28 no Maty tamin'ny Fanafihana ny Tora-Pasika Fialan-Tsasatra Tao Sousse, Tonizia

Police reinforcements in Sousse after gunmen killed 28 people, mostly tourists, on a beach. Photo credit: Saber ben Hasen. Shared on Twitter by @subaruplus

Polisy tonga nanatevin-daharana ny tao Sousse rehefa nisy olona mitam-piadiana nahafaty olona 28, mpizaha tany ny ankamaroany, teo amin'ny tora-pasika iray. Saripika: Saber ben Hasen. Nozaraina tao amin'ny Twitter @subaruplus

Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, miorina 140 kilometatra atsimon'ny renivohitra Tunis.

Minisiteran'ny fizahantany: Ny ankamaroan'ireo 27 maty sy 18 naratra tamin'ny fanafihana tao Sousse dia saiky avy any Alemaina, Belzika, Angletera ary Rosia

Matin'ny polisy ny iray amin'ireo olona nitondra fitaovam-piadiana, raha notaterin'ny fampitam-baovao ao an-toerana ny fisamborana ny olona hafa ahiahiana.

Voasambotra ny olona faharoa ahiahiana ho nanao ny fanafihan'ny mpampihoroho tao Sousse

Ity no fanafihana faharoa nikendry vahiny mpizaha tany tao anatin'ny efa-bolana, taorian'ny namonoan'ireo mpitolona mitam-piadiana mpizaha tany miisa 22 sy polisy iray nandritra ny fanafihana ny Mozea Bardo tao an-drenivohitra Tunis tamin'ny 18 Marsa.

Jereo ihany ny koa ny tatitra ao amin'ny Global Voices Checkdesk: Tunisia: Attack on Tourist Hotel in Resort of Sousse [Tonizia: Fanafihana Trano Fandraisam-Bahiny Mihaja ao Sousse]

Mbola tsy misy hatreto ny nitono-tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fahafihana. Saingy hatramin'ny 2012, Okba Ibn Nafaa Brigade, vondrona mitam-piadiana mifandrohy amin'ny Al-Qaeda ao Maghreb Islamika (AQIM) no nanao fanafihana maro mahafaty olona amin'ny polisy sy ny tafika. Nanambara tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tao amin'ny Mozean'i Bardo tamin'ny volana Marsa ihany koa ny ISIS.

Fanafihana voarindra izy izany, amin'ny fomba fitondrana ny fanevan'i ISIS, ao amin'ny firenena 3, kaontinanta 3: Frantsa, Koety, Tonizia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.