Orinasa Rosiana Mpandoto Resaka Nanaiky Hanonitra Mpiasa Taloha, Nefa Izy Vao Nanomboka

A lawsuit by a former employee is helping pull an alleged Russian "troll factory" into the limelight. Images mixed by Tetyana Lokot.

Nanampy tamin'ny famoahana ny lazaina ho ‘orinasa mpandoto rano’ ho eo amin'ny tara-pahazavanaa ny fitoriana nataon'ny iray tamin'ireo niasa tamin'izany taloha. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nahazo angom-baovao bebe kokoa eo amin'ny fampitam-baovao Rosiana sy iraisampirenena  ankehitriny ny firoboroboan'ny “orinasa mpandoto rano” na “toerana mpandoto resaka” miasa ao amin'ny [tontolon'ny] RuNet sy mivoaka hatrany ivelany hamolavolana ny resaka sy ny fihetseham-po an-tserasera. Amin'ny tranga maro dia niankina tamin'ny fijoroana vavolombelon'ireo mpanapoaka tsiambaratelo miasa na niasa tao amin'ireo lazaina ho “orinasa mpandoto rano” ireo mpanangom-baovao.

Tamin'ny faran'ny volana mey,nisy vehivavy iray antsoina hoe Lyudmila Savchuk nanambara fa nitory ny mpampiasa azy teo aloha, ny orinasa mpandoto rano [mpanao trolls amin'ny internet] malaza indrindra ao Rosia, ny Internet Research Agency [Sampam-pikarohana an'Internety] miorina ao St. Petersburg, izy. Ankehitriny ny mpisolovava azy avy ao amin'ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona Team 29 no miteny fa nanaiky ny hanonitra an'i Savchuk eo amin'ny lafiny fifandirana arak'asa ny orinasa, satria nampangainy ho manao fomba fiasa sy manome karama tsy ara-dalàna.

Raha milaza tena ho mpanangom-baovao fanadihadiana mahaleo tena sady mpikatroky ny zo sivika i Savchuk dia niditra tao amin'ny “orinasa mpandoto rano [troll]” ao amin'ny lalana Savushkina ary niasa hoan'ny birao hatramin'ny Janoary 2015 ka hatramin'ny Marsa 2015 ho “mpitsikilo miafina.” Ny tanjony dia ny hahita ny fomba fitantanan'ny “orinasa” ireo birao feno olona voakarama milaza tena ho olon-tsotra hametraka hevitra sandoka amin'ireo vaovao sy blaogy, mba hitarihan-dalana ny firesaka an-tserasera. Na dia tsy afa-po tamin'ny fomba fampiasana olona tsy ara-drariny aza izy, dia nilaza i Savchuk fa ny antony nahatonga azy hitory dia ny hanerena ny Internet Research Agency [Sampam-pikarohana an'Internety] hivoaka ampahibemaso eo anatrehan'ny lalàna, mba ho fantatry ny olona maro kokoa ny fomba fiasan'ny “orinasa mpandoto rano [troll].”

Tafahoana tao amin'ny fitsarana ihany ny roa tonta tamin'ny 23 jona. Taoriana kelin'izany dia nanambara tao amin'ny Facebook ny mpisolovavan'i Savchuk, Ivan Pavlov, fa nanaiky ny hanonitra an'i Savchuk noho ny fampiasana olona tsy ara-drariny ny Internet Research Agency [Sampam-pikarohana an'Internety] ary handoa ny karama tokony horaisiny tamin'ny fotoana nandroahana azy.

Тролли сами в суд не пришли, но прислали девушку-юриста на съедение. Девушка-юрист согласилась с нашими претензиями и предложила выплатить Людмиле Савчук все положенные компенсации.

Но сила-то не в деньгах, а сами знаете в чем. Поэтому продолжение следует.

Tsy nipoitra tao amin'ny lapan'ny fitsarana ry “mpandoto rano” [trolls], saingy nandefa vehivavy mpisolovava ho sorona fanavotana. Nanaiky ny fitakianay ilay vehivavy mpisolovava ary nilaza ny handoa amin'i Lyudmila Savchuk ny sanda rehetra tsy maintsy mipetraka.

Saingy tsy ao amin'ny vola ny fahefana, efa fantatrao fa ao aminao. Ka mbola mitohy.

Lyudmyla Savchuk sy ny mpisolovavany taorian'ny fihainoan'ny fitsarana tamin'ny 23 Jona 2015. Saripikan'i Ivan Pavlov ao amin'ny Facebook.

Nanamarika i Pavlov fa ny dingana manaraka dia ny fanatontosana fihaonana roa fanampiny amin'ny Internet Research Agency [Sampam-pikarohana an'Internety] hiresaka ny fomba fandoavana azy, ary ny iray amin'ny fihaonana dia hotontosaina ao amin'ny biraon'ny “orinasa mpandoto rano [troll]” ao amin'ny lalana Savushkina ao St. Petersburg. Nitatitra ny Tjournal fa hotontosaina amin'ny 30 jona ny fitsidihana ny “zohy fieren'ny mpandoto rano [troll]”, ary hiaraka amin'ny mpisolovava sy mpanao gazety i Savchuk amin'io fotoana io.

Ankoatra ny zavatra hafa, nilaza tao amin'ny fitsarana ny solontenan'ny Internet Research Agency [Sampam-pikarohana an'Internety] fa tsy voaroaka fotsiny amin'izao i Savchuk, satria mbola mihatra soa aman-tsara ny fifanarahan'asany, ary nanolo-kevitra izy raha te-hiverina hiasa ao amin'ny orinasa izy. Ho setriny, nilaza tamin'i TJournal i Savchuk fa heveriny ho miezaka ny hanakana ny fielezan'ny lazany tsy azo ihodivirana noho ity raharaha ity ny Internet Research Agency .

Мы думали, что представители фабрики троллей опять постесняются и не придут. Однако они пришли и внезапно согласились с требованиями по моему иску. Как говорит мой адвокат, они выбрали меньшее зло.
Так что мы действительно вытащили их на свет. Тот факт, что они пришли, что прозвучало название ООО «Интернет-исследования» — это означает, что фабрика троллей существует.

Nieritreritra izahay fa ho menatra ny solontenan'ny orinasan'ny troll [mpandoto rano an-tserasera] ka tsy sahy hiseho. Saingy niseho ry zareo ary nanaiky tampoka ny takiako ao amin'ny fitoriana. Hoy ny nolazain'ny mpisolovavako hoe naka ny lavitry ny ratsy indrindra ry zareo.
Ka dianataonay niseho teo amin'ny tara-pahazavana tokoa ry zareo. Ny fisehoan-dry zareo, ny niresahana ny Fikarohana an'Internety LLC, no midika fa misy tokoa ny orinasa mpandoto rano an-tserasera [troll].

Manasa anao ihany koa hitsidika ny Global Voices Online amin'ny teny malagasy raha any amin'ny toeran-kafa no ahitanao ity lahatsoratra ity fa any kanto kokoa ny endriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.