Tandindonin-doza Ny Aterineto, Sehatra Iray Avo Ho An'ny Hetsi-Panoherana Ao Ekoatera

20150611_195854b

Sarin'ireo fihetsiketsehana manohitra ny Filohan'i Ekoatera, Rafael Correa. Sary: Alfredo Velazco

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity tany Ekoatera, nipoaka ireo hetsi-panoherana isankarazany tany aminà tanàna samihafa manerana ny firenena. Nateraky ny fikasan'ny fanjakana hametraka hetra vaovao momba ny lova sy ny tombom-barotra, ary koa ireo fepetra hafa momba ny toekarena mba hiatrehana ny vidin-tsolika ambany sy ny fidangan'ny dolara.

Ireny hetsi-panoherana ireny, mampiseho ny haavon'ny fandraisan'anjaran'ny olompirenena, dia  natambatra avy amin'ny fampiasana ireo tambajotra sosialy, satria ny 46 isanjaton'ireo 16 tapitrisa mponina ao Ekoatera no manana aterineto.

Ny Twitter, manana mpampiasa iray tapitrisa ao amin'ny firenena, no tambanjotra izay mahita betsaka indrindra ny fiasan'ny tenifototra fitsikerana manohitra ny Filoha Rafael Correa.

Captura de pantalla 2015-06-15 a la(s) 15.39.19

Nandritra ireo fihetsiketsehana, raha kely indrindra ireo tany Quito sy Guayaquil, nivandravandra be ireo olana tamin'ireo tolotra aterineto amin'ny finday nomen'ireo mpanome tolotra tsy miankina. Tsapan'ny vahoaka ny olana ary tonga niaraka tamin'ireo fanazavana miainga amin'ny hoe fahasemporan'ny tambajotra vokatry ny habetsahan'ireo mpampiasa, tonga hatrany amin'ny fampiasana ny fanelingelenana onja, izay tsy ara-dalàna raha ny lalànan'i Ekoatera.

Tsy naneho hevitra momba ilay fahatapahan'ny fifandraisana ny Arcotel, masoivohom-panjakana tomponandraikitra amin'ny fanarahana maso ny fifandraisan-davitra eo amin'ny firenena, .

Amin'izao fotoana izao, fipaingorana ny onjan'ireo telefona finday any La Shyris?… Tsy mbola mahazo foana ry zareo

#Ecuador sakanan'ny fanjakana ny finday/fahazoana aterineto avy amin'i @RossyFloresR #FueraCorreaFuera #Shyris

Nandritra izany fotoana izany, mialaany koa ny fampiasana ireo fampiasa “peer-t-peer”, toy ireo nampiasaina nandritra ny hetsi-panoherana tany Hong Kong.

Taorian'ny nahitàna maso ny olan'ny aterineto finday nandritra ireo famoriam-bahoaka, nangatahan'ilay Loholona avy amin'ny mpanohitra, Andreas Paez, ny rehetra mba hampiasàna ny “Fire chat”, tolotra fandefasana hafatra izay azo antoka fa hiasa mandritra ireo hetsi-panoherana sosialy, kaonseritra sy lalao baolina kitra,hatrain'ny loza voajanahary aza.

They mentioned to me about possible mobile phone signal jammers that were at the location of the protest yesterday, to avoid…

Posted by Andrés Páez asambleísta on Thursday, June 11, 2015

Nomarihan'izy ireo tamiko ny mety fisian'ny fanelingelenana ny onjan'ny finday izay tao anatin'ny toerana misy ny hetsi-panoherana omaly, mba hialàna amin'ny…

Nandritra ny hetsi-panoherana, media maromaro no nitatitra ireo fanafihana karazany hafa, amin'ny fandavàna ny asa (DDoS) ka hatramin'ny famoronana kaonty sandoka mba handisoana ny vaovao.

Niharan'ny fanafihana goavana avy any ivelany izahay tao amin'ny tranonkalanay http://t.co/N7lEPrrMb4 ary eo ampitadiavana vahaolana haingana izahay izao.

Amin'alahelo no hilazanay ny mpanaraka anay fa niharan'ny fanafihana tety anaty aterineto izahay ka nampihitsoka ny vohikalanay pic.twitter.com/9D9944jcsy

Efatra andro ary dia mbola iharan'ny fanafihana hatrany ny tranonkala LaRepública, tsy mbola fantatra ireo izay nahavanon-doza.

Captura de pantalla 2015-06-15 a la(s) 13.48.58

Ho an'ny mpamakinay

Ny tolakandron'ny Alarobia 10 Jona 2015, nisy kaonty sandoka noforonina tao amin'ny tambajotra sosialy Facebook. Mampiasa ny anarana, fango ary ireo sarin'ny EL COMERCIO io kaonty io, izay mamely ny fahafahanay maneho hevitra an-kalalahana sy indrindra indrindra ny zonay amin'ny resaka fiarovana ny fizakàmanana ara-tsaina. Nanaovanay tatitra ity fihetsika ity, izay nifanandrify tamin'ny fampidirana ny kaonty Twitter-n'ireo sasantsasany amin'ny mpiara-miasa aminay ho ao anatin'ny lisitry ny “mpanao gazety mpanohitra” ahiahiana. Mangataka anareo mpamakinay izahay tsy ho ho varimbariana ho tratry ny velam-pandrika. Ato amin'ny EL COMERCIO, anokananay tena ny fitaterana ireo olana mahakasika ny tombontsoam-bahoaka, tsy misy fiandaniana ary amin'ny fomba mitombina.

Tonga ao anatin'ny fanalàm-baràka imasom-bahoaka ataon'ny governemanta amin'ny mpanohitra ireo fihetsika manohintohina ny tolotra aterineto finday ho an'ny vahoaka mandritry ny hetsi-panoherana sy famelezana ny media izao, sady milaza fisianà “foibe-nà troll” hamiliviliana ny saim-bahoaka ety anaty tambajotra sosialy.

Ny 15 Jona, taorian'ny fiverenany tamin'ny fitetezany an'i Eoropa, ary ora vitsy taorian'ny nitenenany nanohitra ireo hetsi-panoherana, nanambara i Correa fa hosintoniny vonjimaika ireo volavolan-dalàna momba ny hetra amin'ny fandovàna sy ny tombontsoa, tamin'ny fitanisàny filàna fandriampahalemana mandritra ny fikarakaràna ny fitsidihan'ny Papa Francis an'i Ekoatera ny 5-8 Jolay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.