Ahariharin'ny #SaudiCables (Telegrama Saodiana) Ny Fitaintainan'i Arabia Saodita Momba Ny Fandrakofan'ny Haino Aman-Jery Ilay Fitroarana Tany Bahrain Tamin'ny 2011

Bahraini anti-government protesters protesting and camping at Lulu roundabout in the middle of Manama, the country's capital, calling for changes to the ruling regime. Manama, Bahrain. 25/02/2011. Photo by HI D. Copyright Demotix

Bahraini manao hetsi-panoherana sy mitoby eo amin'ny Fihodinana any Lulu (Pearl) eo afovoan'i Manama, renivohitry ny firenena ireo mpanohitra ny fitondrana any Bahrain, mitaky ny fanavaozana ara-politika. Manama, Bahrain. 25/02/2011. Sary avy amin'i HI D. fizakàmanana Demotix

Manome topimaso amin'ny fisainan'i Arabia Saodita momba ireo fandrakofan'ny haino aman-jery ilay hetsi-panoherana tany Bahrain tamin'ny 2011 sy ny andraikitra nolalaoviny tamin'ny famolavolàna ny fanentanana ireo Saoudi Cables – tahirin-tsoratra tafaporitsaka miisa antsasaka tapitrisa antsoina hoe :  .

Tsy tsiambaratelom-panjakana intsony ny hoe misy fifandraisana akaiky dia akaiky eo amin'ireo fanjakana mpifanolo-bodirindrina. Nandefa ny hery Fiarovan'ilay Saikinosy  ny fitondrana Saodiana mba handrava ilay hetsika manohitra ny fitondrana izay nanerana an'i Bahrain, miaraka amin'ireo mpanohitra izay mitaky fanavaozana demokratika sy fahalalahana kokoa.

Rehefa soratana eo amin'ny faritra voatokana hanaovana fikarohana ao amin'ny tranonkala mpitsoka fanairana WikiLeaks ny teny hoe “Bahrain” dia tahirin-tsoratra 145 amin'ny teny anglisy sy 790 amin'ny fiteny Arabo no miseho eo amin'izao.

malarab

Telegraman'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Saodiana mampiseho fa nampilaza ny manampahefana ny solontenan'ny fahitalavitra Arabiya any Bahrain, tao anaty tafatafa nifanaovany tamin'ny solontenam-panjakana momba ny toe-draharaha any Bahrain

Nasehon'ilay telegrama nalefan'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Saodiana fa nifandray tamin'ny ministera i Mohammed Al-Arab, solontenan'ny fahitalavitra Al Arabiya any Bahrain, mba hampahafantatra azy ireo ny vaovao momba ny resadresaka nifanaovany tamin'ireo solontenam-panjakana momba ny toe-draharaha any Bahrain.

Nidinidinika tamin'ny Filoha Pakistane izy ka noresahana tamin'izany ny toe-draharaha any Bahrain ary nanasongadina ny fanohanan'ny fireneny ny fepetra noraisin'ny Gulf Cooperation Council‘s (GCC) – Filankevi-Piarahamiasan'ny Gôlfa – momba ny korontana any Bahrain sy ny fiarahany mitaintaina amin'ny mpanjaka Saodiana mikasika io toe-draharaha io. Tsy mazava tsara ny fipetraky ny filoha Pakistane ao amin'io rakitra io.

Tao anaty telegrama iray, notaterin'ilay masoivoho Saodiana any Londona tamin'ny fitondrana Saodiana fa vatsian'ny governemanta Amerikana sy ny governemanta Anglisy vola ny fahitalavitra mpanohitra iray any Bahrain, ny Lualua TV, rehefa nandalo fahasahiranana ara-bola.

Nobitsihin'i Um Ahmed ny sarin'izany :

Vatsiana vola ny Lualua TV raha toa ka tsy mitsikera ny mpanjakan'i Bahrain

Ambaran'io hafatra io ihany koa fa fepetra takian'ilay famatsiana ny famadihana ny tsindry atao amin'ny mpanjaka Hamad ho fitsikerana ny Piraiministra Khalifa bin Salman Al Khalifa, dadatoan'ny mpanjaka. Ny Amerikana sy ny Anglisy no sady mpiara-miasa voalohany amin'ny fitondrana any Bahrain no mandray anjara fototra miaraka amin'ny mpanohitra any. Bahrain, amin'ny maha-mpampiantrano ny tafika an-dranomasina Amerikana sy hampiantrano ny an'ny Anglisy azy, tsy tombontsoan'ireo firenena roa ireo ny hanalàna ny mpanjaka. Na izany aza, mba tsy hanaratsiana ny sariny manoloana ny fikambanana demokratika iraisam-pirenena dia ny fanisahana ny tsikera ho any amin'ny Praiminisitra, farafaharatsiny, no taratry ny finoan'ireo firenena Tandrefana ny demokrasia marina sy ny fahalalahana.

Tatitra iray hafa, atao hoe “Tsiambaratelo sy Maika Be” nosoniavin'ny minisitry teo aloha nisahana ny serasera sy ny teknolojian'ny torohay Saodiana, Mohamed Jameel Mulla, tamin'ny 01 Jona 2012 dia milaza fa nihaona tamin'ny talen'ny filazàm-baovaon'i Bahrain ny minisitry ny filazàm-baovao Saodiana mba hiresaka momba ilay Fahitalavi-panjakana Iraniana Al-Alam. Nambaran'ilay solontenan'i Bahrain tamin'ilay fihaonana fa hasehony amin'ny Fivoriamben'ny Fikambanana Arabo ho an'ny Fifandraisana amin'ny Zanabolana (Arabsat) ny taratasy fampahatsiahivana mangataka ny hampiatoan-dry zareo ny fandefasana ilay fahitalavitra any Iran.

Arabsat

Tatitra atao hoe  “Tsiambaratelo sy Maika Be” manambara fa nihaona tamin'ny lehiben'ny filazàm-baovao any Bahrain ny ministry ny Filazam-baovao Saodiana mba hiresaka momba ny fahitalavi-panjakana Iraniana Al-Alam.

Notantarain'ny ministra Saodiana fa nanatrika ilay fivoriana tany Beyruth tamin'ny 26 May 2012 izy, ary notateriny fa amin'ny maha-fanjakana mpikambana azy, tahàka ireo firenena hafa mpikambana ihany koa, dia nanohana ny hatak'i Bahrain i Arabia Saodita. Ny Arabsat izay manana ny foibeny any Ryad, renivohitra Saodiana, no lohany amin'ny fandraharahana amin'ny serasera an-janabolana any amin'ny tontolo Arabo. Etsy andanin'izany ny Al-Alam, nandefa ny fandrakofana nataony hanohanana ny mpanohitra ny fitondrana izay amafisin'ny fitondrana fa nanosika ny korontana ary nitàna andraikitra tamin'ny fampizarazaràna any Bahrain.

Ambaran'ilay rakitra ihany koa fa takian'i Bahrain ny vovonana mpanatanteraky ny Arabsat mba havitrika kokoa amin'ny fifehezana ny fahitalavitra rehetra sy ny votoatiny.

Fa tany amin'ny farany, tsy nisy valiny intsony ny fangatahan'i Bahrain. Nisy lahatsoratra navoaka tao amin'ny Middle East Online (Aterineton'ny Afovoany Atsinanana), tamin'ny andro nanaovana ilay fivoriambe, nilaza fa tsy maintsy hatsahatr'i Bahrain ny fandefasany ny fahitalaviny amin'ny Arabsat manomboka ny 1 Jona ho fanaovana ankivy noho ny tsy fihetsehan'ny Arabsat manoloana ny fampielezankevitra “mamelively” ataon'i Iràna amin'ny fitondrana any amin'ny haino aman-jery.

Nobitsihan'i Zain Benjamin, mpanao gazetin'ny Radio Sawa any Washington DC, ny taratasy roa pejy voasoratra sy nosoniavin'ny minisitry ny Kolontsaina sy ny fampahalalam-baovao Saodiana izay ilazany fa i Bahrain no ivon'ny fitsikerana amin'ny haino aman-jery manjo ny fitondrana Bahraini sy Saodiana.

 WikiLeaks Arabia Saodita : Lasa kitro ifaharan'ny fanararaotan'ny haino aman-jerin'i Riyadh i  Bahrain : Biraon'ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao

Nisy fanamarihana manokan'ny solontenan'ny Reuters any Bahrain, Andrew Hammod, izay nambaran'ny fitondrana Saodiana fa efa noroahana tany Arabia Saodita tamin'ny fotoana nipetrahany tany Riyadh, noho ny tsy fitanilàn'ny lahatsorany. Ambaran'ilay minisitra fa miasa any Bahrain i Hammond amin'izao fotoana izao ary mbola manenjika ireo governemanta roa tonta, tena mihoatra ny tokony ho izy izany satria tsy vitan'ny mitantara fotsiny ihany fa mampiasa ny kaonty Twitter-ny ihany koa mba hizaràna ” fehezanteny manivaiva.”

Nangataka fahazoan-dàlana hihaona amin'ny Lehiben'ny Fampahalalam-baovao Bahraini, Fawaz Al-Khalifa, ny minisitra tamin'ny taratasy nosoratany ho an'ny mpanjaka Saodiana mba hiresahana ny momba ny politika sy ny paikady iombonana momba ny haino aman-jery mba hanoherana ny fanentanan'ny fandrakofan'ny haino aman-jery vahiny momba ny fikomiana.

Tsy nijanona teo Arabia Saodita, fa nanangana paikady hanosehana ireo vaovao izay manamafy ny fitsabahan'i Iràna mpifaninana aminy any amin'ireo firenena ao Gôlfa, indrindra fa i Bahrain, Koety ary Iràka. Hita any anaty rakitra iray hafa izany, izay milaza fa ilaina ny fifantohana amin'ny fanoherana ny haino aman-jery Iraniana amin'ny fakàna tombony avy aminy sy fanohanana ireo fahitalavitry ny antokom-pivavahana, indrindra ireo izay manohana ny hetsika Silamo Salafist. Mamporisika ihany koa ireo mpitari-pivavahana any Iràna izy mba hitory ilay hafatra ao anatin'io firenena io.

salafist

Rakitra iray tafaporitsaka mampiseho ny fanirian'i Arabia Saodita hiady amin'ny haino aman-jery Iraniana amin'ny fakàna tombony avy aminy sy ny fanohanana ireo fahitalavitry ny antokom-pivavahana.

Mahareta satria atsikafon'ny Global Voices ireo rakitra maro mihanaka antsokosoko. Ho an'ny fanavaozam-baovao manokana momba a'i Bahrain sy ny vaovao avy any Arabia Saodita dia araho ny tantara Checkdesk-nay “#SaudiCables: Wikileaks Mampiseho Rakitra Tsiambaratelo momba ny Raharaha Bahrain. [Eng.]” Jereo ihany koa ny fandrakofana nataonay ao amin'ny Checkdesk Global Voices, izay anarahanay ny fanehoankevitr'ireo haino aman-jerin'lon-tsotra momba ny Saoudi Cables.

Vakio ny fandrakofana manokana ataonay :  WikiLeaks Manasongadina ny  #SaudiCables

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.