Miverina Indray Ny Fampiresahana Saribakoly Ratsy Endrika Ao Iràna

Mr. Host with the puppets of Kolah Germezi. Screenshot from YouTube.

Mr. Host miaraka amin'ireo saribakolin'i Kolah Germezi. Sary tamin'ny YouTube.

Nipoitra voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 29 Jona 2015 ity lahatsoratra sy tatitra an'onjampeo nataon'i  Ashley Cleek sy Denise Hassanzade Ajiri ho an'ny The World ity ,ary naverina navoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Lamba mena natao ho takom-baravarana no manokatra ilay sehatra kely. Tsilo sy satroka mpiandry omby no eo. Nampiakanjoana ho toy ny ‘sheriff’ ny saribakoly iray, ny iray hafa nilaza ho i John Wayne. Sehon-tsaribakoly milalao ‘western’ io. Ity no Kolah Germezi.

Amin'ny teny Anglisy ny Kolah Germezi dia midika hoe Satroka Mena ary manondro ilay mpilalao fototra, boaikely manahirana tsy mety mandeha an-tsekoly, tia mihinana sokolà ary mifanolana amin'ireo nàmany. Somary toy ny “Sesame Street”, misy an'i “Mr. Host” — na Aghaye Mojri — ilay olon-dehibe, izay mampianatra ary, mazava loatra, maka lesona avy amin'ireo saribakoly. Toy ny Sehon-tsaribakoly, ny Kolah Germezi dia fitambaranà resaka mahatsikaiky sy mozika, saingy ny hanihany no tena antom-pisiany.

“Tamin'ity taona ity, ambaran'ny TV -mpanjakana Iraniana fa 35 tapitrisa no mpijery azonay,” hoy Hamid Modaressi, izay mpamokatra ilay seho, ao anatin'ireo 80 hafa mpamokatra ihany koa, mpanoratra, mpilalao ary mpanetsika saribakoly, nefa heveriko ho mbola avo noho izany ny isa.”

Tsy ny ankizy irery ihany no mijery ilay seho. Ny olona rehetra. Tamin'ny 1992 ny Kolah Germezi no nandeha voalohany.

37 taona izao i Maryam Manzoori, mpanao gazety ao amin'ny  Voice of America any Washington, DC, fa mbola mijery Kolah Germezi hatrany amin'ny faha-15 taonany. “Tena mpankafy azy io aho. Tena seho goavana io, tena seho goavana,” hoy i Manzoori. Rehefa nivoaka ilay seho tany amin'ny taona 90 tany ho any, hoy i Manzoori manazava, mbola tao anatin'ny fiarenany avy amin'ny ady nifanaovan'i Iràna sy Iràka mihitsy i Iràna tamin'izany, ary nila nitokelaka ny vahoaka. Tamin'izany fotoana izany, ny ankamaroan'ireo fandaharan'ny TV tao Iràna dia nifantoka tamin'ny fampianarana fitondrantena mendrika, fa nandika ireny fitsipika ireny kosa ny Kolah Germezi. Nanao vazivazy ireo saribakoly, niteny fitenin-jatovo ary dia samy nahita izay olona nanandrify azy tao anatin'ny seho tao daholo ireo zokibe anadahiny ary ireo iray tampokeliny avy ao Manzoori.

“Mba marina, na izaho aza efa miandry fatratra ny tohiny. Tena mahafinaritra mihitsy ny mijery azy,” hoy i Manzoori. “Raha ankizy ianao, dia manome lesona ho anao izy. Raha olon-dehibe ianao, mbola mampianatra anao zavatra amin'ny alàlan'ny fialamboly koa izy”.

Tsy nitohy nandeha intsony ilay seho taorian'ny fiovàna nisy tamin'ny fitantanana ilay TV iadidian'ny fanjakana. Tamin'ny 2009, niverina indray ny Kolah Germezi, lasa niha-nalaza aza.

Tsapan'ny governemanta Iraniana ny lazan'ny Kolah Germezi.

“Araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fanabeazana dia iray amin'ireo fandaharana isan'ny tena manabe ny Kolah Germezi. Nanoratra pejy 30 ho fanazavana ho antsika ry zareo momba ny maha-goavana ireo mpilalao ireo,” hoy i Modaressi, sady mihomehy ihany. “Tia maka tàhaka azy ireny ny ankizy. Naamin'ny resaka fahasalamàna aza, dia tian'ny Minisitry ny Fahasalamana ny fandaharantsika.”

Ohatra, misy ampahany, izay ahitàna fa latsaka an-katerana amin'ny resa-pitiavana ilay ondry — lohan-tsalady iray sy radia iray — tena latsaka lalina ka mahatonga azy hihira ny hira “Lady in Red” (Ramatoa miakanjo Mena) ho an'ilay radia.

Ny lehibe mandre hira momba ny fitiavana sy ny faniriana, zavatra izay tsy resahana matetika ao amin'ny TV any Iràna. Fa ho an'ny ankizy, dia resaka legioma fotsiny io.

Satria alefa ao amin'ny TV-mpanjakana ny Kolah Germezi, miezaka mijanona ao anatin'ireo tsipika nofaritan'ny Repoblika Islamika ireo mpamokatra ilay seho, ary amin'ny ankapobeny, vitan-dry zareo izany.

“Tsy ho vitanao ny hahita zavatra azo ankahalaina ao anatin'ny Kolah Germezi. Tena manana laza iray goavana izy amin'ny hoe tsy mitongilana havia na havanana,” hoy i Modaressi. “Avy amin'ny ilany, ny filohan'ny parlemanta milaza ny Kolah Germezi ho ny fandaharana ankafiziny, ary avy amin'ny ilany iray indray ireo mpanakantontsika sy ireo nahita fianarana miteny fa ny Kolah Germezi no tsara indrindra.”

Tsipika manify io. Ohatra, ao Iràna, tsy azo aseho ao amin'ny TV-mpanjakana ireo fitaovana fiangaliana mozika. Noho izany, rehefa mihira ilay hira famantarana avy amin'ny Titanic ilay ondry, dia andian-dehilahy sy vehivavy mpanao “a cappella” no manodidina azy.

Fa tsy ny rehetra akory no mahita ny Kolah Germezi ho ara-panabeazana.

“Tena maharay fampitandremana maro tokoa izahay,” hoy ny fanazavan'i Modaressi.

Tamin'ity lohataona ity ny fampitandremana akaiky indrindra, taorian'ny nihiran'ireo andiam-biby ilay hiran'i Dean Martin hoe “Sway.” Nitaraina ireo manampahefana amin'ny fanjakana fa hoe somary fihantsiana manohitra ny maoraly loatra ireo tononkira.

Ary volana iray lasa izao, mpikambana iray avy amin'ny Fikambanana Nasionalin'ireo Mpitsabo saina ao Iràna no nanoratra taratasy iray niampanga ireo saribakoly ho manana fitondrantena tsy araka ny maoraly, ka nangataka ny hametrahana fepetra amin'ilay seho mba ho an'ny olon-dehibe irery ihany.

Saingy ho an'ny Iraniana, lasa mari-pamantarana ara-kolontsaina ireo mpilalao ao aminy. Ara-bakiteny. Tanàna marobe ao Iràna no nanangana sarivongana maneho ireny mpilalao isankarazany ireny..

Mitohy maka ny fon'ny olona ireo saribakolin'ny Kolah Germezi. Betsaka lavitra noho ny mpankahala ireo mpitia azy. Araka izany angamba, satria sady mihira ny mpilalao iray no manao famindran'ny olona rehefa eny amin'ny volana eo am-pamakivakiana ny sehatra, ho vitan'ireo mpankahala ny hidaroka azy — na “baaah da,” amin'ny teny Persiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.