amin'ny harin-karena ambany ho amin'ny antonontonony ny harin-karen'i i Bangladesh teo anatrehan'ny Banky Iraisam-pirenena. Fanampin'izay, nihena ny fahantrana teo amin'ity firenena Aziatka Tatsimo ity, nitombo isa ny vehivavy mpianatra any amin'ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa ary nahita fahombiazana vitsivitsy mikasika ny fampihenana fahafatesan'ny zaza teraka sy ny reny.

Na teo aza io fandrosoana io, mbola betsaka no mampiteny ny moana raha ny toerana misy ny zon'olombelona eo amin'ilay firenena.

Ny mpiaro zon'olombelona, Ain O Shalishi Kendra (ASK), namoaka lahatsoratra mampiseho fa, tao anatin'ny enim-bolana voalohany tamin'ity taona ity, 101 ireo olona niharan'ny famonoana ivelan'ny fitsaràna nandritra ny fitànana am-ponja nataon'ireo sampan-draharaha sy mpampihatra ny lalàna isankarazany. Olona iraika amby roapolo no tsy hita popoka na nalaina ankeriny ary 132 no maty vokatry ny herisetra ara-politika.

Araka ny tatitry ny Daily New Age, maty vokatry ny fanjavonana an-terisetra ny taona 2007 hatramin'ny taona 2014 ny olona maherin'ny 200, ny ankamaroany dia mafàna fo ara-politika.

Saiful Islam, mpikambana fahiny tao amin'ny Parlemanta no anisany tao anaty lisitr'ireo olona tsy hita. Voalaza voalohany indrindra ho tsy hita ny volana Novambra 2013 izy. Tsy fantatry ny fianakaviany izy na velona na maty. Tamin'ny fandraisana anjara taminà seminera mikasika ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ireo Fanjavonana  An-terisetra tao Dhaka, nilaza ny zanany vavy Mashrufa Islam fa:

আমার বাবাকে কী করা হয়েছে, আমরা জানি না৷ তিনি জীবিত, না তাঁকে মেরে ফেলা হয়েছে তাও জানি না৷ এ ঘটনায় মামলা করা হলেও কোনো অগ্রগতি নেই৷ তারপরও নানা রকমের চাপ রয়েছে মামলা না চালানোর জন্য৷

Tsy hainay izay nanjo ny rainay. Tsy fantatray intsony na velona izy na maty Tsy misy fandrosoany ny raharaha. Niatrika fandrahonana karazany maro sy tsindry mba tsy hanaraka intsony io tranga io izahay.

Dr. Shahdeen Malik, mpisolovava ao amin'ny Fitsàrana Avo  sady lehiben'ny “Brac University School of Law”,  niteny tamin'ny tafatafa niaraka tamin'ny Daily Star fa ny “kolontsain'ny tsimatimanota” no antony fototra mahatonga ireo fanjavonana an-terisetra mahazo toerana ao Bangladesh.

Manambara ny  fianakavian'ireo olona nanjavona fa ny mpitandro ny filaminana sy ireo hery manokana, indrindra fa ny Rapid Action Battalion, no tafiditra amin'izany. Saingy ny fanjakana, zara raha mandray andraikitra manohitra ireo hery ireo. Tao anaty tatitra iray nivoaka ny volana Septambra teo, nambara ny “Amnesty International” hoe :

Sady tsy nanome ny antsipirihany, niteny ny fanjakana fa efa voahadihady ireo tranga mikasika ny fanjavonana an-terisetra ireo, ary efa voafaritra ny fiampangana ho nanao fampijaliana ho “an'ny sasantsasany amin'ireo mpiasan'ny fampiharana lalàna [noho ny Fampijaliana sy Fahafatesana tany am-ponja (Fandraràna) Lalàna 2013] (miainga avy amin'ny porofo mivaingana)”.

Nitaky fampitsaharana ny “tsimatimanota” ny Kaomisiona Aziatika miaro ny Zon'olombelona.

#BANGLADESH: tsy hitsahatra velively ny #Fanjavonana raha tsy mifarana ny #tsimatimanota: http://t.co/Bzt0XCmN

Ao amin'ny Twitter, ny injeniera Shapath Guh nampirisika ny olona hampiaka-peo :

Azafady akaro ny feonareo ankehitriny mba hampiatoana ny #famonoana #ara-pitsaràna  & #fanjavonana #an-terisetra eto #Bangladesh. Rahampitso mety ianao no #iharany koa. Manaova hetsika izao!

Te hahafantatra i Muktasree Chakma hoe nahoana ny fanjakana no tsy miditra an-tsehatra:

Mitsangàna #fanjavonana #an-terisetra eto #bangladesh http://t.co/xD16ubA4Ep Inona marina no tena zava-mitranga eto amin'ny firenena amin'ny anaran'ny #lalàna?

Nahavita dingana goavana ny Rapid Action Battalion tamin'ny fifehezana ireo Islamista Mpikatroka ao Bangladesh. Saingy hatraiza hatraiza, niatrika tsikera mikasika ireo fanitsakitsahana  zon'olombelona izy ireo no sady voasoketa ho nanao famonoana ivelan'ny lalàna. Human Rights Watch, fikambanana iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona, dia nanoso-kevitra hoe foanana ilay hery manokana. Nomarihan'ny Tatitry ny Departemantam-panjakàna Amerikana momba ny Fampiharana ny zon'olombelona tamin'ny taona 2014,  ho toy ny olana manan-danja indrindra momba ny zon'olombelona any Bangladesh ireo famonoana ivelan'ny fitsaràna sy ny fanjavonana an-terisetra.

Ny Andininy faha-32 amin'ny lalàmpanorenan'i Bangladesh manome antoka fa tsy misy olona natao tsy hanana fiainana na fahafahana manokana izany. Saingy Sharif Hasan sy Lam-ya Mostaque nanoratra tao amin'ny Dhaka Tribune fa an-taratasy fotsiny ihany io andinin-dalàna io.

Raha ny marina, mbola tsy nampiharina ireo fepetra ireo, sady imbetsaka voahitsakitsaky ny tsimatimanota tanteraka io tena zo fototra io. Niverina ireo fanjavonana an-terisetra, izay namoizana ain'olona an'arivony maro tamin'ny fiandohan'ny taona 1970 sy nitohy niaraka taminà tranga maromaro vitsivitsy nandritra ny fotoana nitondràn'ireo governemanta nifandimby, tsy nisy fiantraikany, tao Bangladesh taorian'ny nanombohan'ny RAB niasa teo amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.