Saka sy Zana-tsaka Mameno Ny Pejy Facebook-n'ireo Mpanao Politika Italiana Manohitra Ny Fifindramonina

gattini

Sarin'ny hetsika natao tao amin'ny Facebook.

Anisan'ireo be mpizara indrindra ao amin'ny media sosialy ireo sary mampiseho zana-biby, indrindra ny zana-tsaka, hany ka tsy azo ialana ny fanatrehana isan'andro ireo maso mahafatifaty. Vokatr'izany, heverina ho tsy fanavaozana lehibe intsony ny pejy Facebook iray hafa natokana hoan'ireo mpankafy saka.

Saingy somary hafa kely ny zava-nitranga vao haingana tany Italia. Nanatontosa flashmob virtoaly natao hoan'i Matteo Salvini, filohan'ny Ligy Tavaratra, antoko malaza amin'ny fankahalana vahiny sy manohitra ny fijoroana Eoropeana, ny vondrona iray antsoina hoe Progetto Kitten. Raha tokony handihy,  mangataka amin'ireo mpandray anjara 26 000 rehetra ny Progetto Kitten mba hirohotra ao amin'ny pejy Facebookn'i  Salvini miaraka amin'ny sarin-tsaka sy zana-tsaka.

Nilaza ny mpikarakara fa tsy manao politika izy ireo fa “te-hitondra fotsiny ireo zana-tsaka mahafatifaty mpîtondra hafatra fitiavana ao amin'ny rindrin'ireo izay mandray ny fiainana ho matotra loatra.”

Natao tamin'ny 7 Mey ny flashmob-ntsaka, saingy marobe ireo saka azo jerena ao anatin'ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny lahatsoratr'ireo mpanao politika na dia taorian'izany daty izany aza.

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Sarin-tsaka ao amin'ny rindrin'i Salvini

Araka ny filazan'ny mpamorona ny hetsika, nosafidiana i Salvin noho ny feon'ny anarany ihany, satria mitovy fanononana amin'ny gattini, teny Italiana hoan'ny saka kely. Noho izany, ny diezy Twitter sy ny anarana nampielezana ny hetsika dia: #gattinisusalvini (zana-tsaka ao amin'i Salvini).

Na dia eo aza ny tanjona tsy ara-politikan’ny #gattinisusalvini, maro tamin'ireo mpandray anjara no nanisy tsikera ny foto-kevitry ny mpanao politika ary koa lahateny tsara rindra teo akaikin'ireo sarin-tsaka:

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

“Manao ahoana Salvini, saka roa karazany aho”

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

“Saka Romani, mpiangaly mozika tsy ara-dalàna”

Nahomby kokoa tsy araka ny niheveran'ireo mpikarakara ny hetsika, ary vetivety dia niely avy ao amin'ny Facebook nankao amin'ny Twitter.

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Manambara ny fahombiazan'ny hetsika tao amin'ny Twitter ny Progetto Kitten

Pejy Facebook-n'i Salvini feno sarin-tsaka. Ary miparitaka ao amin'ny Twitter ny #gattinisusalvini

androany amin'ny 3 folakandro #gattinisusalvini, vonona hanoratra amin'ny kintendrinay izaho sy @Jacopo_llo [PH CC: CiccioGatti e Socialismo]

Angamba iray amin'ireo asa kanto tsara indrindra amin'ny taonarivo vaovao ny #gattinisusalvini

Nankasitraka ny fahombiazan'ny hetsika ny sasany, izay araka ny voalazan'ny Wired, dia valinteny sahaza hoan'ny marika ara-politika izay mbola tsy maharesy lahatra sy be hiakam-pitolomana. Mifangarika amin'ny teny fankahalana ataon'ireo mpanao politika ny fahatsaran'ireo saka kely, rehefa mifangarika ny lahateny mamely vahiny sy vondrona vitsy sy ny lahateny mampihomehy.Fa nisy ihany koa ireo olona marobe izay tsy nankafy ny ezaka. Nanamarika ohatra ireo tsikera fa maneho ny tsy fisiana hevitra mafonja anoherana ny filohan'ny Ligy Tavaratra teo amin'ireo mpandray anjara ny fampiasana saka kely .

Maro ihany koa ny nanamarika fa nanampy an'i Salvini ny hetsika, nampitombo ny lazany fa tsy nahatonga azy hanalefaka ny feony.

Raha ny marina, na dia ny hanakana ireo mpiserasera mavitrika indrindra amin'ny fampielezana ireo saka aza ny fihetsika saiky nataon'ny filohan'ny Ligy Tavaratra voalohany, rehefa hitany ho “fanadiovan-dohataona” ny pejy Facebook-ny ilay izy dia nofaranany tamin'ny fanehoan-kevitra hoe “miao” izany avy eo, izay nahazoany fankatoavana noho ny vazivazy manetri-tena

 

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

“Fanadiovana amin'ny lohataona! Hoan'ny pejy tsara sy marina indrindra: ahoana ny hevitrao, hanomboka ve aho??”

 

“ALFANO, avy amin'ny fanampian'ny olona mpanao trafika mba hanampy ny mpitondra andevo. Fihemoran'ny karazam-biby. Miao.”

Namorona diezy vaovao ireo mpanohana azy, #gattiniconsalvini (saka miaraka amin'i Salvini), manaparitaka ny sarin'i Salvini voahodidina saka eny rehetra eny.

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Saka miaraka amin'i Salvini. #gattiniconsalvini

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Nasongadina tao amin'ity sary ity ny iray amin'ireo lahatsoratra tao amin'ny Facebook miantso ireo mpanohana mba hamoaka ny sarin'ny sakan'izy ireo manokana, mivaky hoer, “Mifidy an'i Salvini ny sakako.”

 Sarina saka mitaingina bilidaozera maneho ny fikasan'i Salvini hanadio ny tobin'ireo Rôm ao amin'ny firenena.
10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Cat..Erpillar Miaraka amin'i Salvini

Raha ny hanalefaka ny feon'ireo mpanao politika Italiana tia ady no tanjon'ny hetsika, dia tsy nahomby izany. Mbola mahafatifaty hatrany ireo saka kely na dia mitondra bilidaozera na nitafy toy ny mpikatroka ara-politika aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.