Ny “Chaccu”, Fombandrazana Andeana Arivo Taona Momba ny Volonà “Vigogne” Tsara Kalitao

Imagen en Flickr del usuario Marcelo Dondo (CC BY-ND 2.0).

Sary ao amin'ny Flickr avy amin'i Marcelo Dondo (CC BY-ND 2.0)

Isan-taona, manatanteraka ny chaccu i Però rehefa manety ireo “vigognes” (bibidia anatin'ny fianakaviamben'ny Iamà) hakàna ny volony.Anatin'ny herinandro farany amin'ny volana Jona no hanatanterahana izany, any amin'ny Toby Fitahirizana Zavaboary Pampa Galeras-Bárbara d'Achille any Ayacucho. Efa hatr'ireo vanim-potoana mialohan'ny fanjanahan'i Espana ny tany amin'ny ila bolantany Andrefana io fomban-drazana ihazàna vigogne io.

Atomboka amin'ny hiakiakan'ny “¡Chacutay jayaycusa!” (Ndeha hanomboka ny chaccu!), arahin'ny valiny “Chaccu!” io fomba io isan-taona, araka ny voafaritry ny vohikala turismoi.pe:

Chaccu es una palabra quechua que es utilizada para una práctica específica, la cual consiste en la persecución, captura y esquila de las vicuñas. Para este proceso se rodea al grupo de animales dentro de una amplia extensión que poco a poco se va cerrando hasta poder obtener a cada uno de estos para ser esquilados.

Teny Queschua ny Chaccu, izay ampiasaina amin'ny fomba fanao manokana: ny fihazàna, ny fisamborana, ary ny fanetezana ireo vigognes. Mandritra ny dingana atao, didinina anaty faritra lehibe iray ny vondron'ireo biby ireo, izay mihakely hatrany mandra-pahavoasambotra azy tsirairay ka voahety.

Iray amin'ireo karazany efatra amin'ireo “camélidés” an'ireo Andes ny vigogne.

La vicuña es el animal que tiene la fibra natural más fina del mundo –un kilogramo de fibra de vicuña tiene un precio superior a los cuatrocientos dólares. Vive en grupos encabezados por un macho adulto y se reproduce una vez al año. La captura de la vicuña demanda gran esfuerzo físico, no solo por su velocidad, sino principalmente porque vive en las partes altas de los Andes, en la puna o páramo, una zona de alta montaña caracterizada por su clima hostil.

Ny vigogne no biby manana kofehy natoraly tsara kalitao indrindra eran-tany—mitentina maherin'ny efajato dolara ny iray kilao amin'ny kofehiny. Miara-monina anatinà vondrona izy ireo, izay ahitana lahiny lehibe iray, ary miteraka in-dray mandeha isan-taona. Mitaky hery ara-batana goavana ny fisamborana ny vigogne, tsy noho ny hafainganam-pandehany fotsiny, fa indrindra noho izy ireo monina any amin'ny faritra avon'ireo Andes, eny amin'ny “puna” na “paramo”, faritry ny tendrombohitra iray avo fantatra amin'ny faharatsian'ny toetrandrony.

Ny tanjona dia ny hahazoana ny kofehin'ny vigogne tsy misy fandratrana ilay biby na fanimbana ny kofehiny. Rehefa vita ny fanetezana, miditra amin'ny dingana hafa ilay vokatra:

Un grupo de personas, principalmente mujeres, se encargan de recibir el vellón y lo doblan con especial técnica como si fuera una camisa que se empaca para un viaje. Doblan las mangas y el cuerpo del vellón hasta obtener un paquete de 15 por 15 cm que se introduce en una bolsa de polietileno, etiquetando el origen de la fibra y si es de macho o hembra. Luego de terminar la esquila, se cuenta el número de animales esquilados y se libera a todas las vicuñas hasta el próximo año.

Misy vondrona iray, izay vehivavy no tena hita ao anatiny, miandraikitra ny fandraisana ny volon'ny vigogne sady mamoritra izany amin'ny fomba iray manokana, toy ny ambonin'akanjo ampirimina raha hivahiny lavitra. Aforitr'izy ireo ny tanan'ilay volo miendrika ambonin'akanjo sy ny vatany mandra-pahazony fonosana 15×15 santimetatra, izay apetraka ao anaty harona vita amin'ny polyethylene miaraka aminà marika milaza ny niavian'ny kofehy sy ny hoe avy aminà lahy sa vavy ilay izy. Rehefa vita ny fanetezana, isaina ireo biby ary avela malalaka indray mandra-piavin'ny taona manaraka.

Ny taona 2012, namerina nametraka drafitra fanaraha-maso ny isan'ireo vigogne ao amin'ny firenena ny Minisitry ny Fambolena ao Però. Araka ireo fikarohan'ny fanjakana, miisa 208.895 ireo camélidés avy any Amerika Atsimo ireo, izay mampiseho fitomboana 76 isanjato hatramin'ny taona 2000. I Ayacucho no toerana ahitàna vigogne betsaka indrindra, izay vinavinaina ho biby 62, izany hoe 29 isanjaton'ny tontalibeny.

Nampiseho ireo vokatry ny Fanisana ny Vigogne manerana ny Firenena tamin'ny taona 2012 ny bilaogy Alpacas y Alpaqueros:

Los resultados arrojan que la población total de vicuñas en el Perú es de 208.889 animales de los cuales el 70% está en condición silvestre y el 30% en condición de semicautiverio.

Mampiseho ireo vokatra ireo fa tafiakatra ho 208.889 ireo vigognes ao Però, izay ny 70 isanjatony dia bibidia ary ny 30 ambiny kosa navela mihenjihenjy rehefa avy notezaina.

Nizara sary vitsivitsy momba ny chaccu ihany koa ireo mpampiasa Twitter:

Ny Chaccu, fomban-drazana fanetezana vigogne efa arivo taona izay…. Eh ireto isika dia mankafy izany vokatry ny asan'ny Dr. A. Brack [Dr. Antonio Brack, izay nodimandry vao haingana, dia injenieran'ny fambolena, mpanadihady ny tontolo iainana, sady mpikaroka sady Minisitry ny Tontolo Iainana Peroviana voalohany indrindra].

Vonona avokoa ny zava-drehetra ho an'ny Chaccu am-pirenena 2015, any amin'ny Valanjavaboaharim-pirenena ao Pampa Galeras.

Però: Chaccu: fomban-drazana hatry ny ela izay tanterahina ao amin'ny Valanjavaboaharim-pirenena ao Pampa Galeras.

Ao amin'ny pejy Facebook, nandefa ireo sary momba ny chaccu farany i Aventura sin Límites.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.